Zavatra manao resaka ankolaka hatrany no tena fikafika sy tetik'i kidoropamba fa izay tsy mahazo na maika fijery no tratrany eo. Jereo fa miafara any amin'ny hoe filoha hajaina rehefa avy nilaza hoe taolana sisa ny Malagasy.
iza no tsy mahalala fa tsy any dago badboy fa sasi-teny daholo io mba hanehoana fa resy tanteraka ny Malagasy ary mila hovaina ny mpitondra.
Ho anay kosa dia tsy afaka ovaina amin'ny zavatra tsisy ny mpitondra na mavaivay aza. Hita ary mitombona ny hanoloana azy ary amin'ny ara-dalana dia tsy maintsy miala izy na ahoana na ahoana. Sahala izay no nahalany ny TGV tao Antananarivo Ranivohitra. Koa raha masaka ry kidoropamba sy ny namany dia mihetsiketse fa aza variana manao hesoteny. Lasanareo ny fitondrana ary manaraka anareo mora foana ny vahoaka raha mmitombona ny ataonareo. Hatramin'izao aloha dia resaka manala azy ary tsy maha-koty vahoaka ny fikanareo. Izahay tsy hiteny hoe filohahajaina sns fa ho ela velona sy ahay hifidy ny solontenany; ny mpitondra azy ary tsy ho variana amin'ny resaka mandany andro anie ny vahoaka Malagasy.