"Bordel" tsy tena mazàva.......

1. lemenakely ( 29/07/2008 06:43)
Ireny olona ireny tena BORDEL be mihintsy !!!!

Raha @ teny frantsay mantsy ny bordel na maquerelle na maison de passe dia trano fanaovan ny mpivaro tena ny ataony !

Donc raha mandika ny teny etsy ambony izany dia hoe ireny olona ireny dia tena trano fandalovan ny makorelina mihintsy

Misy dika vilana izany ny fanagasiana ,nefa ingahy RA8 te hamerina indray ny fanagasiana :°)
novalian'i rinakely1 ny 05/08/2008 19:56
2. ainaheri ( 29/07/2008 07:12)
Tsy voatery io ny dikany @ teny gasy ka,arakaraka ny ampiasainao ilay teny no andraisanao ny dikany
3. RATOVOARY ( 29/07/2008 12:42)
Mety misy koa milaza hoe: manao fiainana BORDEL, izany hoe: tsy miasa saina fa ze hitsin'ny lohany d'efa izy zay. Ngamba mety manakaiky ny tianao holazaina ihany le izy fa mba fanehoan-kevitra ihany iny ny ahy.
4. fijo ( 29/07/2008 21:35)
tsy le fanagasian ano ratsy,fa arakaraky ny fomba ampiasana azy.
ny zanak afrantsay izao ampianarina amin'ny teny frantsay,toa mety aminy io.
sa hilaza hoe ka isika gasy ngaha tsy hivoak amihintsy,ie ny frantsay koa rehefa hivoak adia mil amianatra teny angilisy.dia toa izay koa isika.
5. ikaretsaka ( 01/08/2008 05:13)
betsaka ny teny Vahiny ampiasain'ny gasy dia miova tanteraka mihitsy ny dikany
raha miteny ohatra ny gasy hoe:

Aiza ny "sauce" => tsy midika hoe mila vinaigrette izy akory na bechamelle

be "geste"=> tsy midika izy hoe mihetsiketsika bouger bouger izany akory

mandraisa "chaise" madama => na tabouret io na akalana na fauteuil na vato na tamboho dia "chaise" daholo

"reve" milay" => tsy voatery nandeha natory akory izy ka nilay ny revy tany

"d'or" ny entana => tsy nisy niteny mihitsy ao hoe volamena firy carat !

Mba omeo "pipette"=> hisotro zavatra izy mila an'io fa tsy hi........

sy ny sisa :-D :-D :-D
6. fijo ( 01/08/2008 20:50)
izay no tsy maha antsika ilay teny.
7. Herimiafina ( 01/08/2008 21:50)
Trano-ndopy ny Bordel, filokana, fisotroana, ary filalaovana vehivavy.
Tsara endrika ivelany ery, fa ny ao anatiny karazana fiainana mirevareva, mikorontana, maloto. Madio ivelany ohatry ny fasana hoy isika. :-D
8. Bita ( 02/08/2008 13:44)
Izay handraisanareo ny teny iray no dikany fa @ Gasy dia hoe tsy misy filaminany sy tsy misy manara-dalana ary miampy ireo hoe trano na toerana fitadiavana ireny makorelina ireny koa...... Ka mitovy ihany izany hoe any tsy misy fanaran-dalana fa dia miaina fianana BORDEL izany e!
9. rinakely1 ( 05/08/2008 19:56)
bordel = korontana, voretra, tsy mivaky loha sns
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2946