Mpianatra avy Texas:Aza miady vintana @ Akoho ry Nanas

1. tsimati ( 18/07/2008 00:50)
Izaho manoratra dia efa nivoaka sy nianatra ivelan'i Madagasikara.
1-Tsy nisy nanofana ahyhoe sahala izao no ataonao rehefa tonga any. Ireo ankizy ireo tsaroako tsara fa nampianarina ny fombafomba rehetra any antoerana hianaranany alohan'ny nandehanany ary nanaovana tatetra tao amin'ny TVM sy Radioa hatrany ny fiofanany.
2-Vao tonga tamin'ny toerana misy ahy aho dia fanina ary nipenopenona satria tsisy mpitsena ary tsisy mahay miteny Malagasy na teny Frantsay no kely koa ny vola nentina nefa nataon'ny Taxi mangana. Ryzareo notsenaina ary notatanana.
3-Tsy ataoko hoe izaho intsony fa ny mpianatra rehetra nivoaka andafy tsy misy fandehanana manokana ataon'ny filoha izany. Rariny kosa anefa izany amiko satria ry zareo no nitady famantsiambola ho an'ankizy vitsivitsy Malagasy ary nahita sy nahazo tamin'io Oniversitia iray io.
4-Raha tonga izy dia tsenaina makotrokotroka. Mbola rariny satria vokatry ny asan'ny fifanarahan'ny fanjakana no nahavitany azy.
5-Misokatra ho azy ny fanohizana fianarana andafy misy vatsimpianarana. Akory atao.
Saingy ity kosa no tsy hanekeko ny an'i NANAS sy ny tariny tohina. Milaza nareo fa ratsy hofana ireo koa inona no moa no hianteherana amin'ny ratsy hofana fa dia avela izy handeha indray hanampy fahaizana ary aza malahelo fa mbola hisy Postes ambony be ho azony avy eo.
Aza miady vintana amin'ny akoho
novalian'i tsimati ny 18/07/2008 23:59
2. karavasy ( 18/07/2008 01:51)
:-D :-D :-D Aleo izy hianatra dia aleo ny mahavoa ny hitondra ny baolina ry nanas a. Ary miseho ianao mahavoa fa aza mivaky loha amin'ny tsy alehany e :-D :-D :-D . Sao dia mba mitsiriritra kosa aza nanas?
3. tsimati ( 18/07/2008 08:23)
hahaha ny mpianatra Ankatso koa angaha manaiky ny hoentin'ny Filoha hivavaka ry nanas a.
4. kidoropamba ( 18/07/2008 09:10)
hin!hin!hin!hin!
Io ary izy e. "Aza miady vintana @ akoho" hoy ra-stimati. Ny zanabahoaka alefany @ maligasizasion dia ny azy any Abilene manao be zesta.
hoy ilay mpanakanto Tsiliva izay hoe: "Miala agny be zesta e".
Ratakitika izao mbola miady mafy handefAsana ny zana-bahoaka any @ maligasizasion, ny anay anefa dia mahazo boursa, sakafo, fianArana any Abilene, @ teny angilisy rano fotsiny. hin hin hin!

Dontoy hoa ny vahoaka mba ahafahana manao bizna.

Siora ra prezy a.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
5. kalointsika ( 18/07/2008 09:39)
mb ahoana re raha ny zanak'i kidoro no mba lasa tany Abilene e?
6. tsimati ( 18/07/2008 14:42)
Resaka tiana hateza ny an'i kidoropamba. Na tamin'ny andron'ny fahampanjaka erantany aza dia tsy hitovy naoviana naoviana ny zanakin'ny vahoaka sy ny zanaky ny Mpanjaka. Ary na aiza na aiza ny zanakin'ny avarampatana tsy maintsy avarapatana. izay no marina eto antany ary mandainga izay milaza fa hampitovy ny zanany @'ny zanabahoaka. miantsara ivelantsihy kidoropamba raha milaza fa tiany ho sahala ny daholobe ny zanany.
Matoa tsy mahavita fianarana ny zanakin'ny mpanana dia izy izay no tsy mivaky loha fa tsy hoe natamban'ny ray sy reniny hiaraka @'ny daholobe akory. Aza mandainga ry kidoro.
7. kidoropamba ( 18/07/2008 15:23)
Hita fa mbola tsy tomponandraikitra ary tsy mpitondra fanjakAna marina ity ra-tsimati ity ka manana fihevitra tahaka izao.
Tsy mahagaga ahy indray io satria nifoha t@ torimasony ry zareo ao @ Matsilo an-dry rajems sy ranjivason androany.

Tohizo ny lalantsika
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
8. nanas ( 18/07/2008 23:01)
karavasy:

:-D :-D :-D Aleo izy hianatra dia aleo ny mahavoa ny hitondra ny baolina ry nanas a. Ary miseho ianao mahavoa fa aza mivaky loha amin'ny tsy alehany e :-D :-D :-D . Sao dia mba mitsiriritra kosa aza nanas?



Gaga be aho oe inona koa ty manokatra size misy ny anarako ty
valiny hoanao ry karavasy. Tsy misy hitsiriritako zay zaza nalefa tany Texas mintsy ndremato na kely aza, fa na izany aza keep thinking oe za mitsiriritra mba manasitra ny aretina-andohanao @ zay vali-teniko eto @ serasera eto e!.
Za aloha tsy nilaza oe za mahavoa, raha avy any andafy no tena mba important aminareo ao fitondrana, misy ny ankizy gasy nahavita fianarana TENA TSARA sady tena AMBONY, no TENA MAHAVOA avy @ vaza-tany efatra noho reo ankizy nalefa Texas reo, reny anie efa nanolo-tena hiasa hoan izao fitondrana zao fa ry zalahy fanjakana indray mba niseho niavona sy nandaka e!
Zao indray koe ampianarina any amerika fa hitondra ny firenena etsetra. Arriere hoy kidoro zay, zay ilay oe ny antanana tsy lany nefa laozana manenjika zavatra tsy important. Ka asa fa aleo tsaran ny havany eo ny toetsaina arriere-nareo e!
9. nanas ( 18/07/2008 23:11)
tsimaty> f'angaha tsy fampandrosoana hainga akory ty nodradradraina hatramin zay e! ny gasy manana intello efa vonona hatramin ny ela be, fandaniam-bola sy fotoana ny andefasana zaza-bodo indray. Sady na hamita fianarana any aza nareo efa ratsy Base tany ampiangana. Ny gasy efa any @ universite matanjaka aza any USA raofina @ sobika.


Zao koa e rehefa mba samy handefa mpianatra ihany naninona raha ny efa nahavita 4 na 5 ans teny Ankatso no nalefa nanao Masters (2 ans) tonga dia vavany rehefa tonga any Madagasikara.
Mba lazao koa R8 fa ny mpianatra mijanona koa mba asio kely fijerevana fa tsy zay mivoka andafy ihany akory no zavatra. Mbola ho tezitra moa ny mpianatra fa de asa fotsiny zay ho ataon-dr8 io.
10. karavasy ( 18/07/2008 23:36)
Rehefa tsy mitsiriritra dia resaka hafa no tokony havoitranao. Araka ny tenin'i tsimati hoe ataovy mifameno ny zavatra resahina ry nanas. Ny mpianatra mivoaka manao Masters misy isantaona saingy tsy nanaovana fikarakarana sahala ireo ankizy ireo. Avy taiza ireo ankizy 22 ireo ? Tena zanaka TIM ve reo sa nalaina eraky ny faritany ? Raha zaza dondrona natositosika reo dia an'ny fanjakana ny fahavoazana. Asa aloha fa hatramin'ny andron'ny dederatsiraka dia tsytafavoaka andafy raha tsy mahalala CSR na tarabaomarainan'ny AKFM ka raha izay ireo dia mitohy ny revy gasy izany. Izy no hitaty ny vokany sa ianao nanas?
11. nanas ( 18/07/2008 23:48)
karavasy:

Rehefa tsy mitsiriritra dia resaka hafa no tokony havoitranao. Araka ny tenin'i tsimati hoe ataovy mifameno ny zavatra resahina ry nanas. Ny mpianatra mivoaka manao Masters misy isantaona saingy tsy nanaovana fikarakarana sahala ireo ankizy ireo. Avy taiza ireo ankizy 22 ireo ? Tena zanaka TIM ve reo sa nalaina eraky ny faritany ? Raha zaza dondrona natositosika reo dia an'ny fanjakana ny fahavoazana. Asa aloha fa hatramin'ny andron'ny dederatsiraka dia tsytafavoaka andafy raha tsy mahalala CSR na tarabaomarainan'ny AKFM ka raha izay ireo dia mitohy ny revy gasy izany. Izy no hitaty ny vokany sa ianao nanas?



resaka inona no tianao havotrako? huh? io ambony io ny vali-teniko farany sao tsy novakianao. Tsy misy resaka tsy mifameno zany eto fa ianao angamba no tsy feno tsara. Tsy misy hidirako koa zay t@ andron Ratsiraka tany fa efa nivadika ny pejy. Ny andron i Ravalomanana zao no iainako.
12. tsimati ( 18/07/2008 23:59)
Voateny tsimati. Raha tsy azonao dia ilay nosoratanao hoe maninona no tsy avela hanompo sy hampandroso ny tanindrazana amin'izay ireto ankizy no alefa indray. Avy eo miampy hoe ilay iray tia hijanona Madagasikara no mendrika.
Tsy mifampiankina satria zaza tsy alehany tsy tokony omena andraikitra fa ny manampy ny fahalalany ahatonga azy ho alehany noho ianao no atao.
Ao koa ny milaza fa ny mpianatra Ankatso mahay. Inona moa no maharatsy izany saingy ny mpampiasa no milaza fa tsy manome ny ilainy ny mpianatra Ankatso noho izany mijery IST, INSCAE, sns ny mpampiasa nefa ianao Ankatso io foana no asesikao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0541