Nodimandry ny lehiben'ny Antoko Leader Fanilo

21. rakaroka ( 26/07/2008 09:28)
[quote=tsimati]
Angaha afaka hanohy ny tolony sy ny heviny raha tsy olona mitovy ahavo fijery sahala aminy. Izay no mahatonga hoe rehefa lasana dia taraiky eo ny hevitra ary very mihintsy aza.


Hoy i Dox : "to tapahintsika toy amintsika ve ny maty fa variana miaina isika?...
- Tsia fa tsapantsika anaty ny fitohizantsika aminy!...

Raha marina ny teninao eto dia tsy ho nisy ireny karazana taranaka na vondrona isan-karazany mamelo-maso ny nipoirany ireny! Ary maro eo amin'ny "structure vahiny aza no ahatarafana fanohizana "tsangan-krevitra tsapa fa tokony hanana raison d'être. Dia ny karazana tlona isan-karazany:
na @ fanavankavahana io, sns....
Velona ianao tsy tafavoaka koa ny manaraka ve ho tafavoaka. Sarotra ihany izany.
.
Raha ny filazanao ity dia tsy lanja miakatra ny fiainana. Matoa hoe "izay "adala no toa an-drainy!". Nisy idée t@ i Dada tohizan'ny zanany maro, hatsarainy aza ary justemnt be no lasa lavitra nihoatra ny rainy t@ izany!

22. rakaroka ( 26/07/2008 09:33)
Azafady @ tsipelina diso : "Tohy" fa tsy "toy" @ hoe
" Ho tapahintsika tohy amintsika ve ny maty"
dia
tolona fa tsy tlona : tolona isan-karazany!
23. tsimati ( 26/07/2008 09:50)
Azamiresaka vahiny aloha fa Malagasy izao no miresaka ary tsy tokatrany fa firenena no resaka eto. Ny any antokatrano dia adala no toa an-drainy hoy ianao saingy ho an'ireo manana ray reraka dia mahavita avo kokoa ny zanany nefa kosa ho an'ireo manana ray matanjaka ara-tsaina sy ara-harena dia matetika mitotongana ary very ny zanaka mihoatra ny vitan'ny ray.
Ato amin'ny sehatra politika isiaka ka tsara no hilazana fa ireo mpanohatra hay anarana rehetra tsisy tafavoaka fa namono - tena noho izany miandry ireo fara sy dimby hafa tokoa.
24. rakaroka ( 26/07/2008 12:48)
[quote=tsimati]
Azamiresaka vahiny aloha fa Malagasy izao no miresaka ary tsy tokatrany fa firenena no resaka eto.
:-$
Raha izao ny fitodiky ny resaka, dia tsy forum intsony fa "commntaire dirigé".
Fa
Azoko ihany ny hakiviana @ havitsian'ny olo-manga sahy hijoro!

Ny any antokatrano dia adala no toa an-drainy hoy ianao saingy ho an'ireo manana ray reraka dia mahavita avo kokoa ny zanany nefa kosa ho an'ireo manana ray matanjaka ara-tsaina sy ara-harena dia matetika mitotongana ary very ny zanaka mihoatra ny vitan'ny ray.


Tsy diso tokoa ny fanamarihanao eo @ sehatra gasy ihany fa ohatran-dry Bush izao sy ny hafa...lasa presidà izy!

25. tsimati ( 26/07/2008 12:52)
Ka azo raisina amin'ny ohatra Gasy ve le izy. Ahoana daholo ny zanaka Prezida Gasy nifandimby ? Mety ho lasa Prezida daholo an ? Andfay izany no jerena taratra ao Madagasikara sa ny zavamisy ao ?
26. Sambilokely ( 26/07/2008 14:41)
Zao ange oa le oe maty vao ramalala e!! mba ialao ny fiatsarambelatsihy ry zareo a!! Vao tsy ampy 3 volana talohan'ny nahafatesany izy nilaza hevitra ary nangataka ny mba hiteny am haino aman-jerim-panjakana fa tsy nahazo satria lazaina fa mpanao hevitra botolo sy mpikatsaka seza fotsiny! Lasa izy vao mody oe mahay e, tsy botolo e, avo fijery e!! Ny malagasy hafa iany, mahay manafina loto. Mbola tadidinareo ve ny zavatra nolazainareo raha niteny izy fa tsara kokoa raha ahemotra io fandraisana ny fivorian'ny UA io fa mbola marefo ny toe-karena??
27. tsimati ( 26/07/2008 17:16)
Mety diso ihany ianao satria tsy ny olona nandrara azy angamba ireo tompon'andraikitry ny Serasera ireo. Manana ny fironany ny ato amin'ny Serasera raha ny fijerinay azy ary tsy tarika mpitondra fanjakana ireo akory. Tandremo ny akamanao ihany no dominao. Ankoatr'izay fomba Malagasy koa ny hoe "tsy miady amam-paty".
28. fijo ( 26/07/2008 19:58)
za koa manaiky fa mila ampianarina ny gasy ahay hanakatra ny hevitra mandeha,fa rah ambola maro ny gasy tsy dia mahay sy hafak amanadihady dia mbola ny tefimaika sy fanoherana bontolo no misy sy hisy ao.
29. yonikafopl ( 26/07/2008 20:00)
Za kou kalou de mba tohina ihany nahita ny vaovao tam express androany eeee, za tsy tia politika , indrindra ny politika gasy, fa iny rangah iny no mba hitako ho nijoro hatrany tamin'ny heviny, tsy we nahazo seza dia mangina otran hafa satria izay no notadiavina, fa ny azy rehefa hitany fa misy raha tsy mazava dia naleony nametra-pialana , ary naleony nanda mihintsy aza ny seza saika hatolotry ny mpitondra azy.ary mitovy hevitra am ravato za we ny mpanohitr aamzao toa tsy hitako izay hahasolo ny toerany.
Mirary fiononana ho an'ny fianankaviany.
30. tsimati ( 27/07/2008 06:33)
Ilay midokadoka kosa aloha tsy mety na efa lasa any ankoatra aza ilay olona. Raha mahafantatra olona mpiasan'ny ministeran'ny Industrie et Tourisme izay nolalovany ianao dia anontanio fa be mampiomehy koa ny nataony sy ny fametrahany leader tsy mahalala inoninona notendreny Directeur eran'ny Minstera hoy ry zalahy. Na manantsaina izy tsy midika fa naharaka ny sainy ny manodidina azy tao amin'ny antokony ka afaka milaza fa nety daholo ny nataony. Raha izay dia tonga tokoa le hoe maty ramalala.
Ato amin'ny sehatra politika moa ity fa tsy resaka famangiana manjo fotsiny ihany koa miala tsiny. Ny fomba fisainana sy fihetsikin'ny Malagasy iray manontolo no mitondra ny fivoarany ka izayhampiakarana ny fahaizan'ny maro an'isa mandinika sy mamakafaka ary mitsinjo ny hiafaran'ny safidy ataony no tokony hiarahan'ny misy saina manao.
Raha finaritra ny mahaibe nefa tsy zakan'ny olona mirefarefa dia eo mirefarefa eo ihany ny firenena.
31. ravatorano ( 28/07/2008 05:36)
Marina fa nanendry mpiara miasa aminy tao amin'ny antokony izy tamin'ny ministera niandreketany toy ny atao na nataon 'ireo mpitondra izay nifanesy teto ary ita fa mbola tohizan ny mobla eo amin'ny fitondrana.
Eto dia tsy fandokafana an'Ingahy Herizo Razafimahaleo mihitsy fa fampahalalana ny zava nisy nitranga sy niainany fotsiny.
Marina koa fa samy manana ny fironany amin'ny hevitra na ara politika io na amin' ny zavatra hafa saingy tsy izay lazaina fa mifanohatra amin' ny fironana amin ny mpitondra amizao dia lazaina fa bontolo.
Amiko dia mpanohitra amin'ny hevitra tsy mila fidinana andalam-be izy ary izay no noilazaiko hoe mataotra ny tenako fa tsy hisy mpanohitra hanana fihetsika sy fomba fitondrana ny fanoherana amin' ireo milaza azy fa mpanohitra ireo
32. tsimati ( 28/07/2008 15:26)
Mataotrabe ve ? Tena tezitra mihintsy ry zokibe raha ataonao bontolo izany. nefa olonkendry no heviriny tokony fiantsoana azy.
33. kidoropamba ( 29/07/2008 10:02)
Mpivarondronono lasa filohampirenena. Tsy be diplaoma fa mahay manao afera. Tsy mpanao politika fa be talenta amina fikafika. mpanao varoboba firenena mba hampandrosoina ny gasy kamo be tenda. Tsy nahita vola ny MAP fa ny fandrosoana dia Mitohy.

Ravalomanana hatrany! na ino-kitranga, na ino-kidona.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
34. tsimati ( 29/07/2008 14:20)
Tsy hevitra motraka sy manimba sain'i kidoropamba no hiarivan'ny Malagasy ny ho aviny sy hiafiany angamba. Na iza na iza mpitondra mpandainga izay mahavaha an'io raha mbola ny fisainana sy fiasan'ny mpanao politika gasy no matanjaka. Resaka hoditr'akondro sy maloto no tena hain'ny mpanao politika Gasy ary voalohany amin'izany ny mpanohitra gaigilahy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1606