Hira misy lyrics izay te hihaino sy hirahira

21. niryna ( 24/06/2008 02:59)
diamondra27:

niryna: hira vao haingana akia zany a
Ataovy amin'ny fo fa tena tsara be

HANARA DIA

hanara dia aho
an i Jesosy na inona na inona miseho
hanaraka Azy aho
Tsy hahasaraka Azy akory
n'aiza misy Azy

Hanandratra Azy aho
hihira ho Azy raha mbola miiana koa
fa sambatra aho manana Azy
fa ny tsara indrindra no efa nomeny ho ahy
aleloia

fa tiany ahoa fa tiany aho
fa novonjeny tiany aho tiako Izy tiako Izy
ka midera Azy
fa tiany aho fa tiany aho fa tiany aho
mamindra fo Izy
aleloia
...

misaotra aky a,dia ezahako ato ao am-po ilay izy ary hamorona feony izany raha tsy manana indry fa tsy mbola henoko io.
Ny ahy iay hira fanampiny iny no mihira kely aho dia mitendry kely dia mikipy maso kely sady mihira no mitendry zava-maneno kely,tena lasa lavitra mihitsy ilay feeling fa indry angaha tsy lazaiko zavatra a.
" HE MANOLO-TENA "
He manolo-tena ho Anao
Fa nandre ny feo sy antsonao
'Zato tenako izay mpania
Ka raiso Tompo
Raiso ry Jesoa Tia .

Hanoa ny sitrakao
Hanao'zay tianao
Ka ho mpanompo vonona sy sahy koa
Hitory hatrany ilay fitiavanao
Ambaram-pialam-pofonaiko ,Jesoa

Ho Azy Irery hatrany anie ny voninahitra ary fiadanana anie ho antsika rehetra hakasitrahany. Amena :-*
22. fahamarinana ( 24/06/2008 18:18)
:arrow: niryna ,ahatsiarovako andro iray lehibe tao amin'ny fiainako koa io hira fanampiny io fa tsy naha-hira koa no nampalahelo tamin'izay fotoana izay fa sempotry ny emotions,ilay feoko tsara be iny, :-D , lasa nivalana tsy nisy nohenoina intsony nefa herinandro naninjitra nanao repet foana... (l)
23. diamondra27 ( 24/06/2008 19:32)
EFA RENAREO VE AKIA TY HIRA TY
http://www.dailymotion.com/video/x41g3d_je-passe-laurent-rakotomamonjy_music
nahatonga saina ihany an
24. ni81 ( 24/06/2008 20:11)
Atolotra antsika rehetra ka mahazoa fahafinaretana!

http://www.coeurdamour.com/05-un-jour-a-la-fois.html
25. diamondra27 ( 25/06/2008 09:23)
ty ndray akia no hitako tao koa
http://www.youtube.com/watch?v=W1nORWw6ngU
http://www.youtube.com/watch?v=IXgTlCh_V_s&feature=related
26. diamondra27 ( 25/06/2008 09:26)
ni81 merci akia a, tsara be le izy
27. diamondra27 ( 25/06/2008 09:28)
ho an ze mahay teny anglisy de eto ndray zany http://www.youtube.com/watch?v=1Y1wtgLAytA&feature=related
28. fahamarinana ( 25/06/2008 11:10)
:arrow: misaotra anreo roa fa misy mba henoina ndray zany,ilay hira napetraky ni81 io ve tsy nataon'ny Ainga koa taty aoriana sa tsy mitovy ? (l)
29. ni81 ( 25/06/2008 17:42)
misaotra anreo roa fa misy mba henoina ndray zany,ilay hira napetraky ni81 io ve tsy nataon'ny Ainga koa taty aoriana sa tsy mitovy ?
Mahazoa fahafinaretana e! Marina fa Ny AINGA koa manao azy io.
http://www.dailymotion.com/relevance/search/AINGA/video/x36vn3_un-jour-a-la-fois-ny-ainga_music
30. niryna ( 25/06/2008 18:21)
fahamarinana:

:arrow: niryna ,ahatsiarovako andro iray lehibe tao amin'ny fiainako koa io hira fanampiny io fa tsy naha-hira koa no nampalahelo tamin'izay fotoana izay fa sempotry ny emotions,ilay feoko tsara be iny, :-D , lasa nivalana tsy nisy nohenoina intsony nefa herinandro naninjitra nanao repet foana... (l)

ahoana tokoa aky ity emotion ity fa raha resaka finoana na lahy na vavy dia mirontsaka foana ny ranomaso.Taty aho vao nahita izany lehilahy lehibe mitomany izany,mizara sy mijoro vavolombelona aminay izy.

hi,hi..izaho sy ny zanako indray dia miheno hira dia samy mitomany ao am-piangonana hi,hi. marivo ranomaso.

31. niryna ( 25/06/2008 18:50)
ni81:

Atolotra antsika rehetra ka mahazoa fahafinaretana!

http://www.coeurdamour.com/05-un-jour-a-la-fois.html

dia hifampisaotra eto foana izany isika rehetra e.

32. fahamarinana ( 25/06/2008 19:14)
:arrow: misy tokoa aloha hira dia tena tsy mety raha tsy mirotsaka ranomaso indrindra moa rehefa mampahatsiahy zvtr manokana amin'ny fiainana izay.Koa na lahy na vavy dia mitomany ihany ny farany indridra tokoa rehefa misy fijoroana vavolombelona izay.Izay no tena tiako rehefa fotoam-pifohazana maraina be iny dia misy olona maro be entanin'ny Fanahy tonga eo mizara. Mahavelom-bolo,tsy hoe voatery aheno vao mino fa mampitombo finoana e...Lasa lava be fa aza ampiresaha ntsony aho ny niryna a...(l)
33. niryna ( 25/06/2008 19:19)

:D
34. cutie ( 05/07/2008 18:56)
tapatapaka daholo ze jereko :(
aleoko ihany hira gasy nefany :)
35. fijo ( 05/07/2008 19:27)
za jerena fa za tsy tapaka
36. cutie ( 05/07/2008 19:33)
=)) =)) =)) =)) =)) =))
37. ni81 ( 06/07/2008 12:44)
aleoko ihany hira gasy nefany
:)

http://www.dailymotion.com/related/x4blli/video/x36hgw_ampy-ho-anao-ny-fahasoavako-fara-an
38. niryna ( 07/07/2008 12:04)
ni81:

aleoko ihany hira gasy nefany
:)

http://www.dailymotion.com/related/x4blli/video/x36hgw_ampy-ho-anao-ny-fahasoavako-fara-an
misaotra nizara e

marina izany tsy misy tsara noho ny hira gasy,zaraiko fotsiny ireny fa ireny no hirainay any am-piangonana sy rehefa tsy mihaino hira gasy
:D
39. cutie ( 10/07/2008 16:33)
merci fa zay vo tafaheno sy tafajery:)
http://www.dailymotion.com/relevance/search/fitsapana/video/x3f148_fitsapana-fefi_music
40. cutie ( 10/07/2008 16:39)
http://www.dailymotion.com/related/x3f148_fitsapana-fefi_music/video/x3en42_fo-torotoro-tarika-ny-ainga_music?from=rss
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1062