tsy hay intsony izy ity

1. fijo ( 29/07/2008 21:59)
dia mbola fahagagana indray no nandrenesana tamin'ny vaovao RMC androany fa tany AIX LES BAINS dia nisy rangahy ita faty tao antranony.

hatreto aloha tsy mahagaga,fa ny tena mahagaga dia ity,io faty io ,araka ny filazan'ilay rangahy meran'ny tanana dia efa faty tao efa roa taona.(2 ans)olona mipetraka irery ao amina immeuble ingahibe ary tany amin'ny rihana fah a4 no nisy azy.maty roa taona tao izy izay vao nisy nahita.

ny tsy nahataitra ny "agence" dia voaloha foana ny hofantrano.satria i ngahibe dia ataony virema daholo na ny vola miditra aminy na ny charge rehetra alohany.izany hoe misy vola miditra foana ny compteny,ary voaloha tsara daholo ny facturany.

fa ny fanontaniako dia izao.
tsy maimbo ve le faty e???????de tsy naheno ve ny mpiray rihan ataminy tao????

tena hafa mihintsy ity fiarahamonina eto frantsa ity ka.
novalian'i fijo ny 08/08/2008 21:27
2. sipagasy ( 29/07/2008 22:25)
ka io ilay hoe samy mandeha samy mitady e!!!
3. mbaliana ( 30/07/2008 16:32)
nandray vola foana ve le rangahy pdt 2ans???
4. fijo ( 30/07/2008 19:45)
ie,ny admin rehetra izany tsy nahalala mihintsy hoe efa maty izy,satria ny azy vir daholo no anaovany ny gestion ny compte.na ny miditra io na ny mivoaka.mba dinio,fa ny agence ny trano koa izany dia nandray hofantrano foana ary tsy nivaky loha mihintsy izay nitranga tao.

ratsy le samy maka hoazy raha izao ka.
5. fahamarinana ( 31/07/2008 09:40)
:arrow: tena ratsy marina lay samy maka ho azy...nefa dia zay no zava-misy mipetraka aty frantsa aloha.Ny aty amin'ny tanana hipetrahanay dia be gasy hany ka mihaona isan'andro ary koa raha tsy hitahita dia efa mifampanontany koa,ny mifampitsidika moa atao rahateo.Fa kosa am voisins vazaha dia vitan'ny mifamparahaba,mifanampy ihany koa ndraindray...Ny efa hitako indray andro dia nisy nifamono ny mpivady tao amboninay dia niantso vonjeo lay mme,ilay rangahy moa efa fanta-poko fa mpidaroka ny vadiny ary na ny mpiara-monina efa tapitra niadivany daholo fa kosa tamizay dia niantso polisy zahay satria tena misy entana manidina sy zvtr mikapokapoka be..dia hoy ny polisy hoe tsy misy azonay atao raha tsy ilay mme no miantso...HS kely iny ka zay no mampisalsala ny fifandraisana sy fidirana lalina am fiainan'olona .....
Fa iverenako lay diniky fijo :2 ans zany tokoa tokony ho maimbo be tokotrany an...mampalahelo be lay tranga...na ny havany aza ve tsy hita popoka koa ??? (l)
6. fijo ( 31/07/2008 20:09)
za vao naheno io vaovao io dia ilay fofona no tonga tao antsaiko.
7. Herimiafina ( 01/08/2008 17:45)
fijo:
fa ny fanontaniako dia izao.
tsy maimbo ve le faty e???????de tsy naheno ve ny mpiray rihan ataminy tao????


Ny fanontaniana tokony hipetraka dia ny hoe: "Ahoana no fomba nahafantarana fa misy olona maty tao amin'ilay trano?"

Ny mety ho valiny: ny fofona. :^)
8. sipagasy ( 01/08/2008 18:38)
ka hoe ny navoakan'ny gazety dia ni se momifier ilay vatan'ilay razana iznay moa aka tsy namoaka fofona hono e!!! izaho mpitatitra fotsiny fa tsy mpiasanny RIS ann hihihi
9. fijo ( 01/08/2008 20:52)
ka ny tsy azoko anie dia izao e,raha mbola ao anaty ny atidoa sy ny tsinay dia sarotra ny ahatonga azy ho momie,rah atsy hoe tany mangatsiaka be.roa taon aizany anie nisy été 2 e????
10. fahamarinana ( 02/08/2008 09:02)
:arrow: mampanontany tena tokoa an... (l)
11. diamondra27 ( 02/08/2008 09:31)
fijo: marina izany saingy raha olona mbola tsy nahay olona maty na miala aina dia tsy mahalala io, donc tsy de mieritreritra an'io izany ny voisin

za wa tato natawatra fa nisy voisine-ko izay namako , 3 andro izy tsy nivoaka ny trano. Za tsy namangy azy satria efa nanao teny ankolaka izy we tsy tia manao fety refa nouvel an sy noel , ka sendra io periode io ilay izy, dia heveriko fa lasa nande nivoaka izy, hay rehefa nifankahita izahay de ozy we tsy tafatsangana tao ampandriana 3j hono izy , na tel aza tsy voarainy , de teo za no lasa vinany we tena tsy mety le mipetradrery fa ra sendra ny ohaatran'izao dia mety ho fatifaty foana.
Tsy dia tia mifanerasera am ol izany namako izany, fa na dia izaho aza zara raha mihaona izahay nefa mpinamana, voisine.
12. fahamarinana ( 02/08/2008 09:59)
:arrow: ilay mipetra-drery eo ihany fa indrindra rehefa mahazo taona zay satria mianjera dia tavela ao,ny taolàna rahateo mora tapaka rehefa miha-antitra zay...Betsaka tokoa ny maty irery ao fa ny tsy azoko fontsiny hoe tsy manana havana na zanaka na olom-pantatra mitsidika intsony zany izy ireny ? Za manokana tsy dia mahavoa hospice fa raha izao no tranga dia aleo indray mankany mba misy mahita rehefa ohatr'izay e.. :( (l)
13. fijo ( 08/08/2008 21:27)
diamsa na,ka maimbo be tsy laitra anie le faty e;izay no mahatonga ny fanontaniana.de tsy nisy naheno mamimbo ve ny manodidina teo???
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3194