Dadabe Monta • Herintaona tsy nisotroana toaka
1. ni81
(
14/06/2008 05:42)
Rehefa tsy nisotro toaka nandritra ny herin-taona ity lahiantitra iray dia nahangona iray tapitrisa ariary. Gaga izahay raha nilazany fa manana ambimbava iray tapitrisa ariary i dadabe Monta noho ny tsy fisotroany toaka tao anatin’ny herintaona. Tamin’ny volana janoary 2007 izy hono no nisotro toaka farany. Nanomboka tamin’io volana io dia nangoniny daholo ny vola tokony hividianany toaka dia nanome iray tapitrisa ariary.
• Madagascar Tribune : Inona no nahatonga anao hiala tamin’ny toaka ?
Dadabe Monta : « Tadidiko tsara ny andro farany nisotroako toaka. Ny faran’ny volana janoary 2007. Rehefa avy nisotro toaka toy ny mahazatra ahy aho dia nihinana mananasy. Efa fantatro ihany fa tsy tsara miaraka ny mananasy sy ny toaka. Fa izany angamba no atao hoe fanairan’Andriamanitra fa dia nampiarahako izy roa. Ny alin’io andro nisotroko toaka farany io dia nibotsina sady lasa mafy toa ny vato ny kiboko.
Tsy mbola nijaly narary sahala amin’izany mihitsy aho. Nanomboka teo dia nivoady tsy hisotro toaka intsony aho ».
• Ahoana no hilazanao fa fanair’Andriamanitra ilay nihinananao mananasy ?
« Manana fomba maro Andriamanitra hampitana hafatra amin’ny zanak’olombelona. Ao ny famaizana, ao ny fananarana. Ho ahy manokana dia nampitondrany ny mangirifiry aho mba hafantarako fa ratsy ny toaka ».
• Ahoana no nahafahanao nanangona iray tapitrisa ariary ao anatin’ny herintaona ?
« Rehefa misotro toaka aho dia mahalany bota iray sy tapany isan’andro. Tsy mba mety lavon’ny bota izany mihitsy aho. Ny hany ahafantarana fa mamo aho dia mivorehitra menabe ny tarehiko, fa tsy mba mandrefy làlana na mandry an-tatatra izany koa. Ka kajikajio tsara fa raha isan’andro ny mandany bota iray sy tapany, dia mahatratra ohatrinona ao anaty ny taona iray ? »
Nangonin’i Manjaka hery

novalian'i tsimati ny 13/07/2008 08:33
2. ainaheri
(
14/06/2008 06:20)
Arabaina izy zany.... Ny ahy manko tsy tiako ny tsangan-jvtr otr'zao idiran'ireny fiangonana ireny(mijoro vavolombelona, manao pub) Mpino aho fa misy ny sasany miteniteny fona sy mamorona mba hampalaza ny fiangonany.
Tsara makatahaka azy ny mpidoroka reetra zany,tsy mahasou tkou ané ny toka ee,bizn doli reny
D maztou maka leson ao @ Jeneraly http://www.dailymotion.com/video/x2omtg_jeneraly-ny-toaka_music

3. patrick2002
(
14/06/2008 16:07)
mety afaka toaka izy fa mety tsy nanana an'izany atao hoe la joie de vivre izany .
Miala tsiny aminareo aho fa malahelo ny fiainana Dadabe Monta ,ny ahy indray aloha zao mbola hisotro avec moderation ihany ,Tcinn Tchinn

4. tsimati
(
13/07/2008 08:33)
Aiza ny sarin'i ralay patrick. efa hita ihany fa niala ve ? Ho fohanana hono ny toaka dia hitokona ny mpisotro toaka :-D :-D :-D