faradoboka alohan'ny fanadinam-panjakana

1. namana2008 ( 30/07/2008 11:30)
ireny sekoly mapanao faradoboka ireny v aminareo tsy anisan'ny mamoaka sujet alohan'ny fotoana ihany? matetika mantsy dia izay ataon'ny ankizy any amin'izy ireny foana no mivoaka amin'ny fanadinana ofisialy. tsy fanabeazana izany fa fanimbana ankizy fotsiny ihany satria mamporisika azy ireo tsy hisaina sy hianatra intsony. ary rariny raha maro ireny tsy maita asa aorian'ny fianarana satria tsy azo tamin'ny fahaizana ny maripahaizana.
Misy sekoly iray malaza izay eto antananarivo ary dia malaza ho tena mahay tokoa moa izany ny mpianatra satria 100% foana ny valim-panadinana matetika. Ny zava-misy anefa dia izao. nisy zanaka an-trano izay hanala fanadinana tamin'ity taona ity. alohan'ny daty ofisialy anefa dia mbola mianatra sy mampianatra ihany ny mpanabe amin(io sekoly io. ozy ilay ramose tamin'ireo mpianatra hoe ity lesona sy exercice ataotsika ity iany ianarana fa ity no miditra any. dia nolazain'ny zaza tany atranony izay ka bedy izy fa oe tsy misy anizany fa tsy maintsy ianarana daolo revo lesona. tonga tokoa moa izany ny fanadinana ofisialy ary dia gaga tokoa izahay ray aman-dreny raha naita fa dia ilay nomen'ilay ramose tokoa moa izany no niditra tany!!!! aiza ho aiza ny fanarahamaso amin'izany rehetra izany? iza no tokony hatonona amin'izany rehetra izany sqatria dia manimba ankizy TANTERAKA izany. avy eo anefa miseoseo ery oe 100% ny résultat!!! ahoana ny hevitrareo.
2. Herimiafina ( 30/07/2008 12:59)
Zava-misy efa hatramin'izay eny amin'ireo fanaovana cours Bac io zavatra voalazanao io.
Ny tsara ho marihina angamba dia ny mpampianatra mety tsy miteny hoe"ity hianarana fa ity no mipoitra any" fa kosa hoe "Hianaro tsara ity fa ohatran'ity foana matetika no mipoitra any", fa misy ny ankizy maandre mivilana matetika. Ary rehefa dinihina dia ilay zavatra nolazain'ilay prof tokoa no hitanao any amin'ny Bac avy eo. Inona ary no mety ho anton'izany hoy ianao?
Ny hamaliako azy dia tsotra, ny fanadinana ofisialy toy ny bac dia efa manaraka ny fempetra rehetra omen'ny ministera, anisan'izany ny fanaovana ny sujet. Efa voasoratra ao anaty manuel hananan'ireo mpampianatra fa ny taranja matematika serie C ohatra dia mizara telo, exercice roa ary probleme iray, ary efa fantatra ihany koa ohatra hoe ny exercice iray dia tsy maintsy algebre (nombre complexe, sns) ny iray tsy maintsy probabilité, ary ny probleme iray tsy maintsy analyse na géométrie. Ary eo indrindra no hanararaotan'ireo mpamapnao cours, bangoiny sy asehony amin'ny ankizy avokoa ny zavatra efa nisy rehetra ary manao vinavina izy ny amin'ny zavatra mety hitranga vaovao, mba hananan'ireo zaza reflexe rehefa eo ampanadinana.

Raha ny hevitro dia raha hanala bac tsy ampy raha fahaizana fotsiny, fa ilaina ihany koa ny reflexe izay tsy ho azo mihintsy raha tsy manao cours sy efa somary nahita ny karazana exercice rehetra mety hipoitra any amin'ny Bac, dia izay no somary maha-important ireny fanaovana cours ireny.

Ilain'ny ankizy ny manao fara-doboka mba hananany mémoire fluide amin'ny alalan'ny exercice cerebrale, fa raha ilaozany maka aina mandritry ity herin'andro ity dia tsy ho ampy azy ny fotoana hieritreretany eo amin'ny fanadinana. Izay izany, ny reflexe no tena important.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3989