Cancerologue

1. yonikafopl ( 15/07/2008 18:44)
Miarahaba ny rehetra,
Mba saika hanontany hopitaly tsara afaka hitsaboaana cancer any Dago, efa vita ny operation fa resaka traitement (chimio sy Radio),ny resaka hospitalisation ve mba misy azo hatokisana raha toa ka mbola tsy maintsy miditra hopitaly?. Dia mba mangataka raha misy mahafantatra cancerologue raha afaka manome ny adiresy sy numero ahazoana azy.
Tena ilaina maika .
Misaotra izay afaka mamaly.
novalian'i kalasnou ny 23/07/2008 22:36
2. Smbatra ( 16/07/2008 02:27)
Eny taokoa oa ,toa tsy nahita mpitsabo mahay zanyaho,satria raha nisy famille tantaraina,nahiditra trano fitsaboana maty avy,cancer ny nono avy.
3. endrika01 ( 16/07/2008 07:58)
Napetraka hoany namana any Madagasikara lay fanotaniana,any amitsika zany efa misy mpitsabo an reny aretina cancer ireny,toa mapatahotra anah koa io voalazany sambatra eo ambony io.Aza misy zany,fa ndraindray mararirary zany ny n...de ozizy ny sasany we makanesa any@mpitsabo de ozizy ny andaniny we efa akaiky ny fadi-bolana,de ozizy ny ankilany we mila lhl...de zah aloha tsy tany @mpitsabo fa tsy misy ndray lay mararirary!:D
4. ni81 ( 16/07/2008 08:13)
Napetraka hoany namana any Madagasikara lay fanotaniana,any amitsika zany efa misy mpitsabo an reny aretina cancer ireny,toa mapatahotra anah koa io voalazany sambatra eo ambony io.Aza misy zany,fa ndraindray mararirary zany ny n...de ozizy ny sasany we makanesa any@mpitsabo de ozizy ny andaniny we efa akaiky ny fadi-bolana,de ozizy ny ankilany we mila lhl...de zah aloha tsy tany @mpitsabo fa tsy misy ndray lay mararirary
Lasa HS isika fa matetika ny nono mahararirary foana rehefa akaiky ny fadimbolana, fa raha misy somary mivonto dia izay no tokony ho jerena haingana. Ilay mivonto lazaiko dia toy ny misy kanetikely .
5. yonikafopl ( 16/07/2008 08:43)
tena HS doly nareo :wink:
tena ilaiko maika ny momba an'io raha mba misy afaka manome information momba ilay izy ianareo namana any Dago ,azafady indrindra, farafaharatsiny ny Lundi no manomboka manao ny traitement,mila mifandray am ilay cancerologue aho handefasako ny dossier rehetra, ny prix sy izay mety ho lany tsy mampaninona na otrinn na otrinn, tena maika be fa mba ampio.
6. xxx ( 16/07/2008 13:49)
service oncologie de l’HJRA ampefiloha oe antsoina!!!! renseignement mba hitako t@ internet io. bn courage
7. diamondra27 ( 16/07/2008 14:23)
momba io aloha de tsy misy ambara saingy kosa sao de mahasoa fa ny menabboay akia de mahasitrana cancer a fa zany we le eo am stade misy azy tsy haiko fa ilay ramatoa gasy aty paris zay nanana cancer nono de nolazaina io de nakany dago fa efa tsy maninon izy zao


de mahafaka ireny aretinaty reny koa ny menaboay

8. toubib ( 16/07/2008 14:34)
I Pr RAFARAMINO Florine retsy no ao a!ao am service oncologie HJRA no misy azy fa na izany na tsy izany klou dia aretina faran'izay mandany vola sady mampanaintaina izy io kanefa tsy dia mahabe fanantenana loatra; n'aiza n'aiza io fa tsy dia ny eto Gasikara loatra akory!
9. xxx ( 16/07/2008 14:36)
Service d'Oncologie HJRA ihany no fantatro misahana an'io aloha, Pr Josoa Florine no sefo be n'ny service fa feno dokotera hafa miasa ao.
Tsy afaka milaza kosa aho ny saran'ny fitsabona.
Tokony tsy misy olana fa asaina manantona ao fotsiny ilay marary, miaraka amin'ny dossier-ny rehetra dia ry zareo no mandray an-tanana sy manohy ny fitsaboana.
10. endrika01 ( 16/07/2008 16:36)
diamondra27:
momba io aloha de tsy misy ambara saingy kosa sao de mahasoa fa ny menabboay akia de mahasitrana cancer a fa zany we le eo am stade misy azy tsy haiko fa ilay ramatoa gasy aty paris zay nanana cancer nono de nolazaina io de nakany dago fa efa tsy maninon izy zao de mahafaka ireny aretinaty reny koa ny menaboay
Ampiasao koa ny huile d olive(menaka olive efa misy anio any @supermarche Dago)misotro 1 sotrokely isa-maraina,sotroina manta fa tena mahomby,tsy voatery ny olona voany Cancer iany.Azo ampiasana koa io menaka io hanosorana volo,hanalefahana tanana,mangavoka na maketana be ireny!Ity farany ty ndray dia afangaro @ranomboasary makirana sy rano matimaty,1sotro lehibe ny menaka,Atao rano mahadifotra ny tanana,ny lantotanana sy felatanana!:D:D:D
11. yonikafopl ( 16/07/2008 16:46)
Misaotra anareo namaly, efa mba nanao recherche tam internet za fa tena tsy nahita mihintsy.
Ilay izy tsy cancer des seins fa de l'estomac et du duodénum,efa azo lazaina ho gravy ihany satria efa miparitaka .
Misaotra fa hiezaka ny hitady ny numero HJRA aho raha mahita ndray,fa mba efa fantatra zany fa i Pr RAFARAMINO Florine no tadiavina .

Ahoana no fampiasa ilay menaboay ry Diamondra?? ny nampiasaiko taloha vahona sy tantely, tena le vahona maniry ireny no nalefa taty sy tantely de za no nanamboatra azy, avy eo nanohy nihinana an le vahona sy mandravasarotra vitan'ny homeopharma.

xxx, ilay we tsy misy olana fa asaina manatona ao fotsiny ilay marary,... araka ny henoko lazain'ny olona aloha an, hono wa an, dia tsy raharahianjareo ny marary raha vao tsy mahafantatra olona voalohany indrindra, raha tsy mahatolotolotra ihany koa, izany no antony nangatahako ny numero na ny fomba hifandraisana amin'ilay dokotera alohan'ny hahatongavan'ilay marary any.

Mbola maneho fisaorana hatrany.
12. manjakatiana ( 17/07/2008 09:24)
ho an'i yonika> anontanio ao @ fiangonana anglikana avaratr'anjoma fa misy eveka zay ao mivarotra menaboay tena pur fa tsy misy fangarony efa ela ihany aho no nividy tao 25.000fmg t@ zany fotoana(1997) fa @ zao tsy fantako, eveka avy eny Belanitra Ivato izy io
Ny fihinanana azy eran'ny sotro lehibe(c à soupe) dia atao atao bain marie, dia hanina miaraka @ akondro fa ratsy be io menaboay io
Io pr lazainareo ao @ Ravoahangy io ve tsy efa maty? toa izy ihany mantsy no nivarotra menaboay tao
13. xxx ( 17/07/2008 11:06)
Angamba kosa tsy ao amin'io Service io ka. Tsara fanahy be io dokotera io, ka mino aho fa toy toy izany koa ny mpiara-miasa aminy rehetra ao. Sady raha olona efa manana dossier, moramora ho an-dry zareo kokoa ny fandraisana azy satria manohy fotsiny izy fa tsy vao hanao diagnostic sns.
22 279 79 ny telefonin'ny HJRA saingy tsy hahazo mivantana an'ilay profesora ianao amin'io. Ny azonao atao dia mandefa olona maka rdv any aminy mialoha, dia avy eo tonga fotsiny ilay marary miaraka amin'ny dossier.
14. yonikafopl ( 17/07/2008 16:31)
Misaotra anareo rehetra namaly, misaotra nanome ilay anarana fa tena nanampy ahy be tokoa,
Efa nahazo ny numero perso an'io Pr Rafaramino Florine io aho ary efa nifampiresaka taminy, mbola congE izy fa am lundi no RDV ,satria ny samedi vao tonga any Dago ny marary, tena tsara fanahy tokoa izy raha ny fandraisany tao am phone fotsiny aza.

Dia hiezaka ny hanantona hijery io eveka lazain'i manjakatiana io koa, fa mba azonao omena ve ny anarany raha tsy mahadiso??

Dia mbola mamerina ny fisaorana hatrany oooooo :)
15. Rasiligaoma ( 18/07/2008 03:15)
ny momban'ny menaboay.. azo atao tsara koa ny mividy henam-boay (rambony ohatra fa iny no matavy) eny amin'ny croc farm, dia ritina ohatry ny manao hena ritra ireny, dia alaina ny menaka.

Amiko manokana dia tsara ny menaboay sy ny voay . io moa dia arakaraky ny olona ihany rehefa resaka tsiro: somary malany izy fa tsara!

fa ny nahalalako mena-boay dia ho an'ny olona voan'ny asthme sy ny aretin'ny taovam-pisefoana

Ny momban'ny cancer indray dia arakarak'ilay hoe aiza sy ny inona no voa no hahafahan'ny any Madagasikara mitsabo azy: raha momban'ny atidsoha aloha dia tsy atokisako e
16. kalasnou ( 20/07/2008 22:49)
nisy resaka henoko tato ho ato hoe : any dago hono @ izao dia raha fantatra misy cancer hono dia tsy raharaha dokotera koa satria hono efa tsy avotra intsony, marina ve izany?
17. yonikafopl ( 21/07/2008 20:22)
kalasnou mety ho marina io rehefa tsy manambola ilay olona marary.
na inona na inona moa aretina any Dago ka tsy manambola dia tsy ho avotra mihintsy eeeee.

Fa mba tena mahamenatra sy mampalahelo ,fa tonga tany ilay namanay, dia teny amin HJRA moa izany no nanao fotoana tamin'i PR Florine, fa vao niditra ny vavahadin'ny hopitaly hono izy dia saika nihoaka nando, fa fofona tsy fofona, loto tsy loto hono zany an, tena hopitaly natao hitsaboana aretina indray ve no feno loto vao maika hampitombo ny aretina aza?? mampalahelo, soa ihany fa tena tsara fanahy tokoa ilay Pr dia nanaiky ny hanaovana ny traitement any amin'ny clinique perso ny( biensure kalou satria afaka mandoa vola ilay marary ). Soa ihany koa izy fa nampilaza mialoha fa misy fanafody tsy mbola misy any Dago dia nitondra avy taty .

Ny tiako hampitaina dia ny loto any amin'ny hopitaly, asa moa na miankina amin'ny fanjakana na tsia i HJRA fa dia tena mahamenatra raha toy izany no atao hoe hopitaly any amintsika any. Tena mahamenatra :( :(
18. ikaretsaka ( 21/07/2008 20:57)
kalasnou:

nisy resaka henoko tato ho ato hoe : any dago hono @ izao dia raha fantatra misy cancer hono dia tsy raharaha dokotera koa satria hono efa tsy avotra intsony, marina ve izany?


tsary marina io, maro ireo vakina avy any vinaninkarena (radio actif any) vokatr'ilay izy be uranium) voan'ny cancer ao @ HJRA (ny 60% ny olona voan'ny cancer ao taoko saika vakina aby :cry:) fa misy efa hay hoe tsary avotra fa mahazo ny ny fitraboana sahaza azy ihany
fa ny ankamaroany koa aloha matetika efa meta-phase vao entin'ny olona any e..
dia marina koa io hoe ny vola ro mahery sy heo ny inona no misy cancer ka.
19. kalasnou ( 22/07/2008 21:35)
tena mahamenatra tokoa ny meheritreritra an'izany loton'izany HJRA izany,ny fanontaniana hampetrako: moa raha misy patient iray maharary vokatrin'ny " infection nosocomiale" dia afaka mitory sahala ny aty en france koa sa tsy mivaky loha ny olona any?
nga tsy misy "personne d'hygiène" mandalo mijery ny etat-n'ny hopitaly?
ary ahoana no hataon'ny "personnels soignants" miasa @ lieu de travail sahala an'izany?
normalement rehafa mianatra @ domaine paramedical dia voalohany ampianarina dia ny "hygiène" na dia ny mpanao ménage dia tsy maintsy capable. tena mahagaga ahy izany ka
20. ikaretsaka ( 23/07/2008 01:42)
1) iza no hanamarina hoe infection nosocomiale ro nahazo anao..raha tsy ry zareo ihany :wink:
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4632