Mangataka tononkira

1. myandersia ( 18/07/2008 15:05)
bjr!
Mba handefaso ny paroles ny hira

lohateny : Ilay takariva kely
Mpihira : Solika ( navaoziny SAKELIDALANA )

Misaotra mialoha
Mail: myandersia@yahoo.fr
novalian'i ni81 ny 18/07/2008 17:03
2. ni81 ( 18/07/2008 17:03)
ILAY TAKARIVA KELY

'Lay takariva kely tery amoron-kady
Toa volana tantely nandramanay sahady
Tery am-pita kosa ireo kirihitr'ala
Ny vorona misosa mihira ray lala

Ny rahona misaly
Toa lapa volamena
Isika samy faly
Fa tsara fanekena
Ny riana any an-koatra
Hanatona ny ony
Ny foko izay mandroatra
Fa tia tsy mitony.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0731