Misy atahoran-dRavalo ve ?

1. saranga ( 17/07/2008 08:20)
Zaho zalahy efa ho 30 ans no naha-fonctionnaire ahy fa mbola tsy nisy karaha ity : misy ministère efa tamin'ny fin avril no voatendry ny ministre nefa mbola tsy misy staff : tsy misy SG, tsy misy DG, etc. Nahoana ? Tsy manao conseil de ministre Ravalo ary tsy manendry koa. Misy atahoran'ny Ravalo ve sa tsy mahay ny affaire administrative fotsiny izy ?
saranga mpasa mafy ady aty Diégo
novalian'i tsimati ny 18/07/2008 01:15
2. tsimati ( 17/07/2008 11:04)
Dia manohy ny eo rehefa tsisy solony. Io tena nitranga foana aloha hatramin'ny nahalany azy mihintsy. Ny azoko ambara amin'izay kosa dia midika fa ny mpiasa manohyny asa izay tsy niovaova nanaraka ny fitondrana no tsy alehany hatramin'izay satria reo ihany no mihodikodina eo fa tsy misy mpiasa vaovao akoatran'ny toerana politika. Saranga mafy ady any Diego mbola milay izany fa ny faritra hafa faly sy miravo rehefa tsy misy fanendrena ary lasa mihahaka eran'ny tanana ny mpiasa. Zarany aza.
3. kidoropamba ( 17/07/2008 18:07)
saranga:

Zaho zalahy efa ho 30 ans no naha-fonctionnaire ahy fa mbola tsy nisy karaha ity : misy ministère efa tamin'ny fin avril no voatendry ny ministre nefa mbola tsy misy staff : tsy misy SG, tsy misy DG, etc. Nahoana ? Tsy manao conseil de ministre Ravalo ary tsy manendry koa. Misy atahoran'ny Ravalo ve sa tsy mahay ny affaire administrative fotsiny izy ?
saranga mpasa mafy ady aty Diégo

Tsy dia resaka tahotra loatra io fa tena efa manao politika petatoko ny fitondrampanjakAna amin'izao satria tsy nahazo vola ny MAP (InvAndabla e).
Ny fitiavako ny filoha hajaina no hilazako izany satria tsy te hanolotra vato mafAna azy aho.
Mba diniho moa e: Raha misy olona nanao pilanina trano ka hangana azy, kanefa tsy misy ilay vola hanaovan'azy: ny ampahany dia "fanantenana avy amina namana fa hanmindrabola; ny antsasaky ny vola ilaina indray dia tsy mbola fanatra mihitsy ny ahazoana azy.
Izany no nanjo ny MAP-ntsika: Tsisy vola ka voatery manao ImpirOvizasion ny filoha hajaina.
Ka miverina @ resaka ministera io. Na io ministera io dia vao noforonina ka tsy voafetra tao anatin'ny MAP, na io ministera io tao @ MAP fa NY VOLA dia tsy misy hanaovana azy. Ka tsy azony atao ny manendry DG, SG sy ny sisa satria mbola any ankibon'ny Omby ny vola.

Ka raha manaraka ny lojikan'i tsimati izany dia izao: Aleo angamba manetry tena mifaly mahita ny sasany voky toy izay mitaraina lava satria maty noana.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
4. tsimati ( 18/07/2008 01:15)
Lojikan'i tsimati dia izao. Raha mibolisatra sy midaboka ny fitondrana tsy izay ve no zahavinareo. Koa inona no makary andoha anareo fa mampiakatra ny herinareo hakanareo fahefana amin'ny manaraka izany. Raha izaho no mifanandrana amin'ny adverisera mihanahana dia ampidiriko daholo ny daka, totohondry ary ataoko KO. Ny mampiomehy dia efa mihahaka hoy nareo ny adverisera nefa tsy mahatafiditra nareo fa mbola miantsoantso hoe ahoana ity mibanaka ity. Sao ilay adversera koa no mila misaina satria tsy mahavoa ny efa mibanaka. Adversera tena nofa koa izany
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.4048