Fahalasanan'i Herizo Razafimahaleo

1. hery ( 25/07/2008 07:04)
Hafatra voaray tao @ http://groups.yahoo.com/group/serasera
----
Miarahaba,

Amin'ny alahelo lehibe no hampandrenesana antsika ny fahalasan'i Herizo Razafimahaleo filoha mpitarika ny antoko Leader Fanilo omaly alina. Misaotra antsika sahady izay efa nankahery, feno loatra ny alahelo ka enga anie Andriamanitra hanamaivana an'izany

Eric Rajaona
Mpitarika ny fikambanana Andafy Maheri
novalian'i tsimati ny 26/07/2008 17:19
2. tsimati ( 25/07/2008 07:46)
Mamangy ny fahoriana tompoko ooo
3. fijo ( 25/07/2008 19:20)
mamangy amin'ny fahoriana,satria mpitondra hevitra iray lehibe no lasa.
4. tsimati ( 26/07/2008 01:06)
Mpitondra hevitra iray lehibe angamba saingy tsy zakan'ny fiarahamonina zatra ny hevitra tsotsotra sy maimaika. Noho izany ny fianakaviana sy ny iray antoko aminy no tena vesaran'ny fahoriana. Miala tsiny fa ato amin'ny sehatra politika ity ka mihitatra politika hatrany fa tsy mijanona amin'ny fifamangiana fotsiny. Ny hevitra na tsara sy lehibe aza raha tsy voatrandraky ny fiarahamonina dia mazava fa lasa tantara ihany.
5. Sambilokely ( 26/07/2008 14:23)
tsimati>> tsy zakan'ny olona ve sa tena notapenam-bava izy de tsy afaka tena naneho hevitra malalaka? Moa ve izy navela hiteny tao am TVM indray andro izay? za mahita fa mora azo ny hevitra tiany hambara fa ny amboa kely isany no matahotra ny liona mierona de mivovo mandroaka mpandalo.
6. tsimati ( 26/07/2008 17:19)
badboy hanontaniana ilay hoe tsy zakan'ny olona fa izy no nivoy ny hevitra USA sy ny hevitra Frantsay dia norangitiko fotsiny. F'angaha tsisy afatsy ny TVM ry naika a ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3723