tsy aiko ny lohateniny

1. antsaina ( 04/07/2008 08:37)
slt, tsy aiko tsara ny lohateny fa hira efa taloha misy hoe: rotsirotsimpifaliana,nananana, eo antratranao ry tiana no anolorako fitia, fa na maizimbolana aza,nanana...sahiko eto ny milaza, mandramaty ho doria...
mba omeo anio zay manana azafady e, misaotra mialoha e.
novalian'i antsaina ny 05/07/2008 07:53
2. ni81 ( 04/07/2008 10:41)
Rambao no manao ity hira ity fa misy adino fa fenofenoy e!

Rotsirotsim-pifaliana
Tambitambin'ny fitia
Eo an-tratranao ry tiana
No anaovako sonia
Ka na maizim-bolana aza
Na masoandro vao maraina
Sahiko eto ny hilaza
Mandra-maty sombinaina

Indro aho eto anilanao eto ihany
Ka eny raha mbola tany koa ny tany
3. ni81 ( 04/07/2008 11:01)
ROTSIROTSY

Rotsirotsim-pifaliana
Tambitambin'ny fitia
Eo an-tratranao ry tiana
No anaovako sonia
Ka na maizim-bolana aza
Na masoandro vao maraina
Sahiko eto ny hilaza
Mandra-maty sombinaina

Indro aho eto anilanao eto ihany
Ka eny raha mbola tany koa ny tany
Ianao irery no ho tiaviko hatrany
Sanatria tsy fitiavana adala
Ka avy eo hitomany hoe malala o



4. ainaheri ( 04/07/2008 11:03)
Rotsirotsy


Rotsirotsim-pifaliana, tambitambin' ny fitia
Eto an-tratranao ry tiana, no hanaovako sonia
Fa na maizim-bolana aza, na masoandro vao maraina
Sahiko eto no milaza, mandra-maty sombinaina

Efa nolazaiko anao, ny any an-tokantranontsika
Isan' andro vaky izao, ho masoandro mibaliaka
Tsikitsiky lalandava, paradisa kely soa
Tsy avelako ho rava, ny hasambarantsika roa

Indro aho e, eto anilanao ihany
Fa eny, raha mbola tany koa ny tany,
Ianao re no tiaviko hatrany,
Sanatria tsy fitiavana adala
Ka tomany hoe malala

Izao no hafatro aminao, ny sitrakao no ataoko
Raha sendra mifandao, aza adinonao ny voady
Fa ny vavako miteny, na ny masoko mijery,
Mahazatra anao ireny, ka ataovy tsianjery
5. ni81 ( 04/07/2008 11:07)
Tena tadidinao hatr@ ny farany tokoa. :)
6. ainaheri ( 04/07/2008 12:40)
ni81> za tY rambao zato isanjato ka lol
7. antsaina ( 05/07/2008 07:53)
merci bcp reto fa tena faly be a am i le valiny rapida e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1332