Hotely sa Sekoly ?

1. notron ( 18/06/2008 09:28)
Miarahaba antsika rehatra indray ô!

Re fa ho ravaina ny EPP sy ny CEG Antanimbarinandriana ka hananganana Hotely iray lehibe ahitana hefitra 4.000 isa, handraisana ny fivorian'ny Firaisambe Afrikana @ taona ho avy.
Mipetrana ny fanontaniana, "Hotely sa Sekoly?"
Hotely satria :
1- Sao mitsanga-menatra ny Malagasy handray vahiny maro,
2- Hampiditra vola vahiny ireo ho avy eto,
3- Mety hanova ny hendriky ny tanàna io Hotely be io.
Sekoly satria :
1- Ny Sekoly eto amintsika aza tsy ampy ka ho ravaina ve ny efa misy?
2- Ireo mpianatra vaovao nisafidy ny hiditra ao mba ho aiza rehefa avy eo. Matoa izy nisafidy an'io Sekoly io dia mety ho akaiky ny tranony, sns io.
3- Maro @ Malagasy no tsy manana atokona ka tsy hahatakatra ny any @ tsy miankina (Privée). Ho aiza izy ireo?

Niniako nampifandanjana 3 avy ny valiny saingy ity misy olana hafa:
1- Manantantara io toerana io fahizany na ny anarany fotsiny aza, Antanimbarinandriana = Toeram-pambolena, izany hoe taniketsan'ny ho avin'ny taranaka malagasy.
2- Tsy mbola ao anaty vinavina mihintsy ny hananganana Sekoly hafa hanoloana ireo ho ravaina ireo.
3- Rehefa vita ny Fihaonam-br @ taona ho avy, hatao inona io Hotely be io?

"Am-bava homana, am-po miheritra"
a+
novalian'i tsoraka ny 20/06/2008 12:47
2. kanota ( 18/06/2008 11:00)
Raha ny resaka ravaina sy tsy ravaina aloha no resahiko voalohany amin'ny hevitra mba hitako dia tsy olana mihintsy ny mandrava. Ny mitazona ny efa eo da midika tsy fivoarana. Mila miova ny zava-drehetra saingy araka ny mampitomany ny maro eto dia ny atsy amboarina fa ny atsy tsy mbola hita ka lasa miteraka olana vaovao.
Ny fanamboarana rehetra dia betsaka no efa laniandro nefa mbola tohizin'ny ankehitriny. Ohatra: Ny lalana tsy ampy nefa hanao Tranompanjakana, na lapan'ny Tanana, na Hotely sns dia mbola avy dia manangana trano fotsiny ary zara raha misy hitoeran'ny fiara ary tsy maintsy hisy hipetraka @'ny sisin-dalana. izany anefa efa hilaozana satria ny trano miorina tokony misy "Parking" mifanaingina maromaro satria tsy mety ny manery lalana. Ohatra iray fotsiny iny.
Raha ny tena tsara dia ny manangana Seranampiaramanidina vaovao any @ toerana vaovao ary sahala izay no ataon'ny tany hafa fa tsy tsiajery akory io. Ny hotely lehibe koa sahala izay. betsaka no mifamahofaho saingy anjaran'ny fanjakana no maneho ny toerana asiana ny mpianatra raha ravaina ny Sekoly ary hanaovana Hotely. Mety azo atao koa ary misy izany. Ny hotely any ambony ary ny University na Sekoly any ambany. Hita any Asia izany. Aza mieritreritra hoe ny omaly ihany no ampitso kosa aloha. Ny tantara afaka hovaina ary hatsaraina fa tsy simbaina. Raha ny tantara no tohizana dia tsy nisy nipataloha fa samy nipalapala teny.
3. makamisa ( 18/06/2008 13:24)
Angamba mety ho diso fandray ianareo angamba,efa officielle angaha moa izany vaovao izany,ny ataon'ny fanjakana anie dia ilay eny Ivato,miaraka amin'ireo villa 54 atao eo akaiky eo ihany,
izany hoe eo Antanimbarinandriana izany toa mbola tsy officielle akory
4. xxx ( 18/06/2008 14:28)
Ataovy ny atsapaka de ze ipitihan'ny rora no raisina e! ( Ngah nareo tsy nanao izay t@ mbola kely ) Rehefa manalasala ny mifidy azy. :-D :-D :-D :-D :-D :-D
5. notron ( 18/06/2008 15:00)
makamisa> tsy hiteny betsaka aho, marina fa tsy mbola ofisialy fa ho hitantsika eo ny ho tohiny.
6. tsoraka ( 18/06/2008 15:25)
Zavatra tsy mbola teraka izany fa vao any ankibony dia ny anao no tonga aloha ve ?
7. agoago ( 18/06/2008 15:28)
Ny villa no tena efa miala any, ny ao amin'ny BANI sy ny toerampiofanan'ny zandary Ivato no re siosio halana hanitarana piste sa parking, ry zareo no miandry ny ara ofisialy fa tsy hay . Hay misy izany projet lazainareo izany? Koa rehafa alana anga afaka hanao inona, fa iza no hitarainana hoy ianareo? aza tratran'ny alana fotsiny.
8. tsoraka ( 18/06/2008 15:39)
Fa eto Madagasikara ihany ve no misy ny hoe alana, hitarina, hovaina sa erantany io e ? Sa hajanona amin'ny omaly ihany ny fiainana ?
9. kidoropamba ( 18/06/2008 18:48)
Hotely SY sekoly.
Ravalomanana ihany. ^:^
10. penguin ( 19/06/2008 01:12)
Misy eran'izao tontolo izao eny fa na ny fandravana tanana iray manontolo aza. Ny resaka marary fo ary tia hijanona amin'ny lasa dia tsy mety satria ny lasa anie ka tsy nahafahana nihoatra alavitra mihoatra ny firenena hafa.
11. kidoropamba ( 19/06/2008 08:36)
Potehina avy eo manorina. Filoha hajaina Ravalomanana, no tompon'io teny io. Hisaorana izy fa mitsinjo vahoaka.
Fianakaviana voaroaka amin'ny tranony izany dia fianakaviana mahantra sy kamo be tenda.Fianakaviana tsy manara daLAna. Midongy amin'ny tanim-panjakAna.
Ny hotely kosa dia hitondra asa. MiasA fa aza kamo.

Tohizo ny lalantsika
God save Ravalomanana.
^:^
12. penguin ( 19/06/2008 11:27)
Ataovy mazava ihany fa mora avadika ho ratsy ny rehetra raha tsy ampy fanazavana ry kidoropamba. Ny hevitro dia afaka hanaovana azy rehetra io tanimbarin'andriana io raha manomboka any @'ny sekoly hatrany amin'ny zaridaina tsy dia manja io. Raha rava ka misolo tsara inona no maharatsy izany ary tsy ny Malagasy mihintsy ny nahita izany fa hita eran-tany izany.
13. naughtyboy ( 19/06/2008 23:14)
enao ry penguin de sisany J.K so shut the fuck up...u're having big time so fuck you :twisted: :twisted: :twisted: :twisted: :twisted:
14. tsoraka ( 20/06/2008 12:47)
Fucking naughtyboy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 2.869