Namana Serasera Dago : misaotra.

1. ikalamako ( 07/07/2008 13:33)
Tsy alefako any amin'i Prezidà irery izy ity, na mailaka manokana ho an'i zoky ravatorano fa aleo atao eto satria dia ianareo rehetra anatin'ny Fikambanana no isaorana, na dia efa maro aza ny fisaorana nalefa tetsy sy teroa.

Fisaorana ihany koa ho anareo rehetra namana eto amin'ny serasera.org izay niray fo tamin'io zaza io nandritra izany ady natrehiny izany.

Fisaorana amin'izay vitanareo tamin'i Kamba, na na tamin'ny vola aman-karena natolotrareo, na tamin'ny vavaka nitrotronareo azy, na tamin'ny iray minitra isan'andro nahatsiarovanareo sy nirarianareo soa ho azy.

Mitombo fahasalamana tokoa izy ao, araka ny vaovao voaray isan'andro. Mahavelom-bolo ny firaisan-kina nasehon'ny rehetra, na ireo namana tsy mifankahalala afa-tsy eto amin'ny tontolo virtoaly, na ireo nifankahalala noho ny fitiavana an'i Kamba, ary ireo nahafoy fotoana, vola sy harena, namangy, niantso an-taribihy, nitondra vatsy hatrany ary nankahery azy mianakavy kely nanomboka ny andro voalohany nahatongavan'izy ireo tao Antananarivo ka hatramin'izao hakatoky ny hodian'izy ireo any Mahajanga izao.

Fisaorana ho an'i Diana, izay nasesiky ny vintana tokoa hifanena amin'i Kamba sy ny reniny, fa nahatana ny toky nomeny izy dia ny hanao izay fara-heriny hitady vaha-olana hitsaboana ilay zaza.

Fisaorana lehibe ho an'i Prof. Clément Andriamamonjy sy ireo mpiara-miasa aminy akaiky ao amin'ny sampana "Neuro-chirurgie" ao amin'ny Hopitaly Joseph Ravoahangy-Andrianavalona ao Ampefiloha, Antananarivo, tamin'ny nanatontosan'izy ireo tam-pitiavana sy fanetren-tena ny adidy lehibe nankinina tamin'izy ireo.

Ny renin'i Kamba sy ny fianakaviana moa dia nindrana an'i Jean sy Bako Razafindambo, izay zoky ray aman-dreny niara-dalana tamintsika rehetra hatrany amboalohany, hisaotra anareo rehetra amin'izay vitanareo, ka http://malagasy.it/?rub=news/news&newsid=n486fd31673bf5 izany teny fisaorana izany (noho izy amin'ny teny frantsay).

Misaotra, mankasitraka, mankatelina. Onera be daholo ny lany. (l)
2. rakaroka ( 07/07/2008 16:02)
'ndriiiiiiiiiiiiiiiy! Mahafinaritra ny fahaiza-miantsoroka sy mihoitra ny sarotra toa izao.Dia hitombo hasoavana anie ilay zaza!
3. sipagasy ( 07/07/2008 19:54)
Mbola mamerina ny tenin'ikalamako ihany e!!!!

mankasitraka ny rehetra!
4. ravatorano ( 08/07/2008 04:46)
ny fisaorana moa dia raisina hatrany ary nohon'ny ezakaka niarahan'ny namana serasera maro no nahavitanana ny adidy kely izay ny fo feno fitiavana no nanaovanana azy.
Omaly hariva dia nahazo antso tany amin'ny renin'i Tombotsara na i Kamba lahy i avylavitra fa sahirana be ry zareo fa torana tampoka ilay zaza rehefa avy nitsindrona.Niaraka nijery ilay zaza tany i avylavitra mivady,glou ary ravato nijery akaiky ny zava nisy tokoa.
Tamin'ny fahatongavanay efatra miaotra tany anefa efa tony ilay zaza ary efa natory tsara fa araky ny filazan'ny reniny azy teo dia efa "ambory" zareo na hoe efa natahotra tokoa tamin'ny ain'ilay zaza.
Za aza moa raha naharay ilay antso tamin'ndry zalahy dia efa ratsy ny saiko satria dia tena hafa mihitsy ange ilay fandidiana natao tamin'i Kamba.
Ny fikambanana namana serasera Dago ihany koa dia maneho etoana ny fisaorana feno fankatelemana ho anareo rehetra izay nanome tanana sy nanampy arak'izay tratranareo tamin'ny fikarakarana ity zaza ity .
Amin'ny zoma izao ry zareo no hivoaka ny hopitaly HJR Ampefiloha ary hiverina avy hatrany any Mahajanga.
Amin'ny vacance namana sersera any Mahajanga dia hihezaka izahay ny hitsidika an'i Kamba Tombotsara ary efa nampanatena an'izany ny reniny.

5. ari.malala ( 08/07/2008 05:51)
Misaotra an'Andriamanitra izany fa vita soa izay ny fandidiana ary sitrana soa i Kamba kely, dia mirary fitomboan'ny fahasalamany hatrany, ary mirary azy ireo ho tody soa any Mahajanga indray. Hiezaka iany hitady fotoana hitsidika sy hanao veloma azy ireo alohan'ny zoma izany :-)
6. endrika01 ( 08/07/2008 08:12)
Hay ve ny namana serasera tena mandray anjara goavana,hoatr izany eo @fiaraha-monina sy ny tanindrazana.Tena tsara mintsy ny fisiany Site Namana serasera.Ny tenanay moa dia mbola vahiny;na izany aza dia mahita fa tena mahafinaritra lay firaisan-kina;mbola tsy very mihintsy lay ohabolan-drazana manao hoe:Trano atsimo sy avaratra;ka izay tsy mahalen-kialofana.Tanana havia sy havanana izay didi-maharary.Izay mitambatra no vato;fa izay misaraka no fasika.Misaotra ny namana rehetra,tsy manadino am-bavaka an i Kamba sy ny fianakaviany:-*:-*:-*
7. lazounet ( 08/07/2008 09:06)
Ikalamako, Ravatorano, Sipagasy , Diana sy ianareo "loholona"rehetra,

Hoy ny mpananihany (toa anay) hoe : "ny vady tsy tiana no isaorana" .
Samy nitondra izay sahaza sy izay tandrify azy avy avokoa ny tsirairay fa dia , irariana ny hitomboan'ny zaza fahasalamana ka izay no ametrahana azy "eo ambany elatry" ny Avo.
Laza
8. lazounet ( 08/07/2008 09:21)
Ikalamako, Ravatorano, Sipagasy , Diana sy ianareo "loholona"rehetra,

Hoy ny mpananihany (toa anay) hoe : "ny vady tsy tiana no isaorana" .
Samy nitondra izay sahaza sy izay tandrify azy avy avokoa ny tsirairay fa dia , irariana ny hitomboan'ny zaza fahasalamana ka izay no ametrahana azy "eo ambany elatry" ny Avo.
Laza
9. karinah ( 08/07/2008 12:34)
Maniry fahasalamàna!!! (l) :-* :-* :-*
10. Angie ( 08/07/2008 14:02)
Tena enga anie hitohy hatrany ny soa toa izao mba tsy hilazana fa virtoaly foana izy ity fa tena ny asa vita no hifampitsarana.

Dia manantena ny maro handray anjara koa @ lay cabaret miaraka @ Namana Serasera Dago ho fanohanana ny asa sosialy toy izao.

Misaotra ny rehetra
:D
11. tsidina ( 09/07/2008 20:48)
Manoratra ity filazana ity ny tena satria zaho dia vahiny ka mbola tsy manana namana aty Denmark, tonga hianatra saigy tsy misy namana malagasy mihitsy hatramin'zao.
Mba valio ity raha ianao no mety ho namako.
Misaotra mialoha.


:D
12. tsidina ( 09/07/2008 20:52)
Mba valio ity zay mba Malagasy mipetraka aty Denmark.
Misaotra mialoha.
13. Bola ( 09/07/2008 21:49)
tsidina:

Mba valio ity zay mba Malagasy mipetraka aty Denmark.
Misaotra mialoha.


Tsy mipetraka any Danemark aho fa soso kevitra ny ahy ho anao hoe manokafa mihitsy hevitra vaovao any @ Diaspora ohatra na eto asa izay hitanao hoe mety kokoa dia @ izay ilay titre tonga dia hitan ny rehetra. Izaho nanao toa anao dia nisy nanome adiresy.
Mbola vaovao eto koa za fa raha sendra manontany ianao hoe ahoana ilay mametraka hevitra vaovao dia jereo eo @ ankavianao (a gauche) ery ambany (somary ampidino ity pejy ity misy soratra vaventy (gras) hoe ny dinika rehetra dia clic eo @ Diaspora na Antso ny fo izay safidinao. Rehefa misokatra ilay pejy dia eo ambony indrindra misy hoe hametraka na hanoratra hevitra vaovao asa fa tsy tsaroako dia sorato hoe mitady namana eto Danemark na izay titre manintona anao fa tsara asio Danemark mba hanaitra ny mason izay any... Dia entre parentheses ity: miteny Danois ve ianao...Izay dia mazotoa fa mino aho fa vetivety ianao dia mahita namana any!

14. Angie ( 10/07/2008 08:50)
tsidina > tonga soa dia araho io torohevitr'i Bola io dia mirary anao hahita namana sy hazoto hamangy.
jereo fotsiny ny holahevitra fa manjary mifangaro @ resaka hafa ka manjary fanina ny namana.
tsiky dia ampy foana e :D
15. ravatorano ( 10/07/2008 10:25)
lasa mi-tsidina zany resaka izany :-D :-D :-D

marina voalazan dra laza ery ambony fa dia misaotra tena ihany iska
endrika01 =D> =D>

angie
16. Ralay ( 10/07/2008 10:56)
tsidina> Tsy hoe akory hanakiana anao akory fa nohon'ny tsy fahalalànao dia manoro anao fa tsy tokony hovaina ny lohatenin'ny dinika napetraky ny namana hafa fa tsy fahalalam-pomba izany eo @fitsipiky ny forum maneran-tany. Raha misy lohahevitra hafa tianao avoaka dia araho ireo voalazan'ny namana Bola sy Angie eo ambony ireo na koa manoràta @ tompon'andraikitra raha mila fanazavana misisisy kokoa.
Misaotra
:lol:
17. endrika01 ( 10/07/2008 12:49)
Ravatorano>tsy hoe dradraina ho ren-tany ,ren-danitra anie e,fa tolorana fisaorana ireo namana mba hanany hery hoenti-mandroso hatrany hatrany,fa tsy hijanona eny atsasa-dalana!:D:D:D Misaotra ny namana serasera any Dago! Ny namana rehetra manko e!:-P
18. ravatorano ( 11/07/2008 05:45)
Société
Méningoencéphalocèle. Cette malformation congénitale très déformante n’est pas fréquente. On peut heureusement s’en débarrasser grâce à une intervention chirurgicale.

37 cas en 8 ans au service Neurochirurgie de l’HJRA
La méningoencéphalocèle est très frappante. Cette malformation congénitale se présente, en effet, comme une grosse bosse ou une excroissance impressionnante et déformante, notamment au niveau de la tête, du nez, du front… « Cette pathologie, pas tellement courante, est due à une anomalie de fermeture du tube neural. Elle se répare parfaitement par une intervention chirurgicale », explique, hier, le Pr. Clément Andriamamonjy, chef du service de la neurochirurgie de l’HJRA.
En un peu moins de 8 ans, de 2001 jusqu’à hier, 37 cas de méningoencéphalocèle (soit en moyenne 5 cas par an), ont été pris en charge auprès de ce centre hospitalier. Ce trente-septième petit patient, Tombotsara, un bébé de 13 mois venant de Mahajanga, a été admis le 3 juin dernier.
« Sur ces 37 cas, trois complications ont été enregistrées. Deux autres cas n’ont pu être opérés. L’un pour des raisons financières et le deuxième à cause d’un retard d’admission à l’hôpital », précise toujours ce deuxième professeur agrégé en neurochirurgie du pays, après le feu Pr. Alfred Rakotobe.
En fait, le coût de cette opération chirurgicale n’est pas à la portée de tous. Il faut un minimum de 440 000 ariary pour la réaliser. En effet, si l’hospitalisation et l’acte chirurgical proprement dit sont gratuits, le bilan préopératoire (environ 25 000 ariary), l’exploration par scanner (270 000 ariary) et tous les médicaments et les consommables médicaux ( près de 140 000 ariary) sont, par contre, à la charge du patient.

SOS

Pour le cas de Tombotsara, issu d’une famille nécessiteuse de Mahajanga, il a eu la chance d’être soutenu par les diasporas malgaches au Canada, à Paris, en Italie, et à d’autres âmes généreuses de la capitale, du Vakinankaratra, de Mahajanga. Et ce, grâce notamment à un appel de solidarité lancé sur la toile par une étudiante en journalisme dans la Cité des Fleurs. Ce SOS a été capté par un autre journaliste malgache installé au Canada, qui, à son tour, a mobilisé les Malgaches de l’extérieur et les neurochirurgiens dans le pays.
Tombotsara, souffrant d’une méningoencéphalocèle fronto-nasale, a ainsi pu être évacué dans la capitale, accompagné de sa sœur jumelle (qui ne présente aucune malformation congénitale), de sa mère et de sa tante. Il se porte plutôt bien actuellement après avoir subi deux interventions : une dérivation ventriculo-péritonéale le 10 juin dernier, et la chirurgie de la malformation, le lendemain de la fête nationale. « Le développement psycho-moteur de Tombotsara est normal. Mais il devrait subir vers sa 2e ou sa 3e année, une chirurgie réparatrice », rassure le Pr. Clément Andriamamonjy. Ce petit garçon rentrera demain à Mahajanga avec sa famille. Tombotsara est maintenant débarrassé de son énorme bosse sur le nez. Les séquelles de la méningoencéphalocèle restent encore visibles chez lui. Mais cette fois-ci, elles sont moins frappantes.

v.a.
midi madagasikara
11/07/2008
19. ANARIM ( 16/07/2008 13:16)
salama tsara i kamba e! d misaotra antsika isika e!
ikalamako : henoko foana ihany ilay anaranjiko fa isika tsy mbola nifampiresaka na in-1 aza fa d misaotra betsaka any am zandrinao vavy zay, izy aloha dia mendripiderana... tsy haiko hoe manketo koa ve izy iny moa sa...???
20. colar ( 17/07/2008 21:59)
ikalamako no sefonay aty ry anarim a,tongava aty de mahita azy,sy mahita ana,hahahahhha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0954