ontsa ny foko

1. xxx ( 14/07/2008 09:07)
Mampalahelo anahy mihitsy rehefa mba mamaky ny soso-kevitra sy ny vaovao ato ny tenako. Ny ampandroso ny tanitsika sy ny mba hampanakarena ny malagasy no tanjona nefa dia mifafatra any amin'ny fisikerana sisa no mba afaka ataontsika. Dia tena tsy hevitra mihitsy ve hahatafita antsika re olona o?
novalian'i tsimati ny 16/07/2008 14:35
2. tsimati ( 14/07/2008 10:10)
Izay manantsaina hampivoatra dia tohizo ny saina tsara na eo hatrany aza ny mpametraka hoditr'akondro.
Schumpeter nilaza fa ny fifaninana manosina anao hivoatra ary hanaraka sy hioatra ny fivoaran'ny mpifanandrana aminao. Raha tsy izay dia ho levona sy hanjavona ianao. Ny an'ny Elita Gasy mpanipy hoditr'akondro indray dia aza maika amin'itsy, aza rototra amin'iroa fa tsy laharampahamehana izany. Aiza ve ka olombelona Malagasy mipetraka ao Frantsa mahita ny fivoarana avobe indray no manisy sira ny fametahana fehikibo ny mpamily fiara ao Madagasikara. Ohatra farany tsotra iny fa saingy taratr'ireo solontena lasa andafy.

Zaran'ny ratsy loha ianao taigenambozona eo foana ka aza ontsa ny fo fa tohizo ny ezaka ary hampaherezo izay tsara toe-tsaina. tsimati io fa tohizo :-D
3. kidoropamba ( 14/07/2008 10:14)
Ny fahafahana mitsikera dia efa lalana @ fandrosoana hoy ireo mpanohitra kamo be tenda.
Ny anay kosa, dia tsy misy tsikera azo atao fa dia fanompoana rano fotsiny @ zava-bita izay lazain'ny mpitondra fanjakAna na dia tsy voaporofo na tsy miantefa @ vahoaka aza izany.

Io ange no mahatonga ny ministrin'ny serasera nilaza hoe: Tsy azon'ny mpanohitra kamo be tenda atao ny mandeha @ radio sy télévizion mpanjakAna satria an'i FanjakAna io fa tsy hoan'ny vahoaka. Ka tsy hisy mihitsy ny tsikera fa dera sy laza no ataontsika dokambarotra.

Eto @ serasera koa dia tsy tokony ho hisy tsikera azo atao satria tsy mampandroso izy io. Ndao hi-dera sy hankalaza ny tompo mahery filoha hajaina Ravalomanana fa tsy mbola nisy mpitondra fanjakAna teto nikasa hampandroso marina an'i Madagasikara raha tsy izy IRERY. Io no hanaovany varoboba ny tanindrazana sy ny firenena malgasy (@ anaran'i bizna) sy hanaparitahany vovon-dainga eran'ny lafy valon'izao tontolo izao.

Ny fandrosoana dia ny fanafoanana ny tsikera @ fanapotehan'ny firenena! Ny fandrosoana dia ny fahanginana ary ny fanekena hatrany ny fikorosoan'ny firenena any ankadin'ny adalAna.
Ndao isika hiasa, hiasa hatrany, hiasa mafy mba hampandroso ny firenena fa tsy variana ny mitsikera izay adalAn'ny mpitondra eo fotsiny.

Dera sy laza ho anao filoha hajaina Ravalomanana
Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana^:^
4. tsimati ( 14/07/2008 10:27)
Rehefa mitapy dia milaza. Tsy misy mpanompo sy tompoina eto ary tsisy mpanjaka ao Madagasikara satria fifidianana no nahitana ny filohany. Anjaranao no maneho ny mahaizy anao raha tia mba haka sezan'ny filoha fa aza manimba loha. na tany aiza na tany aiza tsy hamono tena ka ny hanimba ny fanjakana no avelany hitohy hanimba azy ao amin'ny seraseram-panjakana. izaho tsy afaka ny hiditra any aminao ary ny fanjakana solotenan'ny vahoaka natao ho an'ny vahoaka fa tsy ny mpanohitra no hibaiko azy.
5. kidoropamba ( 14/07/2008 10:34)
Marina ny anao ry tsimati: tsy ilAina mihitsy ny hevitr'ireo kamo be tenda mpanohitra gaigy lahy fa ny radio sy televizion mpanjakAna dia an'i mpitondra azy ihany ka afaka izy manao izay saimpatanay na manilika ireo izay "tsy" fan jakAna fa mpanohitra kamo be tenda.

Tena marina io lazainao io.

Tafita Iiska Malagasy.
Gode blesse Ravalomanana ^:^
6. badboy ( 14/07/2008 12:37)
xxx >> Tena hatrany @ maternelle no tokony hampisehoana io tokony hanome hasina ny mahagasy io @ fomba fiasa TSARA, MATOTRA sy tsy PETATOKO!
Fanabeazana no fototry ny fahaizana mampita ny zavadehibe @ fiainana! Maro ny hevitra voaray (idée reçue) tokony ho foanana @ izany! Eo no olana ngezaba manakana ilay fahatokisana ny ZAVATRA SAININ'NY GASY SY NY VITA GASY!

Hamaranako azy dia sady mila mivoatra ilay toetsaina no mila mivoatra miaraka @ izay koa ilay fomba fanao! Isika matetika, rehefa tia ho tonga @ ilay tanjona iray dia mandoro sy mitsambikina dingana (brulé des étapes) tokony ho nolalovana, hany ka mitsingevana sy mora miongotra ilay fototra!

Izay no hataoko hoe dia ny mbola any amboalohany, mbola kely, dia efa tokony haseho hoe rehefa manao nytsara dia misy vokany tsara, ary rehefa manao ny tsy mety dia rasty ny vokatra azo. Fampisehoana azy ny fandraisana andraikitra io @ izay ataony any aoriana! ;-) ;-)

PS : efa napetraka koa ilay pôlitika hoe mifanaraka @ ilain'ny firenena ny programan'ny sekoly, tena tsara ary inoako fa hitondra vokatsoa tsy ho ela! :-P :-P
7. xxx ( 14/07/2008 12:57)
xxx:

Mampalahelo anahy mihitsy rehefa mba mamaky ny soso-kevitra sy ny vaovao ato ny tenako. Ny ampandroso ny tanitsika sy ny mba hampanakarena ny malagasy no tanjona nefa dia mifafatra any amin'ny fisikerana sisa no mba afaka ataontsika. Dia tena tsy hevitra mihitsy ve hahatafita antsika re olona o?


aÏÏÏÏÏÏÏÏ! mba mi exagère koa anie i xxx izany e!
am fomba ahoana koa no hampandrosoana ny tanintsika sy hampanankarena ny malagasy amin'ny alalan'ny forum

:-D :-D :-D :-D
8. naughtyboy ( 14/07/2008 13:17)
xxx voalohany > mitombina ny voalazanao fa fitaizana aratsaina zay fitaovana voalohany entina mamokatra @ alalany hevitra ifanakalozana sy
torolalana samihafa azo atomboka eto fa tsy iandrasana any antsekoly ary isaorako manokana ny mpamorona sy mpandrindra ty tranokala ty

xxx faharoa >dingana fampivoarana ny rafimpisainana zay antoky haretsaina @ alalany serasera no tanjona eto (mass media effect),fa tsy finalization na fampidirambola ho any malagasy any @ banky :lol:
9. xxx ( 14/07/2008 15:39)
hoy naughtyboy:
tsy finalization na fampidirambola ho any malagasy any @ banky


ka izay indrindra mantsy! tsy hitako ny hidiran'ny hoe fampandrosoana ny tanintsika sy ny hoe hampanankarena ny malagasy eto amin'ny resaka dinika....
dinika sy serasera no hatao mantsy eto....
10. tsimati ( 14/07/2008 15:39)
Tonga ny elita manjabe. Elaela kely an. Dingana sa step sa étapes sa mitapitapy ahahaha :-D :-D :-D Sa elita :-P :-P :-P
11. naughtyboy ( 14/07/2008 21:01)
enaro kalo ny fandraisana hevitry ny hafa vao mitsara ry tsimaty fa mbola lavitry ny afo ny kitay :-D :-D
12. ratakktikk ( 14/07/2008 21:40)
Ny sasany miseho be saina sy mahay mitsikera fotsiny fa rehefa ampandraisina andraikitra tsisy atokona akory.

Io mitovy amin'ny lalao baolina kitra ihany; ny mpijery miseho mahay noho ny mpilalao sy mpanazatra; nefa rehefa harotsaka ambony kianja, na handaka baolina aza tsy hay.

Tohano izay manao zavatra, ary toroy hevitra fa aza sakatsakanana sy kiviana.

Na manaova tsaratsara kokoa noho izay vitan'ny hafa ho hita maso raha mahavita fa tsy faly manakiana foana. (aimin'ny fiainana andavanandro io fa tsy resaka fampandrosoana ihany).
13. tsimati ( 14/07/2008 23:57)
Okay marina iny ry dadatoa. Ry elita gasy anie afaka manaporofo fa REHEFA MIJERY AN'I BECKHAM MANDAKA BAOLINA FOANA DIA MAHAY MANDAKA SAHALA NY ATAONY. ahahahahaha Elita gasy mampiomehy ve ?
14. naughtyboy ( 15/07/2008 12:59)
efa mbo vhv lehibe ihany razanety faza manao fihetra ankizy tsy ampy ranonorana toy izao :-D =)) io ndray zao de romotra anompa na anambany ny tenany =)) :-$
15. tsimati ( 15/07/2008 15:12)
Porofoy fa rehefa mijery baolina dia mahay mandaka baolina ary rehefa mipetraka andafy dia mahay mitondra firenena. Vita kabary
16. naughtyboy ( 16/07/2008 09:51)
misy fotonany ny zv rehetra fa ny aina no mateza...the romans didn't build Roma in one day :lol: :lol:
17. tsimati ( 16/07/2008 14:35)
Andraso eo ra-kidoropamba
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0786