ny be antitra

1. sakaizakely ( 24/06/2008 08:49)
zavatra mba manohina ahy aty aminay aty dia ny fitokotokoana

ny zaza vao 3 volana alefa tambabe any am kreshy :cry: :cry: :cry: :cry:
ny ankizy dia any antsekoly tontolon'ny andro
ny RaD variana am fitadiavana tontolon'ny andro, efa hariva vao mifankahita indray am zanany. Aiza ny toerana misy ny fitaizana raha adin'ny 1 isanandro no ifankahitana ?
Na manao vakansy aza dia mbola misy ireo RaD mametraka ny zanany any am club de libra hono izy izany, nefa tokony mba araraotina iarahana am ny ankizy ny fotoana toy izany
ny mpihavana samy manana ny tokantranony, na mifankahita aza dia any am resto, samy mandoa ny anjarany satria samy te hahaleo tena sy tsy ho adidy mavesatra ho an'ny mpianakavy

fa ny tena tsapako mampalahelo dia ireo beantitra parker-na any am tranon'ny be antitra. Mamangivangy ora 1 na 2 isankerinandro ny zanaka sy ny zafikely dia vitan'izay hono :cry: :cry: :cry: :cry: :cry: :cry:

ny kas-ny zazamena aloha mba eo ho eo ihany fa mba ampy mpikarakara, toa mpitaiza 1 isaky ny zaza 3 na 5 fa ny an'ny beantitra toa tena zara raha 1 na roa ho an'olona 10.

Mahavelompanontaniana daholo ny tranganjavatra :?: :?: :?: :?:
novalian'i endrika01 ny 06/07/2008 20:07
2. fahamarinana ( 24/06/2008 09:09)
:arrow: marina tanteraka akia fa zany hoe selon ny tsi11 no andraisany azy na tsy mety na mety.Za manokana dia nanokana fotoana mihintsy hijereko an-janako :mety ho mauvais choix aloha fa hitako fa samy épanouis daholo zahay no manana fotoana ho ahy koa ho rehefa any am-pianarana izy.
Dia izao dia efa manimpy teny aho hoe zahay sy dada aza mba alefa am hospice zany fa tsy fanaontsika gasy zany, :-P ,asa raha hilatsaka ao an-tsainy na tsia,soa fa mbola afaka mody any dago raha mafy ny attaque. :) (l)
3. fafa75 ( 24/06/2008 15:11)
fa ny tena tsapako mampalahelo dia ireo beantitra parker-na any am tranon'ny be antitra. Mamangivangy ora 1 na 2 isankerinandro ny zanaka sy ny zafikely dia vitan'izay hono
Misy ilay oul antitra mihitsy no tsy tia miaraka @ be sy ny maro fa aleony mitokana, fa misy indray kosa tena tsy arak'ilay fianakaviana ny fikarakarany azy dia aleony apetraka @ maison de retraite.
Mbola hafa aloha isika gasy @ io lafiny fiaraha-monina io e!
4. fanantenana2003 ( 24/06/2008 19:26)
sali dry ry sakaiza!

za anky momba an'ilay personne agé aloha dia nahita cas mihitsy fa tsy mora ny mitaiza surtout hoe marary le izy fa raha tsy marary aloha tsy de maninona loatra eh! efa zay koa angambany ny fomba fiainan'ny olona sady amiko aloha choix io! tsy afaka hanome tsiny ny zanako aho rehefa antitra raha alefany any aminy maison de retraite raha afaka mi-payé koa satria anie ka lafo ihany ny hebergement any eh! sinon direction dago eh!


ny momba ny ankizy idnray dia za anky ao antin'io hoe voa tsy ampy 3 mois akory ny zaza de efa alefa any aminy cresy, ka 10 semaine fotsiny anie ny congé prenatal eh de atao ahoana ary, ny tena tsy maintsy mitady vola anefa de ahoana! efa tafiditra ao antin'ilay systeme koa angambany koa, fa ahan y faniriako dia naleoko nitaiza ny zaza aloha eh nefa indry!
rehefa tsy miasa kosa aloha aho de aleoko maka sy manatitra eh !fontoana kely hoy indry fa miankizy ny emploi du temps ihany io!

fa izaho aloha de manana fontoana ny hariva iharahako aminy zanako eh makany aminy parc na de reraka aza avy mikandra iny, afaka mbola manao zavatra betsaka, devoir bain sns ....

miankina ny tsirairay ihany io!



5. niryna ( 24/06/2008 23:57)
Ahoana tokoa re ny anton'izany e?
Maro ary tsy tambo ho tanisaina avokoa ny antony izay voalaza ireo ambony ireo

Ny Rar tsi11 avy dia mikatsaka ny mahasoa ny zanany avy.Matoa misy trangan-javata maro toa ireo dia izay no mety vahaolana nahamety azy ireo.Tsy satry tokoa aza ve hitaiza ny zaza 24/24 ?

Raha manao zavatra fotsiny isika ka vokatry ny fo sy nifanarahan'ny mpivady ilay izy dia aza asiana nenina fa manjary ny fon'ny tena indray no marary eo.

Ny olona indray rehefa antitra dia matetika be kizitina,ny ataony ihany no ataony,misy aza ny sasany toa mandatsa zanaka mihitsy,masiaka ,tsy laitra hiaraha-monina,manome tsiny,mahita ho tsikeraina foana.

Misy anefa tsy mba miteny,izay ataon'ny ankizy dia mahafaly azy,tsy mba mangataka amin-janany na manao esonteny rehefa tsy manana ny ankizy.Malefa -piteny sns.

Arakaraky ny ankizy io raha mifanaraka ry zareo raha maro ohatra fa samy mandray anjara ny ray na reny(toy ny an'ny karana ohatra ,mandeha tour ny zanany maka ny rar na tsy narary aza)
.
Misy koa anefa ny akaiky vilany ihany no feno arina,ny lavitra tsy te ahalala ,eny fa na dia savony anasana lamba aza tsy mahafoy kanefa mpivarotra izy.Dia izay manao ihany no mahazo loza. Io dia araky ny fisainan'ny tsi11

Ka raha izay manao ihany no manao kanefa tsy afaka ny anao izy noho ny asa aman-draharaha ohatra dia voatery izy mitady olona na manan-karama olona na mandefa azy any amin'ny toerana afaka hikarakara.

Misy koa anefa tena mandaroka mihitsy izy ireny na ireny olona mpitaiza be antitra ireny aza.

Farany fa lava loatra,raha amiko, raha mbola azoko atao ny mitaiza azy dia aleoko tazaina,na rehefa ny hafa no mitaiza dia mba anjaran'ny tena no manampy azy na dia teny indraim-bava ho fisaorana fotsiny sy fankatelemana ny ataony ny ray na reny aza.
(l) niryna
6. endrika01 ( 06/07/2008 19:55)
Zah ndray dia tena malahelo mintsy ny foko mahita ny beantitra mangataka sy tsy misy mpiahy.Sendra tafa-resaka t@sasatsasany t@izy ireny aho tany Dago de misy ny sasany noroahin-janany fa we enta-mavesatra hoazy ireny,misy lay mananatra zanaka,de vonoiny we mangina enao Rabainina a,lasa mande any fa tsss,manantena ny hovelomim-potsiny angah;nefa le trano honenan\'izy mianakavy kely dia an le Ray aman-dreniny, tena fo plasitika fa tsy nofo tsony.
7. endrika01 ( 06/07/2008 20:07)
Zah ndray dia tena malahelo mintsy ny foko mahita ny beantitra mangataka sy tsy misy mpiahy.Sendra tafa-resaka t@sasatsasany t@izy ireny aho tany Dago de misy ny sasany noroahin-janany fa we enta-mavesatra hoazy ireny,misy lay mananatra zanaka,de vonoiny we mangina enao Rabainina a,lasa mande any fa tsss,manantena ny hovelomim-potsiny angah;nefa le trano honenan\'izy mianakavy kely dia an le Ray aman-dreniny, tena fo plasitika fa tsy nofo tsony.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1881