barea : efa zatra resy ka tsy mahataitra tsony !

1. ravatorano ( 23/06/2008 04:59)
mahamenatra ihany izany nefa dia izay no tena miseho amin'ny faharesena azon'i barea tany mozambika farany teo.
Niondrika tamin'ny isa telo sy donga ry zalahy tany ary dia nitondra atody b nody aty gasikara .
Efa betsaka izay voalazan'ny maro teto izay raha ny momba io Barea io ary tamin'ity aza dia nisy nametraka fanantenana mihitsy hoe mba ho...... amizay angambany hay moa ka ny mifanohatra amin'izany no re sy tsapa aloha amin'izao , tsy mbola nandresy mihitsy ary sahala no tsara indrindra .Mbola baolina iray ihany no maty izay mbola azo tamin'ny alalan'ny penalty noemn'ny mpitsara afrikanina tatsimo fotsiny amizao.
Mbola hiteny indray zao ilay razoky akama ao amin'ny Kianja hoe mahavoa reny ary kely sisa dia ho tratra ny tanjona ami'ny hilalaovan 'ny barea amin'ny dingana avoavo kokoa !
Nofy ! nofy ! nofy anie izany houz boay kely ao antrano izay
dia ny tena no menatra e!
aza mba malagasy ihany wa raha ity baolina kitra ity !

novalian'i endrika01 ny 23/06/2008 12:36
2. lemenakely ( 23/06/2008 08:04)
ravatorano:

inona moa no ahatao ahagàga @ resaka baolina kitra malagasy sy ny faharesena
3. RATOVOARY ( 23/06/2008 08:16)
Ny rafi-pitantanana mihitsy no mila miova ( hatrany @ fomba fitantanana ka hatrany @ mpitantana ). Aiza ka raha tsy namokatra ny Barea teo de nosoloana ny entraîneur, f'angah ny antraîneur no maninona. Avy eo ny entraîneur vao² nanala sasantsasany t@reo ekipa teo aloha de niantso bandy hafa koa. Na ny fahaiza-miaraka aza tsy ao intsony. Ny taktika efa nomen'ny mpanazatra taloha tsy maintsy hajanona fa le vaovao nomeny tafara no hotanterahina. Mazava ho azy fa faharesena no setriny. Na moraly hiatrika match aza tsy ao intsony.
4. endrika01 ( 23/06/2008 09:39)
Taloha zao ny dadako mpanao baolina tao @3FB niovaova ny mpitantana tao nefa nandresy foana ny ekipany,avy eo izy moa lasa arbitre de avy eo na narary azy dia lasa manatrika ny fivorian-dry zareo foana;ny tiko hotsindrina dia hoe: Na hiovaova foana aza ny mpanazatra ,ny mpilalao ihany koa dia tompon-tsafidy;raha hitany fa nahomby ny traikefa nomena azy teo aloha dia tazoniny hatrany iny,fa tsy hoe anana petsay izy ity koa hongotana teto de afindra etsy de afindra eroa,aiza moa no ho mafy ny fototra .raiso tahaka ny hazo maniry iray,tsy hoe niovaova ny mpanondraka dia tsy hamokatra,tsy nitovy ny tarigetra angamba. Raha nahita sy nahatsapa lay mpanondraka tato aoriana fa tokony atao misimisy ny rano fa toa tsy voatondraka tsara ny teo aloha dia ataony izay,hafa ndray ny mpanondraka manaraka,mahita fa tsy ilaina ampiana ny teo aloha fa io ihany no hikarakarana ny tany,fa raha hiziriziry @heviny we aleo rangahy de tondrahina any a,de ho faty ny hiafaran\'ilay zava-maniry(ohatra akaiky tiako hitarihana ny tiako hambara) :D
5. kanota ( 23/06/2008 11:10)
Aza ampitovizina kosa ilay 3FB nandresy amin'ny samy eto antoerana fa tsy nadresy nivoaka an'i Madagasikara akory. Mbola taranja vitsy no afaka milaza fa nandresy ary manana toerana iraisampirenena. Baolina moa no resaka ka ny kitra manoloana ny ezakin'ny firenena hafa izao no resaka. Sehatra lehibe io ary tsy vitan'ny fitiavana fotsiny satria solontena eran'ny nosy no alaina ary mitondra ny sainam-pirenena. Maro ny resaka momba io ary hajanona tsy hita nefa tohizana mangorona atody.
6. endrika01 ( 23/06/2008 12:36)
Ry zareo Afrikana reo anié ka geant be daolo raha mitaha @mpilalao malagasy e,tsy voatery ny ara-takitika fotsiny,fa ny sakafon-dry zareo,ao ny mafaikafaika,ao ny be sakay,sns ny malagasy anefa efa zatra ny sakafo eo @taniny;ka raha vao miapita ranomasina,ka miova @mahazatra tonga de K.O,hoatr ireo namako mpanao basikety nande tao Afrika tao t@ Dec 2005, izy zay raha tsy diso ny fitadidiako ,tena noana zay ozy fa tsy nisakafo fa tsy tianay le sakafo fa tena sakay be mafanafana no harosony hoany mpilalao,ny anana any Madagasikara aza matsiro kokoa.:-P
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1999