AFAKA i Ramatoa Ingrid BETANCOURT

1. sipagasy ( 02/07/2008 22:41)
Miarahaba ny rehetra

Tsy aritro ny hizara aminareo fa mba faly koa aho fa AFAKA ihany i Ingrid BETANCOURT rehefa avy notazomin'ny FARC taona maro.......
Tsy mpanao gazety ny tena fa aleo aloha mbola hisaotra ny Avo @izay fahasoavana izao e!
novalian'i tsimati ny 05/07/2008 14:37
2. tsimati ( 02/07/2008 23:00)
Mba manampy tosika anao koa aho misaotra ny avo.
3. sipagasy ( 02/07/2008 23:04)
misaotra anao ry tsimati

dia amin-kafaliana no hamaliany ny fanontanian'ny mpanao gazety sy ny fitantarany ny fomba niainany tany anaty ala tany kann, mahavariana tokoa, tena izany ny hoe 'minoa fotsiny ihany e!'

'tonga soa aty @ sivilizasion'a izany hoy izy araka ny teniony teo.

raha ianareo no niaina tanatin'ny fanagejana tany anaty ala tany teo @toerany?? mbola hahavita hamaly sy hanao valan-dresaka @ mpanao gazety tahaka izao veh???? raha izaho manokana dia tsia tsy hahavita aho, fa tena manana hery mafy any anatiny io ramatoa io, deraiko manokana eto.

latsa-dranomaso mihintsy aho t@ ilay vavaka kely teo fa ianareo nga ahoana hihihi
4. tsimati ( 02/07/2008 23:16)
Tena deraiko koa roky latsa-dranomaso. Raha azoko natao mba nofafako Hihihi
5. sipagasy ( 02/07/2008 23:22)
tsimati hihih aleo @izay hiomehy fa kay izy tany koa mba niomehy rehefa mihaino fandaharana t@ onjam-peo mitovy @ 'les guignoles' frantsay kouuh

ouups ary aleo @izay aloha hi-dodo
tsimati koa ndana dodo fa fety be radem izao
6. tsimati ( 02/07/2008 23:26)
Efa dem aty amiko kah. Hihihi
7. ainaheri ( 03/07/2008 04:55)
D miara-paly aminareo kou ny tenanay,mety iany ny tetiky ny prezida Colombie tsy asina resaka politika fa tondé tafihina fotsiny @ zao,arakaraka ifanarahana amindry zareo no otrany mapiseo ny heriny sy ny hambony izy lol
8. ni81 ( 03/07/2008 05:15)
Miarahaba ny rehetra

Tsy aritro ny hizara aminareo fa mba faly koa aho fa AFAKA ihany i Ingrid BETANCOURT rehefa avy notazomin'ny FARC taona maro.......
Tsy mpanao gazety ny tena fa aleo aloha mbola hisaotra ny Avo @izay fahasoavana izao e!
Misaotra nampita ny vaovao e! Mamaly vavaka tokoa Andriamanitra.

http://video.msn.com/video.aspx?mkt=fr-fr&playlist=videoByUuids:uuids:d37f45ca-d6dd-4a4f-a032-f3fd10424c62&showPlaylist=true&from=IV2_fr-fr_actualites_monde_articles&fg=gtlv2

9. badboy ( 03/07/2008 05:57)
Zay ndray ilay fisaorana ny avo!!! Mba henoy hoe ahoana no nahafaka azy, fa amiko manokana tsisy idiran'ny avo ilay izy satria ny arméee colombienne "BIEN INFILTRES DEPUIS DES ANNEES CHEZ LES FARCS" no NANAFAKA AZY SY IREO MIARAMILA AMERIKANINA fa tsy ny avoavonao zao!!!!

Isaorana ny miaramila colombienne sy ny filoha URIBE, sy SAKORZY, sy CHIRAC ary ireo olona bedebe tsy nitsahatra ny nanohana ny famotsorana an'i Ingrid BETANCOURT! Ary isaorana Betancourt tsy namoy fo fa niady hatrany hatrany! Fety be COLOMBIE sy LAFRANSTA!




;-) ;-) ;-) ;-) ;-)
10. sipagasy ( 03/07/2008 06:21)
badboy, izay no tena maha bad anao hihihihi, ka tsy nandohalika nivavaka moa izy sy ny reniny vao tafidina kelikely ny fiara manidina????? sa aminao fitiavana te hilalao vovoka eo euuhh beton eo ny dikan'ny nandohalihany teo, sy ny ananany 'chapelet' eny an-tanany?? anisan'ny Andry niankinany Andriamanitra tsy namoizany fo tany @ nisy azy tany.

tss mba ataovy good @izay ilay bad fa hhmmm hihihi
11. ainaheri ( 03/07/2008 07:46)
:-D :-D resaka avo sy iva ndray reto klé =))=))=))=))
12. sipagasy ( 03/07/2008 08:12)
resabe marina ry ainaheri, fa manome fotoana izany rahariva @ 17h any Paris e! ny avy aty aminay aloha dia hisy solon-tena e! (comité Lille59) io.
13. ainaheri ( 03/07/2008 08:25)
Ny tena izy zany "tsy misy finoana tsy arahan'asa ee",ary io kou arakaraky ny finoan'ny tsi11
14. kidoropamba ( 03/07/2008 08:27)
Mahagaga ahy ihany raha tany charimelicheky ny filoha hajaina Ravalomanana dia afaka t@ gadra nahazo azy ramatoa Ingrid betancourt. Ary mifandraika @ daty naha filoha azy izany satria raha 22/02/2002 ny filoha hajaina lasa filoha dia 23/02/2002 i ingrid betancourt no voasambotra ka nogadraina. Vaovao mahafaly tokoa io satria olona tsy mba nanao ratsy fa nalaina ankeriny ity ingrid betancourt ity.
Raha ry tarek aziz sy ry Hissein HabrE moa no afaka toy izao dia tsy nisy olona faly satria jiolahy ireto olona ireto na avy nitondra fanjakAna sy mpanefoefo aza.

Nefa raha io vehivavy ila frantsay ila kolombiana io no afaka sy nahafaly ny maro dia ahoana indray raha ny vahoaka malagasy manontolo no indray afaka ka tsy miady toerana filaharAna @ fividianana vary, menaka, intsony?
Ilaina miverina haingana antanindrAzana ny filoha hajaina mba ho afaka amin'izay koa ny vahoaka malagasy @ gadran'ny fahantrana hitazoman'ireo mpanohitra azy efa elaela izay.

OiE oiE aloha hoan'i ingrid Betancourt, ary dera sy laza hoan'i filoha hajaina Ravalomanana t@ ezaka nataony tany cherimelicheky eo anolohan'izao fahafahana izao.

Tafita Isika Malagasy ^:^
15. ni81 ( 03/07/2008 08:33)
Zay ndray ilay fisaorana ny avo!!! Mba henoy hoe ahoana no nahafaka azy, fa amiko manokana tsisy idiran'ny avo ilay izy satria ny arméee colombienne "BIEN INFILTRES DEPUIS DES ANNEES CHEZ LES FARCS" no NANAFAKA AZY SY IREO MIARAMILA AMERIKANINA fa tsy ny avoavonao zao!!!!
Samy manana ny fomba fijeriny io! Ny an'ny mpino dia Atra hatrany no deraina voalohany @ zavatra rehetra. Ho an'ny olona sasany dia ny toaka no bobohana (arrosage hoy ilay fiteny) rehefa misy zavatra miseho. Fa samia manao izay mahafalifaly ny fony e!
16. kidoropamba ( 03/07/2008 08:42)
[quote=ni81]
Fa samia manao izay mahafalifaly ny fony e!

Ravalomanana Ihany! Ravalomanana Hatrany!

Afaka i Ingrid betancourt! Isaorana an'i filoha hajaina Ravalomanana.

Tafita Isika malagasy ^:^
17. tsimati ( 03/07/2008 09:34)
Ny an'ty kidoropamba ty ndray dia asesika hivadika ho kidoro daholo izao rehetra izao. na resaka hafa aza dia terena ary miseo tsikelikely ny tarehany. io fa miseho hatramin'ny OE OE. Foton'angatra tss. Tony no namandry patrick2002 koa zay no ampitoviana amina revy sesika.
Badboy indray mahay loatra satria vita angamba ny stage nahazoana faratampony. nandritra ny ady lehibe rehetra dia saika mivavaka daholo na miaramila anady aza manao "Amin'ny anaran'ny ray sy ny zanaka", mapanao baolina manao izany, na aiza naiza manao izany koa tsy hitako ny hisehovana favy amin'izany.
18. kidoropamba ( 03/07/2008 10:25)
Samia manao izay mafahaly azy hoy ilay baikompitolomana etsy ambony. Tonga dia hidiranay ny lanona ka: "God save Ravalomanan" no mahafalifaly anay.

Ka inona no blema amin'izany?
Izany ange tsy mandA akory ny hafalian'i Ingrid Betancourt e.

Tafita ary Isika Malagasy
Ravalomanana? HATRANY HATRANY! ^:^
19. kanota ( 03/07/2008 10:38)
betsaka ny mamon'ny moly aloaha =)) =)) =))
20. kidoropamba ( 03/07/2008 10:48)
Moramora hoa ny fitenenana fa mampigadra.
Maro ireo mpanohitra kamo be tenda sahy milaza fa milalao moly ny filoha hajaina, entina handotoana azy. Misy moa mialza fa mahita an'izany any anaty raopilanina any.
FanasoketAna fotsiny izany.
Tsy misy milalao moly mihitsy izahay ato @ TIM ka tsara ho fantatrin'ny tsirairay.
Tandremo fa azo torIna sy gadraina ange ireo izay manesoeso ny filoha hajaina e. ka noho izany kalama, kalama fotsiny isika ary tohano ny filohantsika.

Tafita Isika Malagasy
God save Ravalomanana ^:^
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5242