Maligasizasion: 2 volana dia vita

21. tsimati ( 10/07/2008 16:33)
Tsy ilaina ny elita gasy tia ho vazah nefa vola boritrabe. :-D :-D :-D
22. hoby ( 11/07/2008 16:49)
marina daholo izay lazinareo ,
fa ny zanakin`ny manana de hanana toerana tsara ihany amin`ny fianany ho avy fa ny zanakin`ny tsy manana de mety adeha hitery ronono raha gasy no tompon`ny ferme satria siora aho fa vao afaka cepe de mihena ny manohy satria efa mahay manisa tsara sy manoratra andeha miasa fa aleo ny zanakin`ny manana hiasa saina amin`ny teny vahiny eo , fa nareo efa mahay bonjour na hello sy ca va , ny papier race rehetra any aminany bureau atao teny gasy avokoa tsy misy olana intsony ,
bonne contuniation a tous et bon courages ca n`est que des debut . :cry:
23. kidoropamba ( 11/07/2008 17:23)
Deraina aloha ny filoha hajaina Ravalomanana @ fahaizany manokana mandrebireby ireo gasy any andafy any milaza azy hoe manohana ny maligasizasion kanefa tsy mody akory ary tsy rototra akory hampianatra ny zanany aty antanindrazana.
Mila hankingantsaina vao mahatafavaoka io fisainan'ny filoha hajaina io.

Ny itiavako ny maligasizasion dia tsotra: Ahafahana manao bizna moramora kokoa. Mora mihitsy ny manao bizna @ gasy donto saina sy mora handaingAna. Raha olona maraniranitsaina sy nahita fianarana lavidavitra mantsy dia manahirana satria toa te hanohitra foana ry zalahy ary sarotra handaingAna.
Fa ireo dontodonto saina, ireo izay tsy mba namaky boky raha tsy ireny "koditra", "benandro", "zilibe", "eh!" sy ry "ra-danz" ireny dia mora hanaovana bizna. Fa raha miresaka @ ireo izay mba namaky andry socrate, stiglitz, rousseau, Sen, na irony gazety Times, herlad tribune sy ny sisa dia tena sarotra ny mandrebireby an'ireny na koa mamitaka an'ireny amina bizna.
Ka tsara fitontoana mihitsy ity maligasizasion ity satria ilaina dia ilaina ny hanaovana bizna eto madagasikara @ ireny vatosoa, hazo, sy ny sisa izay mameno ny harempirenena. IlAna vahoaka donto io mba ahamoramora ny bizna ka mifandraika tsara @ maligasizasion.

Ary mora hambakaina ange ny gasy e: Lazaina fotsiny hoe: tenindrAzana ange io ka tsara fantarina e, dia miondrika daholo ny "senogaly gasy" fa marina izany. hin hin hin hin!
Ary raha hanontaniana ireo izay milaza azy fa "maligasizasion hiringiriny" hoe: aiza ny zanany no mianatra, mibitika ery izy ary jejojejo milaza fa any @ "sekoly pirivE é (tsy miankina io), any amindry sekoly masera é, any amin'ny collège dE Firansy é, any @ lycée FiransE e....Fa tsy misy milaza mihitsy hoe: ao @ Sekoly fanabeazana fototra ao nanisana ka @ taona T2 ao.
Fa faly mibitibitika fotsiny hoe ecole privée sy ny sisa.
Ny sasany moa mandefa ny zanany any ivelany mihitsy. Ry zareo any kanada sy frantsa ary zamerika aloha dia mieboebo fa mianatra @ "school" izao e, @ "école" izao e.ny zanany ka manana ny kolitiora mamaky boky hono...
Ny anay aloha dia tE-2 na tE-3 foana sy trimobE sy soitika, saka sy ny totozy, ikotofetsy sy imahaka ihany no ady eo. Na dia efa okazion bE ilay boky satria ery analakely no hividiananay azy mba moramora

Mazana ianao ry filoha ka deraina manokana e.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
24. tsimati ( 11/07/2008 23:45)
Fanagasiana tsy midika fa KODITRA sy BENANDRO no vakiana. Manaraka izay ny mpanakarena tsy fahavalo fa tombony ny azy noho izany afaka mampianatra ny zanany any amin'ny sekoly parantsay izy. Fa naninona izy no nanao izany satria raha ny lasa no jerena dia tsy mahatoky ilay fampianarana izy ary manana ZO feno izy andefa ny zanany any amin'izay hitokisany na andafy aza.
Tsisy milaza mihintsy fa rehefa mpanankarena dia maranitsaina ary rehefa mahantra dia donto. Efa niainana fa betsaka ny mpanakarena Malagasy no DONTO. Mahay mitady vola fa tsy mahay inoninona ny zanany any ampianarana ary manome vola ny bandy kely misy atidoha. Miala tsiny fa tsy resaka faobe io kanefa zava-misy. Raha ny fividianana diplaoma tamin'ny andron'ny fitondrana teo aloha na ny mpampianatra tsy mahay teny parantsay dia diso tanteraka.
AVERIKO ARY FA MANINONA NO MISY YAHOO INDONESIA, MALAYSIA, ARABIC, RUSSIA....ankoatran'ireo izay teny efa hiraisampirenena ( English, french,....)
REHEFA NATAO HOE SERASERA TENY MALAGASY VE DIA LASA TSY MAHAY TENIM-PARANTSAY ARY DONDRONA MPAMAKY KODITRA SAHALA ANAY NAREO RA-KIDORO ?
25. kidoropamba ( 12/07/2008 14:39)
hin! hin! hin!
Dera sy laza hoan'i filoha hajaina Ravalomanana @ ity fanaoavana maligasizasion miendrika kitoatoa (bilagindra-prezy foana ange io e) ity satria hita mihitsy fa miady hevitra ry zareo any ivelany any.
Ny eto madagasikara aloha dia tsotra:
1- Mazana ireo mpampianatra satria "tsy nisy fiofAnana akory" fa dia tonga dia vavany @ fidirana @ septambra ho avy izao hanao T1- T2 T3 T4 T5....
2- Mazana ireo ankizy satria tonga dia gasy ray gasy reny ny fianarana satria atao @ fitiavantanindrazana izy io fa tsy bizna fotsiny.
3- Mazana ireo gasy d'andafy izay mamporisika ny filoha hajaina Ravalomanana @ maligasizasion satria ny zanany dia efa any @ sekoly firantsay, angilisy, zamerikAna, kanadiAna sy ny sisa fa tsy hiatrika ny tenim-pirenena. Eto @ forum foana izy misary adala hoe mikirakira tenindrAzana fa tsy mba handefa ny zanany any @ sekoly fanabeazana fototra ao antampoketsa ry zareo fa kosa vonona hizesta hanao vankasa any dago ka hiteny angilisy sy teny firantsay @ ireo ankizy any ambohimanarina donton'ny miiba miabo sy trimobe sy soitika.

Efa tsirakit'i Filoha hajaina ange io ka ny fitiavantanindrAzana no nalefany aloha.
Raha tena tsy mahadonto marina mantsy izy io dia efa maro ireo gasy d'andafy (indrindra ry zareo any zamerika sy kanada) efa nody niazakazaka nanAla ireo zanany mianatra any ivelany ka nisoratra anarana voalohany teto madagasikara. Sady ny firenena malgasy koa moa amin'izany efa mitovy tsy misy misy valaka @ ireny firenena mandroso ireny satria feno "by pass", sy salle de konferansy ngedabE ao Ivato ao.
Milay ilay filoha hajaina Ravalomanana raha hanadonto saina ireo milaza azy be diplaoma any andafy.

Aleo aloha revena miadana ry "koditra" sy "benandro", indrindra fa ra "zilibe" fa ny maligasizasion aloha izao no lamaody satria TSY AZO NY VOLA HANATANTERHANA NY MAP ka aleo verezina sy dontoana moramora ny pokona vahoaka malagasy sao dia mitady hanohitra eo.

Tafita Isika Malagasy
Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana ^:^
26. tsimati ( 12/07/2008 14:56)
Rseka tsy mitombona ny anao ra-kidoro ooo. Rehefa miresaka na mampiasa teny Frantsay dia Frantsa no ao antsaina saingy raha mianatra teny Anglisy tsy resaka Angleterre ihany fa afaka USA, Australia, afaka India, afaka Canada, afaka iao tontolo izao koa inona no hidoikaina amin'ny teny frantsay tsy nitondra inona. nampiasaina fotoana maro nefa nandrosonankaiza ?
na teny Malagasy na teny hafa 1+1=roa=dua=two=zwei=ni=deux=.... fa tsy hoe satria koditra dia ny roa gasy = deux+satu frantsay. :-D :-D :-D
27. kidoropamba ( 12/07/2008 15:05)
Hisaorana an'i tsimati @ hevitra mihezinezina arosony io fa tena mitombona.
Miandry izany izahay mba ahatonga an'i zanaky tsimati sy ny fianakaviana manotonolo hanatevindaharana ny maligasizasion ka hiverina aty madagasikara amin'izay fa tsy ialokaloka any lavitra any ary mamafy balala rora hanadontoana ny betron'ireo pokona majinika.

Tandremo fa jerevanay tsara ilay ora an! amin'izay izahay siora fa nody marina ny namana tsimati sy ny finakaviany hanadonto saina ato @ koditra, ra-danz sy ra-ziliba.

Dera sy laza hoan'ny filoha hajaina Ravalomanana
Tafita Isika Malagasy
Gode blesse Ravalomanana ^:^
28. tsimati ( 12/07/2008 15:19)
Ianao no mandefa bala rora sady tatabava eo koa iza moa ?
Fa inona zany benandro zany ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0487