Teny gasy 18 : harena sa sakana???

1. badboy ( 14/07/2008 10:03)
Ny atao hoe "nation" (groupement de personne de même origine de même pays de même culture et de même langue) izay tanindrazana no dikany akaiky any amintsika dia toa mijanona eo @ ilay tany nihaviana ihany satria ny teny ifandraisana aza tsy iray!! Rehefa jerena ireo firenena matanjaka rehetra, dia iray ihany no teny ampiasaina ao anatin'ilay firenena ary isan'ny mampivelatra haingana ny fifandraisana!

Mila mametraka teny tokana izay tsy maintsy hain'ny rehetra ve izany isika mba hahafahana mifandray haingana kokoa??? satria rehefa miresaka @ olona avy any diego za ohatra eto frantsa dia tsy maintsy miteny frantsay satria izy tsy mahay tenin'i tanà za tsy mahay ny tenin'i diégo!!:roll: :roll: :roll:
novalian'i tsimati ny 15/07/2008 15:09
2. tsimati ( 14/07/2008 10:16)
Ka samy be mokondoha ary samy tsy manaiky ny teny voalaza ho ofisialy. Lehibe noho i Chine ve i Madagasikara ary misy karazana fombafomba samihafa sahalan'i Inde ve i Madagasikara. misy ny teny hampiasany any amin'ny oniversitia-ny ary eo ihany ny anglisy fa tsy hoe miala. Ny an'ny tanana ny mifanindry amin'ny teny mparantsay no asesika ka afaka toizina izany tsisy azo ambara. Tianao ho teny frantsay ve no hiraisana ohatra ? Tsy mendrika izany aminay satria tsy ny Frantsay no loharano ahitana ny zavatra rehetra eran'izao tontolo izao.
3. kidoropamba ( 14/07/2008 10:30)
Tandremo ianao ry badboy fa mitady hamerina eto ilay "rekonsiliasion nasionaly" tadiavin'ireo mpanohitra kamo be tenda.
Ireo avy any diego no tsy maintsy miondrika mianatra ny teny malagasy fa tsy antsika indray no handeha hianatra ny teny antakarana avy any dEgo.

Io ange efa nalahatra tao @ maligasizasion e: Ny 17 foko (tsy fanta-piaviana ireo) dia noterena hianatra ny tenindrAzantsika. Ka nasesika kely fotsiny ny hoe "tenimparitra" fa @ ankapobeny dia ny tenindrazantsika, izay tena GASY POKONA, no TSY MAINTSY hianaran'ny sasany.

Io izy hapetrak'i filoha hajaina Ravalomanana @ maligasizasion io.
F'Angaha mihevitra enao fa misy zanak'Iarivo andeha handany fotoana (12 taona raha raisina avy @ T-1 ka hatrany @ Terminale) hianatra ny tenin'ireo foko tsy fantampiavina ireo. Anjarandry zareo ny mianatra ny antsika fa tsy antsika no terena ahafantatra ny azy.
Io ange no mahatonga antsika "voalohany" foana @ zavatra rehetra e. Na ekonomika io na inona satria @ tenintsika ny maligasizasion, ka tsy mila ianarana intsony. Izay no nahatonga ny ankamaroan'ireo zanak'Iarivo nadefa ny zanany @ sekoly pirivE, any Ivelany, satria mba hianatra zavatra "vaovao" fa tsy io fiteny efa fantatra io.
Fa rizareo avy any amin'ny sisiTosy kosa dia mianatra ilay teny "gasy" aloha vao manao dingana @ teny vahiny.

Izay no mampitsaitsaika ny mpanohitra kamo be tenda milaza hoe: Rekonsiliasion nasionaly e sy ny sisa.

Fantatry ra-dEdE ratsiraka ange io fa ity rangahy ity dia zanak'i Alibera Ratsiraka izay zanak'Imerina ka tsy dia mandraharaha loatra izany fivoaran'ireny avy antsisitosy any. Fika politika fotsiny sy fitiavantseza fotsiny ny hilazAna fa bestimisaraka radEdE. Ny hiankina amindramerina ary hanadonto ny avy any @ sisitosy ny tarigetrandradEdE tao anatin'ny 25 taona. Io ary fa raha nivadihan'ny Razokinibe Ramarisely lery dia nihanahAna sahala @ akoho marary loha. Saika niankina avy tamindr'izareo avy any @ sisitosy saingy olona nodontoina daholo ireto ka tsy afaka niaro azy satria efa voavidin'ingahy filoha hajaina mora foana (ry VJE, Pety, Mariso Evariste, jeneraly mamizara...). Ka io ny anao lahy nandositra any ivelany ka pizamA sisa teny ankoditra.

Ka raha hiverina @ io lazain'ingahy badboy aho dia hoe: Avelao hanaovan'i filoha hajaina azy fa izay ahafahany manao bizna foana no ataony eo fa fotoana very ny fandinihana sy ny fanaovana hadihevitra mikasika an'io satria bizna aloha avy eo zavatra hafa ho dinihina. Na dia handany fotoana eto @ serasera aza ianao dia tsy misy mpitondra andraharaha an'izany.
bizna! Un point c'est tout!

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
4. badboy ( 14/07/2008 12:24)
kidorpamba >> Tsy "réconciliation nationale" no napetrako fa "nation"!! Samy hafa ireo fatsy mitovy!!

Ny hevitra apetrako eto dia ny hoe mitady teny iray tena offisialy, na teny avy aiza io na avy aiza, dia mba ahafahana mametraka ilay "nation" sy ny dikany ho tena izy! ;-) ;-)
5. piste ( 14/07/2008 13:06)
aza be resaka ry kidorop. fa ny teny gasy akory tsy teny merina, ary ny teny merina tsy teny gasy, fa tenin'ireo foko 18 mitambatra. Ka mbola tsy lavorary io teny malagasy lazaintsika ofsialy io fa mbola mila amboarina.
Ary aza ampidirina resaka politika eto fa resaka culturel izao no atao.
6. naughtyboy ( 14/07/2008 13:29)
:-D :-Dpiste> ka amoaka boky momba ny politika sy kolotsaina ary vakoka malagasy nge ty razanety ty fa aza de asina mafy otranzao :-D :-D
7. Nav ( 14/07/2008 14:12)
Amin\'izao fotoana hiverenan\'ny ady hevitra momba ny teny malagasy izao (nohon\'ny fanambaran\'i Rtoa Ministry ny fanabeazam-pirenena hamerina ny teny malagasy eo amin\'ny fampianarana) dia tsara ny mamerina indray ny vokatra fantatra amin\'ny fomba siantifika momba ny teny malagasy.

Natao indrindra ho an\'ny Malagasy rehetra ity valinteny ity, na avy any Avaratra, Antsiranana ianao na avy any Atsimo, Androy na avy any Andrefana, Sakalava na avy any Atsinanana, Betsimisaraka na vy eto afovoantany: Bara, Sihanaka, Merina sy ireo maro tsy voatonona.

Voaporofo fa ny 70% (fitopolo isan-jato) -n\'ny voambolana ampiasain\'ireo fitenim-paritra rehetra eto Madagasikara dia itoviana ary ny fitsipiteny (gramera) dia 100% (zato isan-jato) mitovy: porofo izany fa teny tokana ny teny malagasy saingy miseho amin\'ny endrika samy hafa (kely ihany ny fanavahana), hita eo amin\'ny gadona na fomba fanonona.

Izany toetra izany: \"teny tokana\" dia vitsy mpanana eran-tany, isika Malagasy miisa 20 tapitrisa amin\'ny faritra iray miavaka satria nosy i Madagasikara anefa manana an\'izany ary tokony hararaotina: io teny tokana io (mila fanamboarana sy fanatsarana) no tokony hampiasaina amin\'ny fampianarana (teny enti-mampianatra) sy tenim-panjakana (ampiasaina any amin\'ny Biraom-panjakana).

Noho izany tsy tokony hiteny isika hoe tsy mifankahazo teny: toetra iray lehibe manavaka ny teny malagasy sy ny mponina malagasy miteny teny maagasy io ary tokony ho fantatsika. Poofo tohitra: jereo ao Afrika fa vao mandingana 50 km dia miova teny (tsy fitenim-paritra) fa tena miova teny hafa mihitsy: jereo ao Cote d\'Ivoire, Senegal sy firnena afrikanna maro...

Anjarantsika mponina no tokony hampirisika ny Fanjakana hampihatra izay voalaza ao amin\'ny Lalampanorenana 2007 milaza hoe \"ny teny malagasy no sady tenim-pirenena no teny ofisialy\".

NB: na teny ofisialy aza ny teny frantsay dia tsy tenim-pirenena, ny teny anglisy koa tsy tenim-pirenena, noho izany dia tokona havahina ho teny vahiny ny teny frantsay sy teny anglisy.

Tokony haka ny hevitr\'ireo manampahaizana malagasy eny amin\'ny Universite, ao amin\'ny Akademia Malagasy sy hafa ny Fanjakana mba tsy hanaonao foana toy ny tamin\'ny 1972-78 (tsy tamim-piheverana siantifika) na hiverin-dalana (mampiasa teny frantsay) toy ny tamin\'ny 1992.

Izay firenena nampiasa ny tenindrazany irery ihany no tafita sy nahomby (anontanio ao amin\'ny UNESCO): izany no antony tsy nampandroso antsika Malagasy nanomboka tamin\'ny 1960 ka hatramin\'izao.

Misy vaha olana dia ny fanorenana \"Politikam-pirenena momba ny teny\" (izay tsy mbola ananantsika hatramin\'izao taona 2008 izao): any amin\'ny Fanjakana io dossier io amin\'izao fotoana izao, anjaran\'ny Fanjakana izany no manaporofo na hanao izy na tsy hanao.

Hajanoko eo ny fanazavana fa anjaranareo no manmpy na manaporofo na manome izay hevitrareo.

8. kidoropamba ( 14/07/2008 15:44)
piste:

aza be resaka ry kidorop. fa ny teny gasy akory tsy teny merina, ary ny teny merina tsy teny gasy, fa tenin'ireo foko 18 mitambatra. Ka mbola tsy lavorary io teny malagasy lazaintsika ofsialy io fa mbola mila amboarina.
Ary aza ampidirina resaka politika eto fa resaka culturel izao no atao.

hin!hin!hin!hin! io ary fa tsy azo kitikitihina ny afero satria mamparary ny "aty".
Raha mitovy razokinibe etsy ambony (70% hoy izy) ny fitenin'ny malagasy rehetra nahoana ary ry ra-badboy sy ry zareo avy any dEGO tsy afaka miresaka raha tsy @ teny vahiny? hin!hin!hin!Zaho aloha potsepotseriko ny voamasony fa tsy misy tsinakinafinafina eto.

"Aza ampidirina resaka politika" eto hoy ranamana "piste" fa "culturel" izany hono ilay resaka. hin! hin! hin! f'angaha ny culturel tsy politika? Tena tsy maharaka anay TIM kosa nareo izany.

Potsiro ny voamasony dia hohitanao ny marina, raha tianao ho hita marina ny "marina". Fa raha te hanao resaka pokona mamontaoka kosa dia tohizo ny lalantsika.

Raiso ny 17 Foko ary Merina iray, tsy mbola tany andakilasy mihitsy (zaza 4 na dimy taona) apetraho miaraka @ lakilasy iray dia hanaovy tantara @ teny "malagasy" araky ny fahaizanao azy, ka asaivo milaza ny fahazahoany ilay Angano, fa ho hitanao eo iza amindry zareo no manavAnanana bebe kokoa @ tenin-dreniny ary ny teny mahazatra azy.
Tsy ilaina ny manao sinema na sarintsariny @ izany.

Milaza mantsy izahay ato @ TIM fa "tsy malgachisation" ilay izy fa "une transmission du savoir de base à partir de la langue maternelle". Io izany porofo mivaingana fa "langue maternelle" no tianay hametrahana ny tenin'ny fampianarana.
Ka ndana any nosybe, na any morondava, na koa any belo sur tsiribihina, na any antsohihy dia lazao aho eto inona ny "langue maternelle" any; ary ampitahao @ "langue maternelle" eto Iarivo. Dia ho hitanao koa ny vokany.

Fehiny: Tsy azo atao kitoatoa io fanabeazam-pirenena io fa hilAna fandinihana lalina sy fifaneken'ny be sy ny maro satria ny firenena, ny vahoaka no tadivina ho "beazina". Hafa ange raha fitondrAnay TIM e. Io tsy mila fanabeazana izany fa "bizna" foana, maraina, antoandro hariva. Io ange no tsy handrarahanay an'io fanabezampirenena io ka hanaovany @ izay hitiavanay azy ny maligasizasion.

Potseriko ny vomasony, potsiriko ny afero, satria TSY HANOLO-BATO MAFANA an'i filoha hajaina Ravalomanana aho.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God bless Ravalomanana^:^
9. tsimati ( 14/07/2008 15:45)
Ny an'i naughtyboy dia mampifangaro ny satroka sy salaka. :-D :-D :-D
10. naughtyboy ( 14/07/2008 21:03)
ny kolotsaina tsy politika fa aza manalabarabatana araky ny teninao ny salaka sy ravimb... de mifameno fa tsy mitovy :-D :-D :-D :-D lavitry ny afo ny kitay :-D :-D :-D
11. ratakktikk ( 14/07/2008 21:24)
Tsy azo atao kitoatoa mihitsy ny fanabeazam-pirenena ka tsara raha ny teny malagasy no teny enti-mampianatra ny zanaka malagasy fa tsy ny tenin'ny mapanjanatany.

Ny mbola fifikirana amin'ny teny frantsay dia midka fa mbola voazanaka ara-tsaina indray.

Henatra sy fahafaham-baraka ny mahita zanaka malagasy vao 1 na 2 taona monja dia mibadabada amin'ny fitenin'ny firenen-kafa fa tsy aminin'ny fitenin'ny tanindrazany.

Tsy adala ny firenana izay mandany vola tsy hita pesipesenina amin'ny fampivelarana sy fiarovana ny fiteniny.
12. tsimati ( 14/07/2008 23:41)
Tsy resaka fanjanahana intsony ny fanagasiana fa hevitra hafa.
13. kidoropamba ( 15/07/2008 09:12)
"Raha te hanao bizna, dia dontoy ny vahoaka mpanjifa mba hanjifa izay zavatra rehetra aroso azy; ary poteho ny fanabeazampirenena satria mety miteraka mpanohitra kemo be tenda ". Teoria an'i filoha hajaina Ravalomanana io ary tokony apetraka ao anaty boky mba hianaran'ny ankizy.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana^:^
14. tsimati ( 15/07/2008 15:09)
Efa manomboka lasa koa ty. Vetivety dia mahalasa ny resaka politika raha izao :-D :-D :-D
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0402