tsy hevitro ity fa zava-nisy, ary tena marina...vakio

1. ratakktikk ( 16/07/2008 19:30)
tsy hevitro velively ity fa hevitra nivoaka tamin'ny taona 2007. mba entina hampisain-tsaina antsika rehetra.
Amiko dia marina ny voalazan'ity ranamana ity:(somary lavalava kely ihany)
---------------------------------
" NY TENY MALAGASY ATY AM-PITA

Iza no olona tsy tia ny tenindrazany ? Iza no Malagasy tsy tia miteny malagasy ? Aza mba manao toy ny valalan'amboa ka ny tompony aza, tsy tia azy ! Masina ny tenindrazantsika ka tokony ho mavesa-danja ao amin'ny Malagasy rehetra ny fitiavana azy ; tokony ho laharam-pahamehana ao amintsika tsirairay avy ny fahaizana azy, na aiza na aiza tany iainantsika.Nisafidy niala an'i Madagasikara izay Malagasy tafavoaka hikatsaka fiainana tsaratsara kokoa sy ho ambasadaoro eran'izao tontolo izao fa misy Madagasikara ary misy koa ny teny malagasy. Isika no tokony ho voalohany hampahafantatra amin'ny vahiny isan-karazany ifaneraserantsika fa manana ny tenindrazantsika isika ary tsy menatra manana azy na mampiasa azy rehefa any an-trano, any amin'ny fianakaviana ary rehefa miaraka amin'ny samy malagasy.Aza manao hoe "Niova andriana, niova sata" na ny marimarina kokoa hoe : Niova tany, niova teny !...Isika aty an-dafy no fitaratry ny tanintsika sy ny tenindrazantsika ka tokony hanana hazon-damosina ombieny manoloana ny firenena maro fa tsy ambaka ny an'ny hafa ny teny malagasy.

Mampalahelo anefa fa arakaraka ny nisafidianan'ny Malagasy hipetraka aty an-dafy dia nirefarefa ny teny malagasy. Nihena toy ny fen'antitra sy nidina toy ny rambon'omby ny fahaizan'ny Malagasy miteny malagasy noho ny fahadisoam-pisainana sy fahadisoam-pijery fa tsy mariky ny fivoarana sy sarin'ny fahombiazana eo amin'ny fiainana ny teny malagasy. Tontolo iainana vahiny sy fiaraha-monina tsy miteny malagasy tokoa no atrehany isan'andro any am-pianarana sy any am-piasana hany ka hamaivamaivanina sy tsy raharahina intsony ary tsy hajaina intsony ny tenindrazantsika.Mahamenatra mahita Malagasy mieboebo amin'ny teny vahiny fa tsy mahay mirehareha amin'ny tenindrazany ; mahaketraka mandre Malagasy manambonibony ny tenin'ny hafa fa manamaivamaivana ny an'ny tenany ! Mahakivy kanefa izay no zava-misy aty an-dafy rehefa "tafita ny Malagasy" na lasa ambony. Izany dia tsy midika velively fa aza ianarana ny teny vahiny ! Nosy isika ka tokony hahay hifandray amin'ny firenena rehetra sy ny olona rehetra te hifandray amin'i Madagasikara. Ilaina ny teny vahiny fa tsy atao ambanin-javatra ny fahaizana ny tenindrazana.

Izay tia ny teniny, tia ny taniny ; izay tia ny taniny, tia hoe Malagasy izy. Ampiasao ny tenindrazanao n'aiza n'aiza misy anao tahaka ireo ataon'ny firenena maro. Aza menatra ary aza matahotra fa fitaritr'i Madagasikara ianao sy ny fisian'ny teny malagasy. Ho ela velona anie ny teny malagasy !

Fredy JAOFERA"


--------------------------
Tsy vitsy amintsika angamba ny tsy mahalala an'io ranamana io. Izay ny heviny, ka asa inona indray ny tsikera ratsy entin'i kidoropamba amin'io?

Marihina fa tamin'ny 2007 io hevitra io no nivoaka.




novalian'i tsimati ny 18/07/2008 01:18
2. badboy ( 16/07/2008 19:52)
Za andafy, ny akamako gasy rehetra andafy! Tsy misy zany tsy miteny gasy zany rehefa samy malagasy no tafahoana (manoratra aho izao teny gasy mazava be)! Fa rehefa miaraka @ namana ngozo dia tsy maintsy miteny ngozo! Ka tsy miaina andafy ranaman'io angamba na sendra ireo gasy teraka andafy tsy mahay teny gasy (izay maro an'isa)!!! ^^ ^^ ^^
3. ni81 ( 16/07/2008 20:04)
Tsy dia marina io resaka lazainy io fa ny gasy raha vao mifankahita ka mifanaraka ny tadin-dokanga tonga dia mikotaba @ teny gasy tsy misy toy izany.
Dia ahoana izany no atao raha toa ka tsy misy gasy ao @ ilay tanĂ na? hiteny irery? :roll:
4. kidoropamba ( 16/07/2008 20:55)
Efa mitapy @ fanagasiana petatoko nareo ry ratakitika.
Diniho tsara aloha izy io fa maika loatra nareo izany hanandonto zanambahoaka ka lasa mandoro etapy.
Fantako fa efa tena te hanao bizna enao io ka tsy mahandry mihitsy fotoana.

Ny anay hoa tsotra: "hello" sy "salut" ihany zao no voambolana malaza satria io no hiarahaban'ny filoha hajaina ny vahoaka malagasy.

Dera sy laza hoanao ry filoha hajaina Ravalomanana ^:^
5. tsimati ( 17/07/2008 02:31)
Voalohany i Fredy Rajaofera dia Mpanoratra Malagasy ary ampiasana any ampianarana ny sangan'asany. Noho izany aza ampitovianao amin'ny olona tsostra sahalanao miady hevitra eto izy hoe ranamana ry badboy. Ny tanjony hafa ary ny hafany hafa amin'ny maha-mpampiroborobo ny teny Malagasy azy.
Ny olon-tsotra kosa dia mizara ny fiainany ary na Fredy Rajaofera aza sahala izay rehefa miaina andavanandro. Rehefa mihaina ny samy Malagasy eny fa ny fivorian'ny governemanta aza mino aho fa teny Malagasy tsy miala mihintsy. Saingy araka ny filazan'ny maro eo ambony raha antanin'olona ianao ary mifangaro aminy dia ny teniny no ampiasaina fa tsy afaka hanery ny olona hiteny Malagasy na i Fredy Rajaofera aza.
Tsy ola'ny Malagasy irery io ary ilay hoe "maro an'isan'i badboy" dia tsy mitombona satria tsy maro an'isa ny Malagasy miparitaka eran'izao tontolo izao mihoatra ny olona amin'ny firenena hafa. Ho an'i Sinoa izay tena maro an'isa ohatra dia asiany fampianarana teny Sinoa mihintsy erantany ary ho an'ireo Sinoa miparitaka no tena hanaovany azy satria tsy mifanaraka amin'ny teny Sinoa any China no ampiasain'ny Sinoa lasa andafy.
6. lizabeth ( 17/07/2008 11:37)
ratakktikk:

tsy hevitro velively ity fa hevitra nivoaka tamin'ny taona 2007. mba entina hampisain-tsaina antsika rehetra.
Amiko dia marina ny voalazan'ity ranamana ity:(somary lavalava kely ihany)
---------------------------------
" NY TENY MALAGASY ATY AM-PITA




Ilay tamin'ny 2007 mihitsy no tena tsy mahamarina ilay fijery !!! raha tena mandinika ny malagasy aty ampita izy dia nahatsapa fa ny malagasy aty tia fihaonana samy malagasy izay fotoana hitenenana gasy ! marobe ny zaza teraka taty amin'izao fotoana miteny gasy (izay mety tsy marina tamin'ny taona 80...) ! ny malagasy aty manenjika sy mamorona fiangonana gasy satria any miteny sy mihira gasy...!!!
7. tsimati ( 18/07/2008 01:18)
Averiko amin'ny maha-fredy rajaofera azy dia anjarany ny mamoaka hevitra hatrany ny hampiasan'ny olona ny teny Malagasy. Na efa misy fiangonana teny Malagasy sy ny hafa aza dia mikendry ny hafa tsy mbola mahay teny Malagasy izy. Tsy mahadiso satria mpanoratra izy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0566