Ady amin'ny Mosary: Ferana ny zaza ateraka?

1. zandikely ( 20/06/2008 13:28)
Mahay mitsinjo lavitra. Io no hita fa ezaka ataon’ny fanjakana raha nandre fa ho maimaim-poana manomboka izao ny fanaovana « césarienne » eny amin’ny hopitaly. Ny minisitry ny Fahasalamana no nanambara izany.

Voafetra ho telo ihany ny zaza ateraka raha miroso amin’io « césarienne » io isika. Iarahana mahita fa misy ny olona iray miteraka hatrany amin’ny 9 ny zanany. Raha samy hanao toy izany avokoa ny vahoaka 18 tapitrisa eto Madagasikara, dia mety ho firy ny isantsika afaka 10 taona ? Volabe no lany amin’ny fanaovan ity fandidiana ity, satia mahatratra 700.000 Ar. Izao anefa dia ho maimaim-poana ny fanaovana izany ho an’ny reny bevohoka. Ny minisitra Jean Louis Robinson no nitatitra io teny anoloan’ny depiote tetsy Tsimbazaza, ny alarobia teo.

Nalaina tamin'ny gazety Madagascar Trinune: 20/06/2008
Hoy aho hoe, tena mampalahelo fa dia izany ve ny vahaolana hitan'ireo mpitondra. Raha hiady amin'ny tsy fahampian-tsakafo izany dia ny vokatra no ampitomboina hifanaraka amin'ny isan'ny olona. Madagascar malalaka sady mahavokatra io ve.
Hita hoe tsy (compétent), sady tsy menatra mihitsy ny olona mandroso vahaolana mitsingevaheva tahaka izany.
Ory ministra Jean Louis Robinson, tonga dia angano ny entana dia miala amin'io governemanta io fa tsy mendrika ny ho aho mihitsy ianao!

novalian'i bazylou ny 25/07/2008 13:19
2. razaordira ( 20/06/2008 14:30)
Hoy ianao:
>.

Dia hoy aho mamaly anao:
Vaovao tena tsara be mihitsy izany hoe afaka manao césarienne "gratuitement" ny vahoaka .
Ny opération césarienne (OC) mantsy dia intervention chirurgicale entina mampiteraka an' ireo izay saro-piterahana.
Saingy TSY MISY IFANDRAISANY AMIN' NY FAMERANA ZAZA ATERAKA MIHITSY IZANY .

Angamba ny tianao holazaina dia hoe: ny fanaovana "ligature" no azo atao maimaipoana. Ny "ligature" no intervention chirurgicale famerana ny zaza teraka (mba hahatonga an' ilay vehivavy ho lasa "momba".) Fa tsy ny césarienne akory.
3. zandikely ( 20/06/2008 14:39)
Razaordira:

Tsy zaho mihitsy niteny an'io fa nitatitra ny voasoratra tamin'ny gazety no nataoko, Madagascar Tribune no nitatitra an'io.
4. ishaam ( 24/06/2008 12:34)
zandikely> Izay aloha no hitany ho vahaolana no sady manampy ireo manana olana ara-piterahana... fa raha misy soso-kevitra hafa dia tariho ny resakao fa tsy Minisitry ny Fambolena sy Fiompiana ary ny Jono akory izy ka handinika ny fampitomboana ny famokarana... asan'ny Governemanta manontolo dia zavatra hafa indray...
5. Bola ( 01/07/2008 19:22)
Izaho tsy momba na contre fa ny fahazoako ilay resaka hoe rehefa miteraka cesarienne indray mandeha dia matetika 2 cas sur 3 cesarienne ny manaraka. Ka satria lafo ilay izy dia hoy ny fanjakana hoe aleo atao maimai poana kanefa kosa ny telo voalohany ihany no iantohan ny fanjakana fa raha mihoatra dia tsy miantoka intsony ny fanjakana.
Dia mba mieritreritra ilay ray aman dreny hoe 3 izany dia ampy kosa fa vola be ilay operation. Fa tsy hitako izay tena hidirany @ hahena ny isan ny fiterahana satria tsy ny vehivavy rehetra mila cesarienne. SA misy resaka tsy arako...
Ankoatra izay ho an ny fahasalaman ilay vehivavy koa anie ka sarotra ilay hoe sokafana foana ny tranon jaza e! Isaky ny sokafana io dia toy ireny manjaitra ireny dia triatra dia zairina dia triarira dia zairina...Taty aza olona niteraka fani efany cesarienne dia nolazainy hoe efa haut risque...
Sady tsy aleo ve visty sambatra ny zanaka toy izay betsaka tsy velona akory...
Ilay hoe zanaka loharanon karena toa tsy tsapan ny malagasy indraindray hoe mila mahatafita ny zanaka aloha ny ray aman dreny vao afaka ny hamaly soa ny zanaka fa tsy ho tafita @ izao...
6. bazylou ( 25/07/2008 13:19)
amiko aloha dia ts yany n yolana raha mosarena e
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 1.0251