mitady namana fa irery!

1. mozart ( 21/06/2008 11:37)
salut daholo an!! tena tsy azoko fa izay sipa miaraka amiko dia mamitaka ahy daholo, efa mba manao izay tratry ny heriko za @ fitiavana azy fa tsy mety e! lasa daholo.... mety amiko izany ny miaraka @olona zokiko ara-taona satria ireo rehetra ireo dia zandriko avokoa!
Mitady namana mety hanome solution ho ahy za io! miandry ny tolo-tànanareo
Merci
2. Noue ( 21/06/2008 11:55)
mozart:

lasa daholo.... mety amiko izany ny miaraka @olona zokiko ara-taona satria ireo rehetra ireo dia zandriko avokoa!
asa aloha raha hoe ny fiarahana @ olona zokinao no tena hampiova ? misy koa manko ireny efa zokiny ireny no tena mpamitaka !

sao kosa ireo mbola zandrinao mbola tsy matotra fa mitady sipasipa fotsiny ?


3. rabingogilabanga ( 21/06/2008 13:25)
mozart:
salut daholo an!! tena tsy azoko fa izay sipa miaraka amiko dia mamitaka ahy daholo, efa mba manao


le hoe: tena tsy azoko no tsara jeren-drangahy eto; fantaro ary aloha le olana.
izany hoe: ezaho ho fantarina ny antony, satria raha mbola tsy azon'ise, dia hilaozan'izy ireo hatrany ise (na tanora, na lehibe io).

raha tsy hoe, bandy indray angamba no kôtiana!
asa...!
4. endrika01 ( 21/06/2008 14:49)
Hummmm,tsy aleo manao Mompera,raha atahorana hamitaka koa ny efa zokiny,:-P
5. xxx ( 25/06/2008 04:10)
Namaky boky aho sady misy fandaharana momba ny fomba fiaina sy ohatra izany.
Raha mandinika ianao dia izay niaraka taminao mamitaka daholo...An ilay olona izany no tsiny raha ny hevitrao. Kanefa iza no denominateur commun tamin ireo vehivavy rehetra ireo...Ie: ianao. Tsy hoe nisy tsy nety na tsy ampy ny nataonao. Ny fanazavana dia hoe isika mandefa onde matetika ary iny no manintona ny olona ho amintsika. jereo fa lasa ianao no victime...Tsikaritrao ve...Matetika hoy izy misy zavatra tsy tiantsika amintsika, dia mandefa iny onde negative iny isika ka manintona olona mahita ilay zavatra tsy tiantsika io koa. Saingy izao: izao tsy isika intsony no mi critique ny tenantsika fa ilay olona hafa. Ka zao isika manao mampalahelo hoe izaho ataon ny ranona fa izao sy izao...Nefa raha ny marina, naka olona fotsiny isika hanao ilay critique @ toerantsika ary avy eo mitsetra tena na mba te hisy hitsetra! Asa raha azonao ilay izy fa somary sarotra hazavaina...
Ka tsy fantatro hoe inona ilay onde negative alefanao fa azo soloina positive ilay izy ary manomboka @ hoe: misy olona any ho ahy, hijanona ho matoky amiko. Tsy voatery ho zandry na zoky fa olona matoky. Miezaha positif @ zavatra lazainao dia manintona olona positif ianao. Ohatra raha manao foana ianao hoe: tsy mahita olona mifikitra amiko mihitsy aho...Dia mazava ho azy tsy hisy hifikitra aminao koa! Azonao ve ilay principe....Eritreritra rehetra ao an doha ao, ianao no mibaiko azy ho lasa positive. Amin izay mihatsara na dia ny fifandraisanao @ tenanao ihany aza.
Lafiny rehetra @ fiainana mandaitra io pensee positive io. Ohatra ny olona tia ny tenany - tsy be critique lava ny tenany - dia misy fahatokian tena kokoa no ho ny olona negatif foana hoe matavy loatra aho, kely loatra na lava loatra na fohy loatra na sy ny sisa. Azo ovaina daholo ireny ohatra hoe: manaiky ny tenako aho araka ny maha izy ahy ary manapakevitra aho anio ny hanao fiovana. Ohatra hisakafo mahasalama kokoa. Jereo fa manmpy io no ho ny hoe matavy be aho...Inona no dingana ataonao fa vao mainka lasa mihinana! @ ilay iray anefa positif ary mety ho vonona kokoa hanao zavatra. Dia mila averina foana ny pensee positive fa miantraika @ ati doha izay avy eo mibaiko ny vatana manao zavatra...Izay fa lasa lava be ilay resaka....
Raha tsorina dia hoe: pensee positive hatrany dia manintona olona positif ianao mifanaraka @ izay ilainao kokoa!
6. Xp ( 25/06/2008 04:52)
pasio aty ny lohatenin'izany boky izany fa ohatra ny tiako
7. xxx ( 25/06/2008 08:45)
Raha ny marina boky nivaoka t@ fandaharana Oprah daholo ireo novakiko ireo - ilay roa voalohany . Tadiavo @ google raha te hahay momba an i Oprah fa tsy tsaroako ny site web ny. Ka ireto ireo boky:
- A new earth nosoratan i Eckart Tolle
- Heal your life nosoratan i Louise Hay
- Change your brain, change your life nosoratan i Daniel Amen
Miala tsiny fa tsy haiko izay lohateniny @ teny Frantsay fa angamba raha omena ny mpanoratra dia jereo eo izay mifanakaiky @ dikan teny any...
Ilay new earth momba ny Ego na ilay feo anatintsika no fiantsoany azy...Somary mampiomehy indraindray fa misy video momba ilay boky ao @ You Tube fa ampidiro ange hoe Eckart Tolle New Earthdia henoy. Io no misy milaza hoe isika matetika te ho victime foana...Grave ilay izy hoe te hotserana foana isika!
Ilay hoe heal your life indray misy ilay hoe fianarana pensee positive sy ny fiantraikany @ vatana. Dia omeny ao exemple be dia be @ zavatra azo lazaina sy mba hanintonana zavatra sy olona positif @ fiainatsika. Ohatra mianatra ny hanaiky ny tenantsika, ho tia ny tenantsika sy ny sisa...Hazavainy koa fa misy hifandraisany ny aretina sasany @ vatana sy ny eritreritra.
Mety efa misy voan ilay hoe matahotra ohatra dia marary kibo ve nareo...Dia indraindray - na araka ilay boky - manova ny fomba fieritreretana koa dia afaka manampy ny vatana hiala @ ilay marary fa baiko ny ati doha daholo - lava be moa fa anao no mamaky. Izy koa no miresaka ilay hoe manintona positif ny positif. Misy chapitre ao @ ilay izy hoe manintona fitiavana.
Dia ilay fahatelo indray - mbola tsy tonga hatramin ny farany aho fa tena mahavariana fa hazavainy eo fa ny eritreritsika tena mampisy vokany ny cerveau-tsika (cellules mifandray ny cerveau na connection no resahina eto:fitambarana connection ny info ao @ cerveau rehetra ). Ka ny olona negatif foana dia misy connection na paozin ilay atidoha toy ny azo lazaina hoe simba dia io no mahatonga ny ati doha mibaiko antsika manao zavatra avy eo. Ny tena tsara mamaky ilay boky fa sarotra no sady efa mandika teny no m amintina ilay izy...Fa tena tsara ilay boky! Eritrereto ity ohatra tokana ity: ny olona milaza ohatra fa tsy ho afaka fanadininana izany dia tsy hiezaka 100 isan jato no ho ny olona manao hoe hanao izay vitako aho dia izay vokany eo...Fa tsy honohono fa aleo optimiste ihany @ fiainana toy izay pessipmiste raha te ho tafavaoka.
Ka izay, anao mamaky sy mameno ny tsy voalazako! Dia mba lazao izay hevitrareo e...
8. ari.malala ( 25/06/2008 12:25)
mozart, io hono izany ny solution, mahaiza mi positiver d aza miseho victime fona fa mandiniha iany kou tena d mande io ;) d bonne chance ;) () jereo ary am rubrik fitiavana ary fa misy resaka an\'io hoe miaraka am vevavy zokiny io any ()
9. mozart ( 27/06/2008 10:49)
misaotra betsaka @ fanampiana fa tena tsara kosa ilay izy ee!
de hiezaka ny tena zany! tena marina iovoalazanao io!!!
10. Bola ( 30/06/2008 02:44)
@mozart: io dia efa positif sahady ianao!!! Dingana tsara ny milaza hoe hiezaka aho ! Ataovy izay mahafa po anao @ lafiny hafa @ fiainana koa fa ny tena izy hono tonga tsy tadiavina ny tena fitiavana...Za tsy hoe mahay fa izany daholo no lazain ny olona. Ka ny fiainanao no ataovy izay hahatsara azy @ ilay tianao dia tonga eo ihany ilay tena izy! izay fa courage!
11. mozart ( 01/07/2008 08:37)
misaotra betsaka eee!!!! " hafa ihany nytena namana" :D
12. MAHENINA ( 22/07/2008 14:06)
slt,maro mihits no manao izany nefa io tsy ny hoe zoky na zandry no tsara iarahana.lay fitiavana mihitsy izany no mandeha ila no maha tonga izany e! zay raha ny hevitro,zany hoe tsy dia tsara loatra ny mampiseho hoe tena tia,ary tsy dia tsara koa ny tonga dia tia tanteraka.fa aleo hilamina sy handeha ambaratongaby.....zay aloa raha ny havitro.ny tena koa mantsy voa toa izany foana ne izay ilay fiainana e!...mbola ho avy ny masoandro.hafatra ho anareo ilay tiavina dia ny hoe tsarovy fa ifandimbiasana anie ilay hoe:tia e!mbola anjaranareo aloa zao ilay tiavina(na lahy io na vavy).koa saino ihany fa aza manjeny ny andro ho lava.


:D :}
13. tsiambaratelo ( 11/09/2008 18:30)
xxx:
Namaky boky aho sady misy fandaharana momba ny fomba fiaina sy ohatra izany. Raha mandinika ianao dia izay niaraka taminao mamitaka daholo...An ilay olona izany no tsiny raha ny hevitrao. Kanefa iza no denominateur commun tamin ireo vehivavy rehetra ireo...Ie: ianao. Tsy hoe nisy tsy nety na tsy ampy ny nataonao. Ny fanazavana dia hoe isika mandefa onde matetika ary iny no manintona ny olona ho amintsika. jereo fa lasa ianao no victime...Tsikaritrao ve...Matetika hoy izy misy zavatra tsy tiantsika amintsika, dia mandefa iny onde negative iny isika ka manintona olona mahita ilay zavatra tsy tiantsika io koa. Saingy izao: izao tsy isika intsony no mi critique ny tenantsika fa ilay olona hafa. Ka zao isika manao mampalahelo hoe izaho ataon ny ranona fa izao sy izao...Nefa raha ny marina, naka olona fotsiny isika hanao ilay critique @ toerantsika ary avy eo mitsetra tena na mba te hisy hitsetra! Asa raha azonao ilay izy fa somary sarotra hazavaina... Ka tsy fantatro hoe inona ilay onde negative alefanao fa azo soloina positive ilay izy ary manomboka @ hoe: misy olona any ho ahy, hijanona ho matoky amiko. Tsy voatery ho zandry na zoky fa olona matoky. Miezaha positif @ zavatra lazainao dia manintona olona positif ianao. Ohatra raha manao foana ianao hoe: tsy mahita olona mifikitra amiko mihitsy aho...Dia mazava ho azy tsy hisy hifikitra aminao koa! Azonao ve ilay principe....Eritreritra rehetra ao an doha ao, ianao no mibaiko azy ho lasa positive. Amin izay mihatsara na dia ny fifandraisanao @ tenanao ihany aza. Lafiny rehetra @ fiainana mandaitra io pensee positive io. Ohatra ny olona tia ny tenany - tsy be critique lava ny tenany - dia misy fahatokian tena kokoa no ho ny olona negatif foana hoe matavy loatra aho, kely loatra na lava loatra na fohy loatra na sy ny sisa. Azo ovaina daholo ireny ohatra hoe: manaiky ny tenako aho araka ny maha izy ahy ary manapakevitra aho anio ny hanao fiovana. Ohatra hisakafo mahasalama kokoa. Jereo fa manmpy io no ho ny hoe matavy be aho...Inona no dingana ataonao fa vao mainka lasa mihinana! @ ilay iray anefa positif ary mety ho vonona kokoa hanao zavatra. Dia mila averina foana ny pensee positive fa miantraika @ ati doha izay avy eo mibaiko ny vatana manao zavatra...Izay fa lasa lava be ilay resaka.... Raha tsorina dia hoe: pensee positive hatrany dia manintona olona positif ianao mifanaraka @ izay ilainao kokoa!
Mampitsetra ndraindraika,refa misy kofa mitaraina ho irery,mapandrongom-bolo ndraindray ny mahita kofa mitety voninkazo le misolosolo sipa avy eo avy eo na dia efa iterahany foana aza.Ny namana be de be e,ze sipa ve de atao akarary an-doha:-P
14. ANJARATIANAH ( 09/10/2008 11:21)
[quote=anjaratianah
salut enao
aiza enao fa za mitsady anao afaka manampy anao
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5694