NOSY BE 14 taona dia efa mivaro-tena

1. ni81 ( 13/06/2008 14:22)
Zazavavy kely vao 14 taona dia efa mivaro-tena ao Nosy Be. Tsy misy fahamenarana intsony. Tsy misy fepetra matotra rahateo raisin’ny tompon’andraikitra ao an-toerana.

Mahakivy ny mijery ny fiainan’ny mponina ao Nosy Be. Vitsy ny olona tena manana anton’asa, zara raha misy mpianatra any an-tsekoly. Mampalahelo ny fahitana zazavavy kely, mivaro-tena, misarangotra vazaha isan’alina. Voatavo tsy mifandraka tokoa satria misy vao 14 taona monja. Fa ny tena mahavariana dia ny valintenin’izy ireo rehefa anontaniana ny antony hanaovany io asa io. « Mila vola hanaovana bazary izahay, io no loharanom-bola aingana indrindra », hoy ny famaliny.

Manano jaloky !

Mamporisika hivaro-tena daholo na ny ray aman-dreny , eny fa na ny vady aza. Zary lasa fomban’ny lehilahy ao an-tanàna ny manatitra ny vadiny, na ny sakaizany eny amin’ny « bar ». « tsy olana aminay ny andehanan’ny vadinay mivaro-tena satria maro aminay no tsy manana asa ». Lasa fitaovana tanteraka ny vehivavy, saingy tsy misy mitaraina. Marina fa tsy misy asa ao an-toerana, saingy voamarika fa malaina ihany koa ny mponina. Mahamenatra azy ireo ny mamboly sy miompy, kanefa ny fari-pahaizana tsy lasa lavitra loatra. Ny « business » ihany no mahaliana ny olona.

Aiza Ra-fanjakana ?

Mpizahatany 1000 isan-kerinandro farafaha-keliny no mitsidika an’i Nosy Be. Mitobaka ny vola vahiny, ary roboka tanteraka ny mponina. Ireo vahiny koa manararaotra satria gaboraraka ny fampiharana ny lalàna. Fanapahan-kevitra farany noraisin’ny tompon’andraikitra any an-toerana, volana vitsivitsy izao, ny fanidina ny « bar » amin’ny 12 ora alina, saingy misokatra foana kosa ny trano fandihizana. Tsy misy fisavana karapanondro, afaka misotro zava-pisotro misy alikaola daholo na ny kely na ny lehibe. Manodidina ny 50 euros ny saran’ny fivarotan-tena, araka ny fanazavan’ireo zazavavin’ny alina. Saingy rehefa tsy mandeha ny varotra, dia misy manaiky na sarana fahana finday ihany aza.

Mi.R


GAZETY TRIBUNE 13/06/08
novalian'i RTsongy ny 21/10/2008 21:23
2. tess ( 13/06/2008 16:20)
ny masoko izao no nahita! rehefa manomboka hariva me maizina ny andro de ndreny mimana mivoaka dool lay sipakely bdb mande any ambatoloaka....mitady vazà! fa hitako efa otran'ny tsy dia miraika ny vazà tsiravina afa ts ireny be antitra tsy misy ilànaazy ireny, anio sipa kely hafa ny miaraka matory aminy dia ampitso hafa indray dai toy izay ihany no hitanao miaraka misakafo maraina aminy refa maka pti dèj iny....
misy aza mahazàka sipa kely roa be izao no miarak aminy 8O
3. lemenakely ( 13/06/2008 18:29)
tess:

ny masoko izao no nahita! rehefa manomboka hariva me maizina ny andro de ndreny mimana mivoaka dool lay sipakely bdb mande any ambatoloaka....mitady vazà! fa hitako efa otran'ny tsy dia miraika ny vazà tsiravina afa ts ireny be antitra tsy misy ilànaazy ireny, anio sipa kely hafa ny miaraka matory aminy dia ampitso hafa indray dai toy izay ihany no hitanao miaraka misakafo maraina aminy refa maka pti dèj iny....
misy aza mahazàka sipa kely roa be izao no miarak aminy 8O



bonjour aloha ny MST isankarazany e!SIDA,SYPHILLIS etc
4. tess ( 13/06/2008 19:22)
ka izay e! ny an'i ireny koks kely ireny refa vazà de everiny fa haka azy dool anefa tena itako kriko mitsy lay vazà mijery azy ireny.....
5. imaitsoanala ( 06/08/2008 22:59)
mampalahelo anie zany ry reto e
ketraka mitsy a mamaky an zany toe jvtr zany

inn ary no azontsika atao am zany e

zandrintsika koa anie izy ireo e na d atao oe maditra tak izan aza

ty ny adiresy mail ko vonona aho ifanakalo evitra amtsik mba izahana vahaolana am zany

ny_avelo@yahoo.fr
6. RTsongy ( 21/10/2008 21:23)
Tsy misy ambara za amin'io resaka io fa io daholo zao no malaza
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1368