fomba fiteny

1. diamondra27 ( 23/07/2008 12:33)
Misy afaka miteny eto ve we na an-kafaliana na an-karatsiana ny fomba fiteny rehefa misy zava-miseho
mba te-hampita izany amin'ny ankizy fa nanadino e , sasatsasany ihany no tadidy

ohatra we
refa misy terabao dia tenenina hoe: nomen'Atra ny fara
refe misy maty dia aza misosok'alahelo
refa misy natao fiforana?
mila famangiana ve refa misy manao famadihana?
de inon koa

novalian'i ar16 ny 08/02/2016 03:20
2. diamondra27 ( 23/07/2008 12:34)
mba te hahalala izany we inona avy ny adidiy misy any amintsika dago any ka ilaina famangiana sy inona ny fomba hitenenana azy.
3. Mandefitra ( 23/07/2008 13:15)
famorana : arahaba ririnina e, samy vita e
famadihana : toa kao-drazana no fanome refa voaasa ianao, fa ny fiteny tsy haiko, toa efa ela tsy nanatrika famadihana zany.

Fa le fahafatesana kosa aloha teny farany monja io aza misosok'alahelo io ko.
Tokony any @ kabary malagasy zao no misy an'ireo rehetra ireo, saingy tsy mahita site mba tena mitahiry an ireny za. Za ko mantsy mba te hianatra kabary
4. ari.malala ( 23/07/2008 13:18)
refa misy zaza atao hasoavana d miarahaba indry hoe arahaba ririnina d mamaly ny arahabaina hoe samy vita, d miteny nray ndry hoe aza ela fery d misaotra oziz d refa mis fahoriana d mamangy am fahoriana alou zay vo aza misosoka alahelo tsony. Refa misy famadihana toa misy zavatra tenenina refa manatitra ilay kaodrazana fa tsy haiko ilay izy, za tsy mamonjy anireny tsin fa ts mba tia :°) ny an'ny tera-bao mou d nomen'Andriamanitra ny fara d azondry ampina hoe maroroha ny taiza
5. ikalamako ( 23/07/2008 13:24)
Raha misy teraka : manatitra ro-patsa dia "miarahaba fa nomen'Andriamanitra ny fara"

Raha misy famadihana dia manatitra "kao-drazana" ary miletra vary be menaka :^)

Raha tonga ny fetim-pirenena dia miarahaba "tratry ny asaramanitra", izay teny ilazana ny fandroana malagasy, ary ny fandroana dia andro lehibe azo lazaina ho fetim-pirenena tamin'ny andron'ny faha-mpanjaka.

Rehefa faran'ny taona sy Noely dia manatitra "solombodiakoho" ho an'ny ray aman-dreny akaiky (dadabe sy bebe, ray sy reny raha tsy ao aminy intsony, dadatoa sy nenitoa).

Raha misy fahoriana dia tonga "hitsapa alahelo" raha toa ka mbola tsy hanao ny tena famangiana fa hanotrona ny fianakaviana fotsiny aloha raha vantany vao mahare ny vaovao ratsy (tsy misy vola entina eo). Raha tsy izany dia tonga "Mamangy amin'ny fahoriana" ka manatitra ny "fao-dranomaso", na koa "solon-tsosoa" na "ranombary tsy masaka" raha mbola am-bohitra ny razana. Raha efa vita kosa ny fandevenana vao tonga mamangy dia mitondra ny "rambondamba" na "kofehy" na "solon-kofehy" na "zara levenana".

Ny amin'ny famorana re no tsy haiko :roll:
6. diamondra27 ( 23/07/2008 13:24)
ok merci anareo dahy

de refa misy atao batisa , kominio sns de aona ny fiteny

refa misy marary de aona

7. ikalamako ( 23/07/2008 13:40)
batisa/batemy , komonio voalohany, mariazy, sns dia tso-drano no aterina. Dia mirary soa haharitra h@ farany.
Rehefa misy marary dia inn tokoa moa no atao. Mitondra voankazo na izay mba voarimbon'ny tanana, dia mirary "hitombo fahasalamana"
Sa ahoana r'ireto ? :oops:
8. ni81 ( 23/07/2008 15:52)
Rehefa misy marary dia inn tokoa moa no atao. Mitondra voankazo na izay mba voarimbon'ny tanana, dia mirary "hitombo fahasalamana"
Sa ahoana r'ireto ?
Mirary fahasalamana dia ity mba misy hanalàna ngidim-bava e! :) raha toa ka voankazo, ary raha tsy nitondra voankazo moa dia hoe: ity mba amidio izay tsaroan'ny vava e!
9. xxx ( 23/07/2008 16:17)
rehefa batsia sy kominio voalohany otran'izany dia hoe miarahaba fa nahazo fahasoavana
10. fahamarinana ( 23/07/2008 18:42)
:arrow: hono oah ry reto,ilay kao-drazana mbola tsy henoko fa efa henoko ndray hoe fao-drazana ,sa diso be aho ??? sa moa fao-dranomaso ?? tsy tsaroako tsony.. :( . (l)
11. ni81 ( 23/07/2008 18:52)
hono oah ry reto,ilay kao-drazana mbola tsy henoko fa efa henoko ndray hoe fao-drazana ,sa diso be aho ??? sa moa fao-dranomaso ?? tsy tsaroako tsony.. .
kao-drazana no fiteny e! ary fao-dranomaso rehefa misy maty
12. fahamarinana ( 23/07/2008 19:00)
:arrow: ah ok ! misaotra akia ni81 ,tena nifandiso be tokotry e.. (l)
13. ikalamako ( 23/07/2008 19:50)
"fao-dranomaso ho an'ny velona", ie
14. diamondra27 ( 24/07/2008 05:48)
fahamarinana : injay aza ny andry saika hiteniteny foana teo :oops: :oops:
misaotra anareo rehetra nanome sopapa e

le solombodiakoho izao tena adino tanteraka noho ny elanelan-tany misy ny RAD , nefa mety avadika vola koa ve iny sa tena le vodiakoho amamborona mihintsy no ilaina?

de ahoana rehefa misy raisina mpandray na natokana pasitera na frere(mompera). Ny voalazako izao dia hoe arahabaina dia mahareta hatramin'ny farany> Ilay arahaba tsy hay we arahaba ahoana mba ialana amin'ilay fitenenana sao dia diso :oops: :oops: :oops:

any madagasikara ve mba misy manao fety toy ny ataon'ny vazah aty rehefa nahatsangana trano na nahavidy trano, dia manasa ny namany sy ny havany ; dia ho an'ny invite inona no ho lazaina?
15. ni81 ( 24/07/2008 06:05)
Ilay raisina mpandray, pasitera, frera, mopera sns... dia atao hoe arahabaina dia mahareta hatramin'ny farany.

any madagasikara ve mba misy manao fety toy ny ataon'ny vazah aty rehefa nahatsangana trano na nahavidy trano, dia manasa ny namany sy ny havany ; dia ho an'ny invite inona no ho lazaina?
Misy manao fety any rehefa tafatsangana ny trano na hanomboka hipetraka ao. Fa toa tsy tena misy fiarahabana manokana fa toa hoe arahabaina fa vita soa amantsara angaha :lol: :lol:
16. ari.malala ( 24/07/2008 06:43)
rehefa mandray fahasoavana raisina mpandray, komonio voalohany katekomena sns na atokana no pasitera, mompera, manao voady na mompera na frera na masera d arahabaina nahazo fahasoavana d mahareta hatram farany. Ilay manao trano aloha toa ts misy e! Momba ilay hoe solom-bodiakoho, azo atao vola iny ka izay no maha solom-bodiakoho azy, fa raha mahandro indry d ny vodiny mints no omena ny RAD
17. haritianah ( 24/07/2008 07:17)
tena io mits no lazaina refa hamangy olona mamadika ka:
"tonga zahay hanatitra kaodrana @ zao raharaha ataonareo zao"
Raha nahazo fahasoavana tany ampiangonana indray(batemy,kominio sns..) dé mis mitekoa ny oé
"arabaina nandray fahasoavan'andriamanitra"
Anangana trano,trano vita, mahazo zvtr ngezangeza(tomobilina, nahatsangana orinasa kely,sns..): tena isany mbola mankafy an'io ny gasy ary atram zay mits io, asa raha tadidinareo lé oé Anao JORON trano(joroan'ny gasy ny trano alohan"ny anaganana azy na ny an'ny sasany refa vita) lé owé jorona eto dé lé oé anaovana fety fa ts joro zvtr hafa.Fety bé talou fa taty aoriana efa ts olona rehetra no asaina fa zé tena akaiky.
Tsy io vé lé fanaontsika oé arozazy é, refa mis zvtr azo dia vorivoriana eo alou zé olona akaiky anao izarana hafaliana sy ahazoana firariantsoa.
Juste miarahaba lé olona "arabaina fa nahavita dingana iray"
18. fahamarinana ( 24/07/2008 10:33)
:arrow: ny efa henoko koa rehefa raisina mpandray,mpiandry,dia hoe "mahereza ao amin'ny Tompo " .Ny pastera sy mompera indray dia tsy haiko loatra... (l)
19. Mandefitra ( 24/07/2008 11:20)
rehefa mamangy fahoriana
* ka mbola eo ambohitra ny razana de hoe:
mitondra zay voatsirambin 'ny tanana ho singan-dandy ampombaina ny maty ary solon-dranom-bary tsy masaka ho an'ny velona.
* Fa raha efa voalevina de hoe fao-dranomaso ...

Fa misy fiteny mahatsikaiky kely hoe : ny foza no mioriram-pandeha hono, tsoy loza tsy atambo fa dian'ny teo aloha ka arahina ...

Raha Pastera sy Mopea ve tsy hoe mahereza be @ asan'ny Tompo sa?
20. diamondra27 ( 25/07/2008 13:33)
mazava zany ny amin'iny fa zao ndray no tiana ho fantatra , aty am frantsay rehefa hanao audition am theatre hono de tsy tenenina we bonne chance fa ny an'ny gasy zany dia mirary soa io foana tsy maninona ve?

rehefa hanao entretien am patron na hanala fanadinana ohatra de miteny we mahavita soa e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3207