mitady le hira TOKIMPANOMPOANA
2. Lejoba
(
08/07/2008 10:07)
Salama ô
Ilay hira tadiavinao ve hoe : "Raiko ô izaho misaotra Anao .... réf: koa ambarako eto izao ny fahafoizantenako hanompo Anao Jesoa sns."
Raha io dia azoko alefa aminao ny tonony. Azonao atao koa ny mihaino azy amin'ny site internet-n'ny FPMA Ivry Famonjena (miala tsiny fa tsy tadidiko ilay adresse web)
Mandra-pitafa
Lejoba :D
Ilay hira tadiavinao ve hoe : "Raiko ô izaho misaotra Anao .... réf: koa ambarako eto izao ny fahafoizantenako hanompo Anao Jesoa sns."
Raha io dia azoko alefa aminao ny tonony. Azonao atao koa ny mihaino azy amin'ny site internet-n'ny FPMA Ivry Famonjena (miala tsiny fa tsy tadidiko ilay adresse web)
Mandra-pitafa
Lejoba :D
3. Lejoba
(
10/07/2008 10:37)
Inty ve ilay hira?
TOKIM-PANOMPOANA
1- Raiko ô, izaho misaotra Anao
Fa mba nofidianao ho mpiasanao
Ka na dia tsy mendrika aza aho
Nomenao anjara hanao ny asanao.
Z’inona aho Andriamanitro ô
Z’inona moa aho no mba tinendrinao
Mpanota aho tsy mendrika tokoa
Nefa indro fa toloranao ny soa
Refrain : Ka ambarako eto izao
Ny fahafoizan-tenako hanompo Anao Raiko
Tsy handrarak’ilo mby an-doha
Fa tena hanao ny asanao tokoa.
Ka na ny saiko, na ny aiko,
Ny androko, ny hareko, ny fanahiko Jesoa.
Foiko ary hoentiko manao
Sy manefa izao fanompoako izao.
2- Jesoa ô ekeko eto izao
Ny ho fitaovana eo am-pelantananao
Hitoriana ny famonjenao
Hanitarana ny ambaindainao
Hofadiako izany hoe hanao
Zava-mifanohitra amin’ny baikonao
Na hitondra ny fiangonanao
Hanao ny fanaon’izao tontolo izao
3- Ray Tsitoha ô izay iriko
Dia ny fanahinao hambomba ahy
Ka na asa atao na fivoriana
Tsy haroaroako faharatsiana
Jesoa ô mba tovy amiko fa
Ianao tsy hahafoy na hahasaraka ahy
Raha Ianao no miaraka amiko tokoa
Tsy misy asa tsara izay tsy efako.
Fanokanana Diakona 2007
Tafo FPMA Ivry Famonjena
TOKIM-PANOMPOANA
1- Raiko ô, izaho misaotra Anao
Fa mba nofidianao ho mpiasanao
Ka na dia tsy mendrika aza aho
Nomenao anjara hanao ny asanao.
Z’inona aho Andriamanitro ô
Z’inona moa aho no mba tinendrinao
Mpanota aho tsy mendrika tokoa
Nefa indro fa toloranao ny soa
Refrain : Ka ambarako eto izao
Ny fahafoizan-tenako hanompo Anao Raiko
Tsy handrarak’ilo mby an-doha
Fa tena hanao ny asanao tokoa.
Ka na ny saiko, na ny aiko,
Ny androko, ny hareko, ny fanahiko Jesoa.
Foiko ary hoentiko manao
Sy manefa izao fanompoako izao.
2- Jesoa ô ekeko eto izao
Ny ho fitaovana eo am-pelantananao
Hitoriana ny famonjenao
Hanitarana ny ambaindainao
Hofadiako izany hoe hanao
Zava-mifanohitra amin’ny baikonao
Na hitondra ny fiangonanao
Hanao ny fanaon’izao tontolo izao
3- Ray Tsitoha ô izay iriko
Dia ny fanahinao hambomba ahy
Ka na asa atao na fivoriana
Tsy haroaroako faharatsiana
Jesoa ô mba tovy amiko fa
Ianao tsy hahafoy na hahasaraka ahy
Raha Ianao no miaraka amiko tokoa
Tsy misy asa tsara izay tsy efako.
Fanokanana Diakona 2007
Tafo FPMA Ivry Famonjena
