Mifankatia nefa tsy mifanaraka..hevitrareo

21. Bola ( 26/07/2008 02:26)
ari.malala:

zany refa miady fa tena vava ts vava, fa afaka 2 minitra iany d'efa otran ts nisy in'in teo d korana be! sambatra iany alou zareo tsy mitana an-dolom-po e! :roll: :roll:

za toa tsy mahay an izany @ fifandraisana hoe vava tsy vava miady izany...fijo: tsy hoe manao lalina fa ilay fiadanana mihitsy no mampilamina ahy kokoa...Miady izany fa na izany aza mahay miresaka e...Mandamina izany fa tsy miady...Asa nefa fa za nailay mahita ireny miady ireny tena tsy mety amiko fa lasa za no marary fo...:cry: Za mila mandamina foana ka resaka no hanaovana azy ...
Fa raha misy mpivady miady ka sambatra dia izay angamba no mampifanaraka azy e...Fa retsy nisaraka nolazaiko iretsy matoa zany nisaraka indray mety tsy ao @ io categorie io..sa diso fijery za...Sarotra e...Za toa tsy mety miala @ ilay hoe rehefa mifankatia dia mahay mifanaraka, mifampizaka, mifampandefitra, vonona hifamela ary ny fiadanana ao @ tokantrano no important no ho ny hoe iza no marina na iza no diso. Aleo izany mahazo fom-bady toy izay mandresy fifandirana dia inona...Hoe marina ny ahy dia ahoana...Raha mandefitra nefa ka tsy mampidi doza mazava ho azy ilay lazain ilay iray na ataony dia tsy aleo mandefitra! Fa io mety rehefa samy manao fa tsy ny ankilany ihany koa nefa..rehefa samy mandefitra milamina foana...sa ahoana...
22. diamondra27 ( 26/07/2008 07:16)
Bola: ka ry zareo anie wa mifankatia nefa miady foana tsy mifankafoy,
azavaiko dia lazao azy ireo hoe: zao ny fandehany: rehefa misy distance = samy any amin'ny misy azy avy any dia mahatsiaro manky an'ilay olona 1, dia mande ny resaka tel , sms, mail milaza zao retra retra zao na dia we resaka simple tsotra aza dia mahafaly ilay izy, satria mahatsiaro we mi s'oqp anao ilay olona , akaikinao foana izy na dia lavitra aza fa rehefa tafaray trano dia eo amin'izay ilay tsy fitovizana amin'ny zavatra kely foana dia samy tsy te hanao 1 er pas sy hifamela fa samy manao mafy loha dia lasa miady , na koa we ny 1 foana no mandefitra de farany izy leo nefa ilay fitiavana ao aminy, very izany ilay image tonga lafatra am le parole azo am alalan'ny fifandraisana tel sms sns satria tao anatin'iny ianao dia mahita vision we otran'izao ity ol ity , nefa ny realite tsy mitovy mihintsy amin'ny avoakan'ny vavany de misy hakiviana ao de iny mitarika ilay disadisailay fandisoampanatenana
Tian'ilay olona mouler-na izany ilay fifandraisandry zareo nefa ilay izy tsy mety rehefa tafaraka, dia izay ilay mahatonga ahy miteny we tokony hanaiky ho mpinamana , complice fa tsy ho mpifankatia.
23. fijo ( 26/07/2008 19:50)
bola,arakaraky ny olona io ka.misy tsy tia korontana izany,toa ahy,misy tena tsy mety rah atsy migidragidra lava.
24. Bola ( 27/07/2008 02:31)
fijo:

misy tena tsy mety rah atsy migidragidra lava.

lalina mihitsy io...Aleo miadana fijo a...Ny ahy koa izay no tiako!
Izany no hitako @ ireto ankizy ireto nisaraka ireto, fara faharatsiny tsy misy gidragidra intsony na dia mitaraina malahelo lava aza ity iray...Aleoko mihaino azy mitaraina malahelo toy izay mahitan dreo miady sy mitaraina momba izay ady any...Samy mampalahelo na ilay ady na ilay malahelo fa misaraka (satria dia tsy mety miaraka @ olon kafa izy na dia efa io nisaraka io aza...Kanefa mba misy fiadanana fara faharatsiny izao misaraka izao! Angamba koa rehefa lasa manambady ilay ray dia mba ho tapakevitra handeha ihany ity ankizy mitaraina ity...Izay no tsy handriko satria toy ny nolazain i Diamondra: hita fa tena tsy mahay mifampizaka ry zareo, ary izy roa mihitsy tena mafy loha, tsy mifandefitra...Raha atao ilay teneni fijo hoe marto sy fantsika indray...hoe tena mifankatia ireo ka izay no tsy hiarahan dreo @ olon kafa ...dia tsy haiko e...Raha mifampody ireo any aoriana any ka mbola samy mafy loha dia gidragidra ihany angamba ka dia asa re...



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0071