mila fanampiana amin ny fandefasana entana.

1. ninietbou ( 01/07/2008 09:17)
hono oa ry zalahy ny fandefasana entana @ chronopost eto frantsa mankany mada ve mba azo antoka fa ohatrany tena lafo be ?
mba mila fanazavana re .misaotra mialoha
novalian'i bazylou ny 25/07/2008 13:14
2. lemenakely ( 01/07/2008 09:28)
ninietbou:

hono oa ry zalahy ny fandefasana entana @ chronopost eto frantsa mankany mada ve mba azo antoka fa ohatrany tena lafo be ?
mba mila fanazavana re .misaotra mialoha



mbola tsy nandefa aho aloha fa raha mahalàla hôtese na steward no tsara kokoa
3. ainaheri ( 01/07/2008 10:52)
Za tsy mbola nandefa ,fa ity misy raha mahasoa anao http://transport.madachange.com/mdct_emballage.html
4. Bola ( 01/07/2008 19:14)
Ilay zokiko any taratasy no falefany chronopost dia iny no fantatro hoe tonga foana satria mila sonia.
Raha entana dia matetika alefa fret na ilay site nomen ilay namana io ambony io koa toa interessant raha afaka mandeha @ ilay toerana.
Avy aty Canada indray ny fanaoko dia asiana assurance. Somary lafo kokoa fa ny entana nalefa normal tsy tonga fa ny assure tonga daholo. Misy numero aza hanarahana ilay izy koa. Mety tsy sahy mikitika ny post any fiheverako azy raha misy assurance sy tracking number satria raha very iny ka misy ny audit na ohatra izany sarotra @ ndreo ny hiala. Ary raha very ilay entana dia ny poste aty manolo izay valeur apetraka eo.
5. ninietbou ( 02/07/2008 07:13)
misaotra anareo namaly fa tena nahafapo ny valinteninareo.
fa ilay madachange niresahin ilay namana etsy ambony anie to any paris fotsiny eh or zaho mipetraka aty lyon.
6. bazylou ( 25/07/2008 13:14)
Ity misy olona atokisako sy fantatro hatriin'ny ela mandefa entana. Anontanio izy, rrichara@yahoo.fr
merci e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1697