Hiran'ny tarika Mahefa

1. ni81 ( 17/07/2008 10:36)
Mba mangataka ny clip raha misy manana ity hira ity azafady. Misaotra mialoha.

Mamiko ny hira ka dia hokaloiko
Sata ambony iray tena tsy foiko
mamiko ny hira fa tsy vazivazy
maka mamy koa ireo tia azy
mamiko ny hira fa mandrotsirotsy
amboniako mba tsy ho voaosy
mamiko ny hira fa mibaiko ahy
hampirindra fo sy ny fanahy

Raha tojo fahoriana sendra kapoka mavany
dia ny hirako ihany ampy fanafodin'ny tomany
raha kosa fifaliana ka mientana ny fo
ho miramirana aho, ho miramirana aho
hikalo ny hirako

Mamiko ny hira, mba hisaotra ary
hidera, hankalaza ilay Nahary
mamiko ny hira, mamiko tokoa
mamy ao an-tsainasy ao am-po
mamiko ny hira, mamy tsisy fetra
miaraka amin'ny androko rehetra
mamiko ny hira, mamiko satria
enti-manambara ilay fitia

Raha tojo fahoriana sendra kapoka mavany
dia ny hirako ihany ampy fanafodin'ny tomany
raha kosa fifaliana ka mientana ny fo
ho miramirana aho, ho miramirana aho
hikalo ny hirako
novalian'i ni81 ny 17/07/2008 11:46
2. ari.malala ( 17/07/2008 11:44)
ni81, andray, mampahatsiaro fahazazana izany hirandriko izany hihihi! tany am taona 80 tany io no tena mpandeha tao am RNM
3. ni81 ( 17/07/2008 11:46)
ie, tena tiako io fa tsy mahita clip-ny aho e! Sao mba manana indry e?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.2106