Fitiavana mandrakizay...

1. minoulavitra ( 26/06/2008 10:52)
Ho anareo efa ela nihetezana ka lava volo, mba omeo sosonkevitra hibanjinana anlé oé Fitiavana mandrakizay @ samy mpivady. Mampalahelo manko lé mahita ireto mpivady "voatery" mandroso mangataka fisarahana rehefa misy olana. Etat d'esprit ve lé Fitiavana mandrakizay nifanomezana teo @ alitara sa tena azo iainana tokoa n'inona n'inona zava-mitranga?
répondu par brado le 08/07/2008 12:49
2. jefra ( 26/06/2008 14:48)
Zay afaka mamaly tsy afaka miteny akory hoe mandra-maty, satria mbola afaka manoratra eto izy :lol:
Ny mandrakizay anefa ... heveriko hoe mbola any aorian'ny fahafatesana. :lol: :lol:
Koa tsary haiko valiana iii, na dia mba anisan'ny efa soarasoara eto aza ny tena.
3. tess ( 26/06/2008 15:52)
ka ilay izy koa rehefa hoe tsy hety dia tsy hety e!

eviter-o ny monotonie e! mba asio projets tsindraindray na matetika...
izay no soso-kevitro, rehefa matoritory ny lahy dia ny vavy no manimpy hevitra raha ny vavy no matoritory dia ny vavy no manetsiketsika
:P fa tsy miaraka mangorera dia lasa mifankaleo ao dia mitady hirika nisarahana ny farany :-P
4. ikaretsaka ( 26/06/2008 17:09)
izay..evite-o tranteraka ny monotonie
5. MimiSimply ( 26/06/2008 19:46)
Za ko mitovy hevitra @tess na de tsy manana expériences betsaka aza... Bedabe mints ny zvtr jerena ao anatin'ny couple tsi1-1: ny toetra,ny éducation... De tena ihalana mints zany monotonie zany! Arakiny volazan'i tess. Misy zvtr ray ko: ny fikarakarana vatana! Refa tsy mikarakara tsony ny ray de lasa mijery any ankafa le anakiray.
ny fitiavana tsy de afaka atao oe "mandrakizay"...isanandro tsy maints misy VOLONTÉ de PATIENCE... fa ra misy na ray fotsiny @izy 2arany mahita oe mahavita tsara ny fiainany na tsy eo arany le ray, de tsy mandefitra mints zany izy, efa tsy fitiavana io. Bon, lava b le resaka fitiavana e! :D


6. ari.malala ( 27/06/2008 08:23)
ny fitiavana tsy de afaka atao oe "mandrakizay"...
za contre! afaka atao mandrakizay io! ankoatr'ilay ho eeviter na ny monotonie, d ny communicaton atao bedabe ao anatin'ny couple, ny fifanajana, fifandeferana.
7. Belami ( 30/06/2008 19:51)
ari.malala:

za contre! afaka atao mandrakizay io! ankoatr'ilay ho eeviter na ny monotonie, d ny communicaton atao bedabe ao anatin'ny couple, ny fifanajana, fifandeferana.



Izany daholo nge no faniriany olona rehetra fa rehefa tojo olana dia hadino zany
:-w
8. naritsimba ( 01/07/2008 09:39)
Raha tsy voahaja ny lalàna nataon'Andriamanitra ho an'ny mpivady hatramin'ny namoronana azy manao hoe: « Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao. » (Genesisy 3:16)
sy ny lalàna taty @ andron'ny Jesoa Kristy manao hoe: « Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo. Fa ny lahy no lohan'ny vavy, dia tahaka an'i Kristy koa no Lohan'ny fiangonana*; ary Izy no mpamonjy ny tena. [* Gr. eklesia] Fa tahaka ny aneken'ny fiangonana* an'i Kristy no haneken'ny vavy ny lahy koa amin'ny zavatra rehetra. [* Gr. eklesia] .Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan'i Kristy ny fiangonana* ka nanolorany ny tenany hamonjy azy, [* Gr. eklesia]mba hahamasina azy amin'ny anadiovany azy amin'ny rano fanasana amin'ny teny; mba horaisiny* ho an'ny tenany izany ho fiangonana** malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy. [* Gr. hatolony] [** Gr. eklesia] Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany. Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an'i Kristy amin'ny fiangonana*; [ Gr. eklesia] fa momba ny tenany isika. Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin'ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa (Gen. 2. 24). Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin'i Kristy sy ny fiangonana* aho. [* Gr. eklesia]. Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja* ny lahy. *[ Gr. hatahotra] » (Efesiana 5:22-33)


Na ny nohariana antsika olombelona, na ny taty aorian'ny nahariana antsika olombelona dia mitovy ireo voalaza ireo fa fanamafisana no niseho taty aoriana fa NY LAHY NO LOHAN'NY VAVY, raha tsy ireo no mitoetra sy voahaja tsy hisy mihitsy ny fitiavana mandrakizay, raha mbola miady ho lohan'ny tokantrano ny vehivavy na inona na inona antony dia tsy misy io fitiavana mandrakizay io, fihatsarambelatsihy no ankoatran'izay amiko.
Mbola amafisin'ity andinin-tsoratra masina ity izany: « Fa Izy nahalala ny heviny, dia nanao taminy hoe: Ho foana ny fanjakana rehetra izay miady an-trano; ary ho rava ny ankohonana izay miady an-trano. » (Lioka 11:17)
; sy ny fitenintsika malagasy manao hoe: Aza manao akoholahy maro an-drova ka samy maneno avokoa, na hanao vazaha fito an-trano ka samy miady ho lohany.
Misaotra e!
9. naritsimba ( 01/07/2008 09:54)
Mety hihevitra indray izao ny sasany hoe tsy mety izany ry naritsimba, dia tsotra ny hevitro, rehefa tsy manaiky an'io lalanan'ny natiora io ny vadiko, dia aleo mifampi-tsodrano, ilaina ny fandeferana fa @ resaka hafa fa tsy ny fitondrana ny tokantrano, ohatra @ izany ny hoe firy ny zaza ateraka, izany tsy misakana ny vehivavy hamoaka hevitra akory.
Na tsy an'asa ilay lehilahy, na mamo lava ilay lehilahy, na inona ny toetran'ilay lehilahy, dia safidin'ny vehivavy no nanambady azy fa tsy noterena akory ka maninona rehefa tonga ao @ tokantrano no tsy mahazaka ny zava-misy, tsy misy mihitsy toetra hoe nafenina izany dia rehefa ao an-tokantrano vao mampiseho ny hadalany ny lehilahy;
Tsy hoe manamaivana ny vehivavy aho akory raha milaza an'ireo, fa alohan'ny hanambadiana dia aza sodokan'ny resaka tsara lahatra fotsiny na variana @ hoe, nomen'ilay sipako akanjo, na nomena glace sy chocolat, fa tsy fiainana akory ireny fa mandalo ihany, na misy vola na tsy misy, ny resaka sipa ange mbola misy RAD hiantoka ny vary sy laoka ho hanina isan'andro e, fa rehefa mivady ka ao an-tokantrano dia anareo roa @ izay no mitady ny hanina ho hanina isan'andro fa tsy misy dada sy neny intsony hanao an'izany. Ka na misy eo na tsy misy tadidio fa tokantrano tsy ahahaka. Ary rehefa misy io tsy fahampiana io ao @ tokantrano iray dia ny lehilahy no mahazo tsiny, dia tena ekeko mihitsy fa ny lehilahy no mamelona, fa kosa rehefa miteny ny vehivavy fa mahavita azy, dia aleo ataony.
10. ari.malala ( 03/07/2008 07:15)
naritsimba:
tsy misy mihitsy toetra hoe nafenina izany dia rehefa ao an-tokantrano vao mampiseho ny hadalany ny lehilahy


misy dia misy tokoa! tsy niteniteny foana ny ntaolo nanao ilay fitenenana hoe saka manafin-koho sy ny hoe joko tsoriaka! fa tena misy mintsy hoe mody mpivavaka b hanjonoana ilay vevavy fa refa tena mpivady miseho dool ny tandroka sy ny rambo maha demony anle lelà! d toy izany kou mis ny vevavy mody zipo lavab hatreny ankitrokely sy mody maotina b hanjonoana lelà fa refa ao antokantrano akohovavy maneno :-P (HS kely iny ilazako hoe misy nymahay manafina toetra an) fa za klou miombon-kevitra amle we ny lahy no lohan'ny vavy, saingy ts hoe lohan'ny tokantrano ny lahy d hanjakazaka, fa raha izany foana no averimberina sy andidiana tsy ananan'ny vevavy fitenenana d ts hisy mandrakizay kou ny fitiavana mandrakizay e! zay le lazaiko we communication, communication! ts we za lohan'ny tokantrano d ze tiko no atao!

Belami, hoy enao we
Hoy i ari.malala:

za contre! afaka atao mandrakizay io! ankoatr'ilay ho eeviter na ny monotonie, d ny communicaton atao bedabe ao anatin'ny couple, ny fifanajana, fifandeferana.




Izany daholo nge no faniriany olona rehetra fa rehefa tojo olana dia hadino zany


ts tookny adino mints k! raha raisinao we olona mitovy aminao le vadinao d ts adinonao le miresaka sy mifandinika :)
11. ainaheri ( 03/07/2008 09:39)
Amiko alou tsy misy 36 solutions,fa fahaizan'ny tsi11 mandrindra sy mandanjalanja izay olana ao antranony angamba ny tanjona,Tsy vahaolana ny misaraka,tsara ny miresaka ary koa ny mifandefitra eo @ andaniny sy ny ankilany. Nefa kosa raha tsy ho hety atao ahoana moa ,satria aleo tsy misy hono toa izay hijaly ampanambadiana
12. ari.malala ( 03/07/2008 11:08)
marina izany ry ainaheri a! ndao tsika aza hiresaka sy hifandefitra tsara e;) :-D :-D
13. naritsimba ( 03/07/2008 13:42)
Ny fahavoazan'ny fanambadiana @ izao fotoana dia tsy ny fitiavana no mibahana fa ny vola, noho izany sarotra ny hilaza fa ho tanteraky ny ankamaroan'izay miditra @ fanambadiana ny ho mandrakizay raha tsy tena matanjaka tsara ny saina ka vonona handresy ny fitsiriritana ny hafa.
Vava-kisoa misy sira io ka asakasak'izay hihinana azy., tandremo sao Mividy ny lohany ka hatahotra ny voa-masony.
14. naritsimba ( 03/07/2008 14:01)
Raha tena nisy ny fifampiresahana talohan'ny niarahana dia azoko antoka fa tsy nisy saka nanafin-koho izany ry ari.malala, fa ny hitako dia tsy mahazaka ny fakam-panahy no tena mahavoa ny ankamaroan'ny fanambadiana ankehitriny. Betsaka ny azo lazaina @ izany ary tena tsy antonona raha ho soratana ato @ forum daholo.
ohatra raisiko akaiky ny fanaovana mariazy malaza be.
15. tsiafoi1 ( 03/07/2008 14:37)
Mety ho hafa dia hafa ny valin-teniko eto kanefa izay moa no maha forum azy dia ambarako ihany :

@'ny maha-olombelona ahy de toheriko ary tsy ekeko ny Fitiavana mandrakizay, satria za olombelona mety ho leo, mitady ny tsaratsara sy mahafinaritra hatrany, ka raha ny safidiko dia aleo Fitiavana CDD no misy, ka rehefa lefy de mifampi-tso-drano, de miova indray.

Kanefa @'ny maha Zavaboary ahy, Satria Izy Andriamanitra Mpamorona no mahalala ny mahatsara ahy sy ny ho aviko, ary izany no miantoka ny firindran'ny Fiaraha-monina eto an-tany. De ekeko ampitiavana sy ampanetren-tena ny toro-heviny we : Fitiavana Mandrakizay CDI
16. naritsimba ( 04/07/2008 05:36)
tsiafoi1>>> Tsy afa-miasaraka ny maha olombelona sy ny maha zavaboahary ary ny zava-mananaina rehetra, fa nomena tombony ny olombelona ho mpanjakan'ny zava-boahary, satria nohariana hanam-panahy izay mampiavaka azy @ zava-mananaina hafa, izay no mahatonga azy hitady ny tsara hatrany.
Jereo ny Genesisy 2 izay namoronan'Andriamanitra ny zava-boary rehefa vita ny lanitra sy ny tany, na dia nitanjaka aza ny olona dia tsy nahalala henatra. Fa vokatry ny fikatsahana sy ny fiheverana fa tsara ny mahiratra dia teraka ny ota. Ny tanjona tany am-piandohana ange dia fitiavana mandrakizay, fa saingy vokatr'io dia lasa niforona ho azy ny fitsiriritana, ka niteraka ilay tsy fitiavana mandrakizay.
17. ari.malala ( 04/07/2008 05:47)
naritsimba, enao kou raha hanohitra ny teniko an ;) :-D :-D :-D ts niteniteny foana hoa ny ntaolo nanao io ohapitenenana io we saka manafin-koho io :-P
18. naritsimba ( 04/07/2008 07:03)
ari.malala> zay ve no fiheveranao azy? ho ahy ny zava-misy no lazaiko, tsy maharitra fakam-panahy, ary tsy mahafehy tena @ fitsiriritana, izay no mahavoa ny ankamaroan'ny tanora miroso @ fanambadiana.
Ny tsy fahatsapana ny adidy sy andraikitra ao anatin'ny fanambadiana moa manginy fotsiny.
Ireo mitambatra dia miteraka faharavana ho an'ny ankohonana, ary fahapotehana ho an'ny fianakavian'ny lahy sy ny vavy.
Aleo misaraka toy izay hifampihatsaravelatsihy.
19. ari.malala ( 04/07/2008 13:55)
ka eo am-pahitana anao anie alou mbola mamy b le fitiavana d afenina le hoho handratrana d miampy ireo lazainao we ts faharetana fakam-panahy sns ireo d mitranga amizay le hoho e, d rava waz le tokantrnao! zany we mifampitohy iany zan le valintenintsika e hihihi
20. brado ( 08/07/2008 12:49)
ka refa oe vady anie de ny ho mandrakizay e! ka na inona na inona ataon'ny vadinao de mila miaritra fa refa ela ny ela miova iany le olontianao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0942