Aiza no maka visa ho any Tunisie raha avy any Mada

1. Bola ( 03/08/2008 00:18)
salama aby...
Misy mahay ve raha avy any Madagasikara no ho any Tunisie, aiza no maka visa satria tsy misy ambassade na consulat any...
Raha misy page internet dia misaotra mialoha!
Misoatra betsaka!
novalian'i Bola ny 06/08/2008 03:02
2. ikaretsaka ( 03/08/2008 01:38)
alefa @ consulat andreo any Kenya ny passport na mankany mihitsy raha tsy diso aho.
t@ boules efa taloha be (efa ho 8 taona aloha izany fa tsy haiko raha efa niova an)
3. tsimati ( 03/08/2008 09:45)
Tsy mahavaly azy mivantana saingy mety misy hisainana kely angamba ity. Ny zavatra tamin'ny 8 taona lasa aloha dia efa ela izany ary raha tsy miova dia midika fa tsisy fandrosoana. Rehefa hivoaka moa dia misy antony na hianatra, na hiasa, na hitsangasangana, na hamangy havana amantsakaiza na koa hitsabo tena sns.
Amin'ny maha-firenena mbola mahantra an'i mahantra an'i Madagasikara dia mbola vitsy ihany no hananany Masoivoho ary sahala izay koa ny isan'ireo firenena mifandray aminy ka tsy hety hanana torana afaka hakana visa avokoa ny firenena samihafa. Momba an'i Asia ohatra dia China, India, Indonesia, Thailande sy izay tsy haiko no tena hita nefa mbola maro ireo tsy misy masoivoho. Ny Mandeha Malaysia ohatra dia tsisy visa fa avy dia lasa ary eny amin'ny seranampiaramanidina avy dia omendreo 1 volana. Avy eo anjaranao no manitatra azy araka ny filana any antoerana. Tsisy inoninona mihintsy fa miditra fotsiny saingy ny taratasy milaza ny antondianao raha nafarana na hianatra na hitsabo tena sns araka ny ery ambony no jerendreo. Raha firenena mafana sahalan'i Irak, Iran sy ny hafa anisan'izany ny Afrikanina dia sarotiny ny toerana hafa. Na ao Indonesia aza dia sahirana vao tafiditra ny avy Irak nefa samy Silamo ihany.
Ny tiako ho marihina dia MALALAKA ny fidiran'ny avy Madagasikara na Malagasy eran'ny rehetra. ka asa raha hiova izany rehefa ampianarina ity toetra ratsy rehetra ity ny Malagasy. Tsisy zavatra mampatahotra na ahiana ny Malagasy ka na andeha aiza na aiza tsy dia voan'y fanontaniana betsaka fa miditra tsotra.
Miala tsiny fa lava nefa mety tsisy raisina. hehehe :-D :-D :-D
4. Bola ( 03/08/2008 13:02)
Misoatra anareo ! :)
5. patrick2002 ( 03/08/2008 15:16)
anontanio any @ ministere des affaires etrangeres eny anosy fa ry zareo manana ny informtion tsara amin'izany ,
6. Bola ( 03/08/2008 16:18)
patrick2002:

anontanio any @ ministere des affaires etrangeres eny anosy fa ry zareo manana ny informtion tsara amin'izany ,

ok...sady tsy mety mivaoka ny adiresy na contact ilay any Kenya fa ao Afrique du Sud no misy...
Ilay izy koa maika ka asa na mbola ho tratra...Manahirana foana raha vao tsy ao an toerana ny ambassade na consulat mamaoka visa...:(
7. ikaretsaka ( 06/08/2008 02:32)
va avy nanontany.. ao afrika atsimo no maka visa
mila visa ny mankany tonizia ry tsimati an
tsy any malaisie io fa tunisie
8. Bola ( 06/08/2008 03:02)
ikaretsaka:

va avy nanontany.. ao afrika atsimo no maka visa
mila visa ny mankany tonizia ry tsimati an
tsy any malaisie io fa tunisie

Misoatra Ikaretsaka a! Efa nalefako any ilay adiresy ao Sudaf fa asa raha mbola ho tratra...Fa na izany aza tazomina ho @ ny @ manaraka! Misoatra niantso! :)


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.378