Ravitoto sy voanjo

1. ni81 ( 20/07/2008 06:32)
Zavatra ilaina:
-ravitoto
- voanjo manta 200g
- tongolo lay
- sira
- menaka
- rano
Alaina ny ravitoto dia asiana rano mahadifotra azy, ny voanjo kosa amin'izany dia efa totoina miaraka @ tongolo lay. Rehefa mangotraka dia arotsaka ireo voanjo sy tongolo ary asiana sira. Dia asiana menaka kely koa.
Avela ho masaka dia aroso miaraka @ vary. Mazotoa homana daholo.
novalian'i lemurbaby ny 24/01/2010 17:06
2. ainaheri ( 20/07/2008 07:20)
misotra nizara ee,............Afangaro rambon'omby kou zao misosa tsara an
3. simplex ( 20/07/2008 18:16)

atao x2 ny fatran'le voanjo,
sao tsy ampy fa iny manko no tena manja aminy...
... le manenjika vandro refa mikaly :°) :lol: :lol:

;-)
4. pissoa ( 20/07/2008 19:26)
Ny ahy voanjo efa nendasina no ataoko amin'ny laoka (na anana na ravitoto na inona) ! Ilay voanjo manta otran'ny vondraka be zany ny fahitako azy :-D

Simp koa hita mihitsy hoe voatavo tsy mifandraka ... mitsindroka voanjo am'laoka :-D :-D :-D :-D :-D
5. fahamarinana ( 21/07/2008 15:28)
:arrow: za ry reto efa nihinana ravitoto sy voanjo nataon'ilay namana afrikana zay fa ravitoto raviny no nataony dia toto-boanjo.Tsara ihany koa fa am 1er ohatran'ny hafahafa ihany... :) (l)
6. ainaheri ( 22/07/2008 02:18)
veritée>> Za kou efa ninana saika tsy fantatro lay izy ra tsy efa nanandrana za,ry zareo zatra an'reny tsy mitoto ireny,fa ketrehiny ela an
7. ari.malala ( 22/07/2008 07:48)
hafa iany le efa voatoto ka! izay no maha ravitoto anazy!
8. fahamarinana ( 22/07/2008 16:44)
:arrow: ari :ao tsara ily tsirony fa ny tarehiny no maha-taitra kely am 1er arak'io lazain'i vieforce io.Ary ily trondro sy ravitoto koa :namana komoriana zay koa no mpanao an'io...tsara koa an.. (l)
9. rurik ( 20/12/2008 18:06)
vao avy nanao aho androany tena hummmmm natsiro be . fa ny ahy tsy nasiko tongolo gasy fa voanjo sy rano ary sira , nahandro gasy be fa tena natsiro an .
10. lemurbaby ( 24/01/2010 17:06)
Video: Ravitoto sy voanjo
http://www.youtube.com/user/lemurbaby#p/search/2/BebTWSOvpXs
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.4068