Mpianatra avy any Texas : Sao miangatra be loatra

1. badboy ( 17/07/2008 20:20)
Mpianatra avy any Texas
Sao miangatra be loatra
mardi 15 juillet 2008, par Njaka

Taitra ireo mpianatra amin’ny fampianarana ambaratonga ambony raha nahita ny fomba nandraisan’ny filoha, Marc Ravalomanana ireo mpianatra 22 mianadahy nahavita fianarana avy any amin’ny oniversite tsy miankina any Texas. Ny nanatrika ny fivoahan’ireo mpianatra ireo no antondian’ny filoha Ravalomanana tany Etazonia ary nitondra azy ireo nody an-tanindrazana. Rehefa tonga teto indray, nanaovana lanonana manetriketrika ny fanolorana ny diplaoma teny amin’ny Carlton Anosy, izay natrehin’ny filoha ihany. Tsy vitan’izay fa mbola nasaina niara-nivavaka taminy tany amin’ny Fjkm Imerinkasinina ny alahady teo. Nitohy tamin’ny fiaraha misakafo niaraka tamin’ny ray aman-dreniny avy teny Iavoloha indray ny fanasana. Asa indray izay mbola ho tohiny. Tohina ihany ireo mpianatra eny Ankatso, mahita izany matetika amin’ny fahitalavitra TVM foana. "Raha samy fianarana mandritra ny efa-taona ihany, manana ny fahaizana mitovy na mihoatra noho ireo avy any Texas izahay", hoy ireo mpianatra avy eto an-toerana. Ny tombony fotsiny, mahay teny anglisy lavitra noho ny eto Madagasikara izy ireo. Na ireo mpianatra teratany malagasy izay mianatra any amin’ny firenen-kafa nahazo vatsim-pianarana any ivelany, amin’izao fitondrana izao aza tsy niangarana noho ireto avy any Texas ireto ka lasa saina ihany ireo mpinatra hafa. Na eto an-toerana aza misy sekoly ambony tsy miankina, mitovitovy fiofanana amin’izy ireo. Voaporofo ny fahaizan’ireo mpianatra nofanina teto an-toerana rehefa miasa any amin’ny sehatra misy azy ireo avy.

Njaka Navonisoa
novalian'i karavasy ny 18/07/2008 23:43
2. nanas ( 17/07/2008 22:34)
badboy:

Tena marina, sady efa niangarana nalefa tany Texas mbola hindraindray ohatran ny Andriamanitra kely koa ao antanana. Ny mpianatra gasy nefa mianatra mafy, mahavita mihinam-bary tsy misy loaka mandritra ny fanadinana nefa inona no mba azony? ny boursa kely isam-bolana aza mbola hampifilafilain-drafanja. Tena tsy rariny. Zako aloha tena tohiny mihitsy nahita an ireny vaovao ireny e!
3. tsimati ( 18/07/2008 00:53)
Ny fanjakana no nandefa azy noho izany vokatry ny fanjakana ireo ka hireharehan'ny fanjakana na alehany na tsy halehany. Ny niantotena ny tenany sy ny fianakaviany no mifaly sy ravo. Tsy mety hitovy izany
4. xxx ( 18/07/2008 06:10)
Tonga indray ity fisainana maloto sy be fialonana an'i nanas, marina be loatra ny fampisehona sy fanindrahindraina ireto mpianatra vao tonga ireto fa tsy tsara ary ve raha misy mandeha e! Tsy ny mpianatra ankatso iray vohitra ange no afaka alefa any daholy kosa e! Mandeha tsikelikely io e! mitombo koa ny isan'ny mpianatra alefa any. Tsy misy hadisoan'ireo mpianatra ireo ange, Mba aza ireo mpianatra no omena tsiny fa ny poltika ataon'i filohantsika, izany hoe ny tsy fikarakaran'ny eny ankatso.
5. kalointsika ( 18/07/2008 08:04)
1- marina ny an'i xxx. sad tokony ataon'ny sasany fitaratra koa anie reo ankiz reo e! sad raha lasa tany iz tsy hoe anona no tiako alefa dia nalefa f ankiz namiratr t@ fianarana reo.
2- tena tkn hikarakara ny any ankatso mihits ny fanjakana satria na ny dabilio ftsn az ngamb le nipetrahan'i mamanay no mbola nipetrahako ko ary eng anie mb ts ho io intsony no ipetrahan'ny zanako f tena ef rats. sad zay ngamb nis ankiz nanome vola b vao tafiditr teny f ts nanao concours de manoratsoratr teny sy sary hafahafa @ seza sy latabatra.
3- d ahoana tokoa mo zan ra hy mpianatr ankats rehetr no aterina eny @ aéroport de manafika oniversité any an-dafy de aveo ndray mosy de miara-mandeha sns e! ngamb anahirana. resak bourse kely ndray, amiko ny bourse de zvt mérité ka zay olona méritant ihany no mahazo na eto Madagasikara az. et à la limite ny olona tena sahirana sy ny avy lavitra ts afk mivelona ara-dalana.
6. tsimati ( 18/07/2008 08:25)
Aza malahelo fa mbola Postes mikatrakatraka aza no ho azony atsy ho atsy :-D :-D :-D
7. kidoropamba ( 18/07/2008 08:58)
Ireny izany ireo nianatra tany Texas t@ maligasizasion????? Sa ry zareo mpahay miteny vahiny no hiandrandraina tahaka io?
Io hoa ilay noteneniko: Tsy mandraharaha maligasizasion izany ny filoha hajaina fa "hello" sy "salut" ihany ny azy.
Avelao ny zana-bahoaka hanao maligasizasion any fa ny anay kosa dia Abilena, texas, ihany no ady eo.

Siora ra-prezy a.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
8. kalointsika ( 18/07/2008 09:35)
kivy be aho mamaky ny zvt voasoratr'i kidoro marina mafy; rah io ngamb no lasa filoha eo, veloma daol ry bourse extérieur. o rakiz a, ref kidoro no lasa pdt dia manampoiza f o sarotr ny ahitanareo zan an-daf zan, d io ko ve zan ts handroaka ambassadeur? aleo ihany ianao ts mody f matahotr aho.
9. kidoropamba ( 18/07/2008 09:43)
Aza mora kivy fa tsara ny fiAinana e.
Tsy mpanao politika fa mpanohana an'i filoha hajaina Ravalomanana ihany i kidoropamba.
Hoy jesosy hoe: "Raha diso izay lazaiko, lazao ny mahadiso azy, fa raha marina kosa, nahoana aho no vonoinareo?" aie, aie, (mety ho lasa pasitera indray aho ato ato).

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
10. tsimati ( 18/07/2008 14:45)
Kidoro kosa aloha tsy mpanohana ny fitondrana fa mpametraka hoditr'akondro ny fitondrana. Io no tsy nahatafavoaka ny gasy. Tsy mahay mifameno fa ny mifamingana no tena talenta.
11. nanas ( 18/07/2008 23:24)
xxx:

Tonga indray ity fisainana maloto sy be fialonana an'i nanas, marina be loatra ny fampisehona sy fanindrahindraina ireto mpianatra vao tonga ireto fa tsy tsara ary ve raha misy mandeha e! Tsy ny mpianatra ankatso iray vohitra ange no afaka alefa any daholy kosa e! Mandeha tsikelikely io e! mitombo koa ny isan'ny mpianatra alefa any. Tsy misy hadisoan'ireo mpianatra ireo ange, Mba aza ireo mpianatra no omena tsiny fa ny poltika ataon'i filohantsika, izany hoe ny tsy fikarakaran'ny eny ankatso.

draidray ramato, rehefa mpianatra malagasy dia malagasy , aza asiana tombo sy ala fa samy zanaka malagasy ataovy mitovy ny fitondrana azy. Zay indrindra no ilazako oe rehefa mba niangarana nalefa tany andafy dia aza hindraindraina mihoatra iretsy nijanona antoerana fa mitovy @ oe ihany " nareo teto gasikara tsy mamely noho ireto avy any Texas reto" Raha misy vola mikasika fampianarana mba jereo kely ny eny ankatso, aza atositosika ny ondry botry hoy ny fitenena zay fa tsy fantatra zay hanao roa.

Mitovy hevitra tanteraka aminao aho oe asio kely jery ny eny ankatso fa tsy ny mponin ankatso iray manotolo akory afaka alefa andafy doly. Reo zaza amanalinaliny eny ankatso reo zao no tokony laharam-pahamehana fa tsy zaza 24 na 50 ihany akory.
12. karavasy ( 18/07/2008 23:43)
Raha ny izy dia tokony hatsaraina ny fomba fampianarana aloha ary tsisy adihevitra iny. Ara-pitaovana tokony hanaraka ny toetr'andro na ny mpampianatra Ankatso aza mbola manao revy tranainy izay mampiasa notes tamin'ny 20 na 10 taona lasa nefa ny fiovana mihazakazakabe. Ary atoroy ny zaza amin'ny Oniversitia gasy mba tsy ho lalaovin'ny mpanao politika ka ny kely hananany no dorany.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0935