hay hay hay fihaonam be

1. fijo ( 25/07/2008 18:47)
"Taratasin’ny Mpamaky
Fiangonana mandrava didy folo
vendredi 25 juillet 2008
Imprimer cet article Enregistrer au format PDF envoyer l'article par mail title=

« Miantso ireo mpitondra fivavahana rehetra Fiangonana iray, manana ny foto-pampianarana hoe « Rava ny didy folo sy ny lalàn’i Mosesy », manana ny foibeny eny Ambohidrapeto Itaosy, no nanao antso ho fanasana an’ireo mpitondra fivavahana izay mitandrina na mampitandrina izany didy folo sy ny lalàn’i Mosesy izany, ho tonga hanao ady hevitra ao amin’ny onjam-peon’izy ireo , dia ny radio HFF,97.2 Fm, ny alahady faha 27 ny volana jolay ho avy io, izay hanomboka amin’ny 8 ora alina.

Re tao amin’ity onjam-peo 97.2 Fm ity mantsy ny antso nataon’ny mpitondra tao amin’ity fiangonana ity, dia ny « Episkopo Samuelson Edouard », fa mahafaty sy mampivarina any amin’ny helo (afobe) ny fitandremana ity « didy folon’Andriamanitra ity ». Manao antso ihany koa ny tenany ho an’ny mpitondra fanjakana malagasy, sy ireo manamboninahitra sivily sy miaramila eto amin’ny tany sy ny firenena, mba hiaino izany famelabelarana ara-tsoratra masina ao amin’ny onjam-peo 97.2 FM izany. Mila izany ny firenena, hoy izy.

Aleo, hoy ihany ity mpanompon’Andriamanitra ity, mba ho hitan’ny vahoaka ny tena fahamarinan’ny tenin’Andriamanitra. Izany no antony nanaovany ity fanasana ho an’ny mpitondra fivavahana mandala ny didy folo ity. Fiangonana miisa 12 eo ho eo moa no efa nandefasana ary nahazo izany fanasana izany.

Hafakely indray ity indray mitoraka ity, satria raha « fifanetrehana ara-politika » no matetika hita amin’ny fahitalavitra sy any amin’ny onjam-peo, dia tsy izany kosa amin’ity indray mandeha ity, fa « fifanetrehan’ny mpitondra fivavahana samy manana ny ny foto-pampianarany ». Ny andaniny mandrava didy folo, ary ny ankilany kosa mitandrina ny didy folo. Ho hita eo tokoa izay tena marina amin’izy ity. Ny mahalasa saina amin’izy ity, ary betsaka no mametraka fanontaniana, dia maninona tokoa moa no lazaina fa tsy ilaina intsony ny didy folo e ? Didin’Andriamanitra io, ka maninona no ravàna ? Tsy anjaranay no mamaly an’io, fa ho hita eo ny valin’izay amin’io alahady alina io. Ny hirariana dia ny ahatongavan’ireo mpitondra fivavahana hanatrika ity fifanetrehana atao ao amin’ny onjam-peo 97.2 Fm ity, fa raha tsy izany dia tsy hiady ny baolina. Koa miandry anareo ny malagasy mangetaheta fahamarinana, ry mpitondra fivavahana o ! Aiza no tena misy ny marina mankany amin’izany lanitra izany e ? Eo am-pelatananareo mpitondra fivavahana ny valin’izay, ka dia manantena valiny mahafa-po avy aminareo Tompoko.

Izay mahery izany mankany an-danitra amin’izy ity, fa izay osa ho any amin’ny helo ??? »
novalian'i fijo ny 13/08/2008 22:25
2. badboy ( 25/07/2008 18:57)
Alefaso eto koa ny fanohanany ilay heviny raha vao azonla rafijo mba hijerena ny fitombiny!;-) ;-) ;-)
3. fijo ( 25/07/2008 19:41)
miandry mihintsy aho io ka,vao mahazo vaovao aho dia alefako eto,fa ny antsika aloha izao no handrasana.
4. rakaroka ( 25/07/2008 19:57)
Vaovao mampanao an'izao :{ :{ :{ koa 'ty vao2nao Ra-fijo. Ny fianana efa sarotra 8O :oops: :oops: :? :-w :-w :-w Mbô mila "zavatra ilampiany
anie ny olona. 'zaho rehefa miresaka tsy manao hoe tsia fotsiny fa mbô aroso koa en même temps ny "hitsiny" hampandry ny fo amam-panahin'ny olona. Heu... :-$ Izany hoe "Na inon-kidona e => hijoro hatrany" hoy ny hira...
eo am-piandrasana ny suspens-nao 8O
5. fijo ( 25/07/2008 20:07)
tsy vaovaoko io ka,mampita fotsiny aho.satria sambany izao vao nisy izany hoe kristianina manda ny didy folo izany.
6. ikaretsaka ( 25/07/2008 20:41)
aoka le
7. cutie ( 25/07/2008 23:47)
za koa miandry :)
8. rijadolly ( 26/07/2008 05:03)
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=MATIO&toko=5&andininy=17-17&dika= sahy koa r zareo zany fijo an!tonga dia manohitra ara-bakiteny nefa inoako fa Kristianina izireo ô! sa diso a?namadika ilay onjam-peo io mantsy za de tsy nahazo ilay radio keliko :cry: :oops: :oops: :oops:

Tokony tsy ho tara amin\'hevitra anefa isika eto amin\'serasera ra amiko manokana,na ny mpino izany na ny tsy mpino satria izay fampitana hevitra izay no tanjona voalohany ilaina ny toy itony.

Ny lalàna amiko manokana dia manankery tokoa na lalàna inona izany na lalàna inona.Misy fomba telo anefa ny entina manalefaka io heriny io.
1) Tsy fantatro hoe misy lalàna tahaka izao( oh: Aza mangala-badin\'olona) dia nataoko satria izay no hitako fa nety tamin\'ny fiainako.(mbola eo amboninao ilay lalàna nefa)
2) Fantatro fa misy lalà,a oh zao nefa tsy rarahako izany,ary maty mihitsy ny heritreritro mitondra ny vadin\'olona eny an-dàlana(mbola eo amboninao ihany ilay lalàna fa miandry ny hilatsahany fotsiny)
3) Fantatro ilay lalàna ary arahiko sy efa masaka tsara ary tatanan\'fanahin\'Andriamanitra aho tsy hanao izany.
Somary hazavaiko kely ilay faha telo farany: ao am-baniko ilay lalàna amin\'izay satria tsy manan-kery amiko,Tsy hafaka manenjika ahy na ara-moraly na araky ny lalàna.Eny mety tsy tsaroiko oh ny hoe: sao tsy manao pataloha ary za zany ilay lalàna.
FEHINY :Ny hery no azonao ho fohanana fa tsy ilay Lalàna akory.

Alefao ny hevitsika fa tsy tokony ho tara anie isika eto e! sa ahoana ry hery ?ary misaotra an\'zoky Fijo nampita vaovao é!(l) (l) (l) :-*
9. rijadolly ( 26/07/2008 05:23)
http://www.baiboly.org/toko.asp?boky=GALATIANA&toko=5&andininy=18-18&dika=asv-ls-web =D> =D> =D> =D> ^:^ Voninahitra ho an'Andriamanitra sy Jesoa Kristy zananany ^:^ Amena tena Amena an!
10. rakaroka ( 26/07/2008 05:58)
Tsy hitako akory izay tian'i Rijadolly ahatongavana amin'ny hoe "jereo eto"
dia "liens" ny baiboly malagasy efa tsy vaovao intsony :roll: :roll: :roll: 8O
11. rijadolly ( 26/07/2008 06:18)
Tsy azoko ihany koa izay tian'Rakaroka tenenina :oops:
12. hery ( 26/07/2008 06:33)
Fa inona aloha ilay didy folo?

http://baiboly.katolika.org/boky/Detoronomy/5:6-18 no hitako ao amin'ny baiboly.

Toa lalàna moraly fahita amin'ny lalàna sivily ny ankamaroan'ny ao.
- Aza mangalatra - Aza mamono olona - Aza mijangajanga etc.

Ka te hanao an'ireo ve no tanjona?

Angamba kosa ny tiandry zareo tenenina dia hoe mandà an'ilay fanarahana anjambany ny didy folo. Io indray dia na i Kristy aza dia efa nanazava azy hoe "Ny fitsinjovana ny olona no mandeha aloha"... ny fitiavana no alohan'ny lalàna... ary raha lalàna tsy mitondra amin'ny fitiavana dia tsy lalàna akory.
13. rakaroka ( 26/07/2008 06:55)
Ouf! Mahabe fanantenana indray raha ny nolazain'i Hery ity. Eny wà "ajustement" amin'ny fiainana sy fampiasa ny teny fa tsy hoe sanatria "anté-Christ" rizareo. Fa dia mahafinaritra ny hoe misy Xtiana
vaovao izany e :wink:
14. badboy ( 26/07/2008 07:29)
Aleo andrasana ilay tatitr'i fijo de hita eo inona marina ny tiany hatongavana!
15. rijadolly ( 26/07/2008 09:31)
hery:
\"Ny fitsinjovana ny olona no mandeha aloha\"... ny fitiavana no alohan\'ny lalàna...
Marina tokoa zany hery an! tsy misy marina angamba lalàna tsy hitsonjovana ny hafa ô!
Fa eto indray ry hery dia misy tsy azoko kely fotsiny
Toa lalàna moraly fahita amin\'ny lalàna sivily ny ankamaroan\'ny ao.
- Aza mangalatra - Aza mamono olona - Aza mijangajanga etc.

Ka te hanao an\'ireo ve no tanjona?

Angamba kosa ny tiandry zareo tenenina dia hoe mandà an\'ilay fanarahana anjambany ny didy folo.
Ilay manaraka anjambany mihitsy angamba no tsy azoko,nefa azoko ny tanjon\'ilay fanontanian\'hery io fa \"tsia\" ny valiny.
16. jentilisa ( 26/07/2008 13:36)
Te-halaza mafy izany ilay rangahy io e! sasatry ny miantso olona izy. ef aniantso an'i PST Mailhol izy... fa any amin'ny radiony hatrany no tiany hanaovana izany. Ny tena marina mba manao izay hitazonana mafy ny mpânaraka ny fivavahany izy. Tiany porofoina fa tsy misy sahy miady hevitra aminy amin'io resaka io. Izay ihany.
17. fijo ( 26/07/2008 20:03)
tsy hoe miandry ny tatitra avy aty amiko ihany ka,miandry daholo isika eto.
fa rah aio lazain'i hery io aloha,dia tena mitady kil marina lery ka manao izay hisarihan any sain'ny mpanaraka aminy fotsiny.
18. SHOAN ( 06/08/2008 18:55)
:?: :?: :?: :?: :?: :?: :?: :?:
19. fijo ( 06/08/2008 21:42)
tsy mbola hita ny tohiny ry zareo an
20. ikaretsaka ( 06/08/2008 22:41)
jentilisa:

Te-halaza mafy izany ilay rangahy io e! sasatry ny miantso olona izy. ef aniantso an'i PST Mailhol izy... fa any amin'ny radiony hatrany no tiany hanaovana izany. Ny tena marina mba manao izay hitazonana mafy ny mpânaraka ny fivavahany izy. Tiany porofoina fa tsy misy sahy miady hevitra aminy amin'io resaka io. Izay ihany.



dia ny fandravana ny didy 10 ve no hoe hampalaza azy...
sao ysu fibabahana intsony iznay ro tanjona fa fitia te halaza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1222