Toro hevitra momba ny tanana sy ny hoho

1. ni81 ( 13/06/2008 05:52)
Raha tiana halefaka ny tanana ary tiana ho mafy tsara ny hoho dia ity misy toro hevitra tsotsotra:
10 cl huile de ricin (na tseroka no filazan'ny malagasy an'io)
10 cl huile d'olive
Ranon'ny voasarimakirana anankiray.
Toy izao no fomba fampiasa azy: alaivo ny bol ary ataovy matimaty ao ny huile de ricin + huile d'olive, afangaroy amin'ilay ranom-boasarimakirana. Rehefa vita izany dia atsoboy ao ny tanana mandritra ny 10 ka hatramin'ny 15 minitra. Kosikoseho avy eo.
novalian'i xxx ny 16/06/2008 13:04
2. ari.malala ( 13/06/2008 05:57)
Misaotra amin'ny trohevitra aky a! fa mila mampiasa gant zany refa manao raharaha refa avy manao an'io e! nefa za tsy mahay mampiasa gant ndrindra refa manasa lamba hihihihi
3. ni81 ( 13/06/2008 07:52)
Misy ilay gant manify ireny dia toy ny tsy manao azy akory ny tananao satria tsy dia manelingelina e. :)
Fa ny hitako tena manamaina hoditra koa taloha dia rehefa avy manasa lamba @ vovo-tsavony klin moa sa tsy dia tsaroako intsony ny anarany; mitriatriatra mihitsy iny hodi-tanana iny avy eo.
4. ari.malala ( 13/06/2008 11:14)
ie, refa mety ho vovotsavony mints d manamaina tanana ko! fa nenay ts azo sasana amireny ny lamba fa ts maints savony nosy! d ny tena itako manimba ny lohatanana aty kou amizao d ny fangaronana sarbô!
5. fahamarinana ( 13/06/2008 11:16)
:arrow: ni81 :misaotra nizara e..lay huile de ricin ve akia hita eny amin'ny pharmacie sa na any grandes surfaces aza dia mahita ?
Ny ahy ndray ilay fotoana mihintsy no mety tsy ahavitako azy,za manko somary kamo sy tsy manana patience zay fa aleo andramana aloha.. (l)
6. nikah ( 13/06/2008 11:24)
Misaotra @ lay torohevitra.
Fa hono hoah ,ka na ho an'ny tanana mpandray angady mafy be reny ve dia afak'io koa?Dia atao impiry isankerinandro ,sa ve isan'andro no anaovana azy?
Sao dia mahalala fomba fanalana ilay kitro @ tanana sy tongotra ireny koa ianareo????
Misaotra
7. ni81 ( 13/06/2008 11:30)
d ny tena itako manimba ny lohatanana aty kou amizao d ny fangaronana sarbô!
Iny indray dia tena nahitan-dry zareo tany Mahajanga hevitra mihitsy fa misy mivarotra vy, ohatran'ny pince fangalana saribao anaty harona.
ni81 :misaotra nizara e..lay huile de ricin ve akia hita eny amin'ny pharmacie sa na any grandes surfaces aza dia mahita ?
Ny ahy ndray ilay fotoana mihintsy no mety tsy ahavitako azy,za manko somary kamo sy tsy manana patience zay fa aleo andramana aloha..
Misy huile de ricin eny @ pharmacie fa ny eny @ grande surface tsy dia mbola nijery aho. Fa ny nividianako ny huile de ricin ampiasaiko izao dia teny @ Magasin TATI.
8. ari.malala ( 16/06/2008 07:30)
ni81, any Mahajanga iany v no misy izany pince izany?
9. xxx ( 16/06/2008 13:04)
ari.malala:

ie, refa mety ho vovotsavony mints d manamaina tanana ko! fa nenay ts azo sasana amireny ny lamba fa ts maints savony nosy! d ny tena itako manimba ny lohatanana aty kou amizao d ny fangaronana sarbô!



oudry ... ataovy @ sotrobe efa simba r'ise fa ny tanàna ve hosimbaina @ saribao a, ny ahy sotrobe hazo efa simba ireny na sachet plastique no handraofako saribao kou .. Ataoko efa miandry eo foana
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.479