lay fay

1. menatra ( 28/07/2008 08:34)
fahatsiarovako olona iray efa maty
novalian'i ni81 ny 28/07/2008 10:38
2. ni81 ( 28/07/2008 08:35)
iza no manao ilay hira?
3. menatra ( 28/07/2008 10:32)
i vahines ,na feonanjelin'ny manjakaray no mihira azy


4. ni81 ( 28/07/2008 10:38)
FAY

Be ny ditra natao
Ifonàko aminao
Fa tsy hoaveriko intsony
amin''ny ho avy
Neny malala ô
Ka mifona aminao ity zanakao
Ary tsy hanin-droa
Fa tena fay tokoa
Ka tsy hamerina intsony
Ny hadalana izay nigagana
Ka nandao anareo ity zanakareo

Nahatsiaro fa nania izay natao
Satria nanenjika ahy ny fakam-panahy
Namaivay
Nahatsapa fa nandà ny anatrao
Fa tsipak'ombalahy no nahavoa ahy
Hany ka fay

Taitran'ny rendrarendra
Tanora moa ny tena
Ka tsy nahatohitra firy
Ny fandrosoana izay nisavoana
Ka nandao anareo ity zanakareo
nanao ditra tokoa
Nefa fay izao fa voa
Ka tsy hamerina intsony
ny hadalana
Dada malala ô
Ka mivalo aminao ity zanakao.

Nahatsiaro fa nania izay natao
Satria nanenjika ahy ny fakam-panahy
Namaivay
Nahatsapa fa nandà ny anatrao
Fa tsipak'ombalahy no nahavoa ahy
Hany ka fay

NY VAHINE
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 6.3477