Tarana-boanjo tokoa ve foto-boanemba?

1. ni81 ( 01/07/2008 20:43)
Misy vehivavy tavaratra izay miara-miasa aminay:
- Tara lava izy io ary dia mahita lainga ho foronina foana @ zany ary ny sefony indray no somary ampitahoriny...
- Ny vadiny araka ny fitantarany dia namono azy foana taloha ary dia nisaraka moa izy ireo @ zao fotoana izao. Io lehilahy io dia tratra nanafika fiara mpitondra volan'ny banky iray, ary efa nisy fotoana vita ny saziny. Avy eo indray izy dia nanafika olon-kafa indray ary dia tratra ary niverina any am-ponja.
- Ny zanak'izy ireo lahimatoa dia voasazy fa nandoro sy nandroba magazay t@ tanàna ipetrahan-dry zareo, ary @ fotoana izao dia nitsoaka ny toerana nitazonana azy io zatovolahy io (tsy ampy taona). Niantso ilay mpiara miasa aminay ny manam-pahefana nanontany, fa namaly izy hoe tsy fantany izay misy azy.
- Ny zanany vavimatoa koa, 17 taona dia bevohoka ary dia natao raharaha arakan'ny fomba silamo; ilay tovolahy (vadiny) koa izany izao dia lasa nigadra vao tapa-bolana izao.

Mampalahelo.


novalian'i ni81 ny 02/07/2008 18:08
2. tess ( 01/07/2008 21:15)
otran'izany lay antsoina hoe voaozona....angamba
tsy misy azo hatao fa dia jiolahy iray trano ka aleo aloha mi assurme ny asa ratsiny, tsy fakàn-tarànaka ihany koa angamba sao manaranaka
3. niryna ( 02/07/2008 00:02)
Mampalahelo izany fianakaviana izany. Mety mitombona ny tenin'i tess.
4. RATOVOARY ( 02/07/2008 12:40)
Misy le fomba fitenenana hoe : " Fantaro ny sakaizany de ho fantatrao ny toetrany " => Izay no mety mahatonga azy mianakavy ho ohatr'izao. Sady izao koa e! Ny ankizy raha vao kely de arakaraky ny fomba fitaizanao azy ihany no ho toetrany rehefa lehibe ambonin'izay efa izay koa no rivotra hiainany ao an-trano, mety efa faingapaingan-tanana sy mpangalangalatra izy fahiny kely fa tsy voararan'ny rar, satria na ny rar-ny aza mpanao de efa za-dratsy mandra-pahalehibe ( zay le hoe : tanana zatra nitsotra )
5. niryna ( 02/07/2008 16:36)
RATOVOARY:

Misy le fomba fitenenana hoe : " Fantaro ny sakaizany de ho fantatrao ny toetrany " => Izay no mety mahatonga azy mianakavy ho ohatr'izao. Sady izao koa e! Ny ankizy raha vao kely de arakaraky ny fomba fitaizanao azy ihany no ho toetrany rehefa lehibe ambonin'izay efa izay koa no rivotra hiainany ao an-trano, mety efa faingapaingan-tanana sy mpangalangalatra izy fahiny kely fa tsy voararan'ny rar, satria na ny rar-ny aza mpanao de efa za-dratsy mandra-pahalehibe ( zay le hoe : tanana zatra nitsotra )

mitombona tokoa izany.
Misy olona tsy hoe fahantrana no mahatonga azy angalatra ohatra fa noho ny fitiavany sy noho ny toetra ratsy izay tiany.Firifiry ny olona mpanankarena tratra mangalatra eny amin'ny mpivarotra? Asitriny any anaty soutient-ny ny zavatra tsy dia mankaiza akory,maneno ny varavarana vao fantatra izy.
Misy ankizy hoentin'ny reniny eny an-tsena dia fahanany ilay sakafo ao amin'ny mpivarotra ny zanany,vahany ny plastic misy ilay voaloboka ohatra dia zarainy ny zanany efatra ,mihodikodina eo izy dia lany ilay voaloboka farany dia maro karazana toy izany no ataon'ny reny ny ankizy ka rehefa lehibe izy dia manao toy izany koa satria tsy noheveriny fa tsy mety ilay izy.
Izay ilay hoe zaro amin'ny lalana tokony alehahany ny zaza ka na dia lehibe aza izy dia tsy hiala aminy izany.Voafoaka daholo io na tsara taiza na ratsy taiza.
(l) niryna
6. ainaheri ( 02/07/2008 17:23)
Giravy iany zany klé,...ilay zanany lahy alou io resaka fitaizana ee,na ilay zanany vavy kou aza mety we naman'ny dadany sy ilay anadahiny @ asa ratsiny
7. ni81 ( 02/07/2008 18:08)
Mampalahelo izany fianakaviana izany. Mety mitombona ny tenin'i tess.
Mety ho marina izany, nefa koa angamba raha tena miezaka miala @ ratsy, ary hiezaka ny hampivoatra ny fiainan'ireo zanany ireo ilay reniny dia mba ho hafa no fisehony; satria vao vita ilay antso an-tariby (polisy miambina ilay zanany lahy angamba) dia tonga izy dia niantso ilay zanany nanao hoe:
"miafena tsara ianao fa vao niantso ahy teo ny olona tao @ nisy anao...".
Marina fa @ maha-reny azy dia malahelo ny zanany izy, nefa ny firaisany tsikombakomba aminy vao maika hampilentika azy @ heloka hatrany fa tsy hanova azy mihitsy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2672