hevitro

1. rajoelina ( 12/06/2008 07:37)
Izaho mino fa Mada tokony tsy nahaleotena izany t@ 1960^:^

Fa tsara ny mahafrantsay.

;-)
novalian'i tsimati ny 30/06/2008 03:06
2. Jeankely ( 12/06/2008 08:01)
Ary Frantsay ve "Rafohy, Rangita, Andriamasinavalona, Andrianampoinimerina, Rainbetsimisaraka, sy ny Ampanjaka rehetra eran'ny faritany ?". Tsy olana fa samy manamoly isiaka no miresaka eto izany.
3. ainaheri ( 12/06/2008 08:15)
Tsy olana fa samy manamoly isiaka no miresaka eto izany.


:-D :-D :-D :-D :-D
4. rajoelina ( 12/06/2008 08:26)
ainahery: zah saika nime talou noho elah fa saingy mbola nakatsy kely... aiza ary i kiady sy ny ravina ho tanehana kle :-D :-D =)) =))
5. Jeankely ( 12/06/2008 08:31)
Tsy rambiazina fa moly roa gony mihintsy. Mpanamoly andafy :-D :-D
6. xxx ( 12/06/2008 08:40)
Madagaskar is France :@
7. hery ( 12/06/2008 09:19)
Aleo mba valiana am-pahendrena :-)

rajo> Tsy omena tsiny ialahy raha toa ka misaina ohatra an'izany. Sarotra ho an'lah angamba izany resaka firenena izany. Izany resaka fianakaviana sy firazanana izany. Satria tsy mitovy isika.
Ny ahy tsinona mbola any Dago daholo ny Razako, ny bebe, dadabe, ray amandreny, fianakaviana. Ary rehefa mody aho dia any... satria any no AHY. Tsy anay aty. Tsy anay Frantsa, tsy anay Italia.

I Madagasikara no ahy, fireneKO. Ka ho ahy, dia tena tsy tiako raha ny zavatro no alain'olona. Faly mihitsy aho hoe mahaleo tena i Madagasikara satria mba an'i Malagasy amin'izay i Madagasikara. Na ny Frantsay koa aza tsy manaiky raha alain'i Amerika i Frantsa.

Raha ny tranoko no dongian'lah fotsiny satria hoe tsy haiko ny mikarakara azy dia tsy manaiky aho fa mangataka fahaleovan-tena. Ny an'lah angamba ny trano azo dongian'olona fotsiny.

Toa izany koa, raha ny vadiko no alain'lah fotsiny satria hoe tsy haiko ny mikarakara azy dia miady isika :-) Ny an'lah angamba azo alain'olona fotsiny.

8. badboy ( 12/06/2008 09:36)
Hery >> Makasitraka.

Rajoelina >> Efa ao europe elah, de ataovy dagokelin'andafy ny ao ambovonlah d'efa tonga @ tanjona!! Sa ahoana??? :^) :^) :^) ;-) ;-)
9. rajoelina ( 12/06/2008 09:39)
hery: ka ny dadany dadabeako anie lesy frantsay taloha e. Frantsay isika taloha hono, zah tsy nahita fa tantara no vakiako.

Raha frantsay izaho taloha, de tsy azoko mahintsy we fa naninn aza i Mada no lasa irery fotsiny?? Tafasaraka t@ Frantsay ^:^

Izao koa: zany leisy tsisy hidirany: vady, zanaka, razana, tany, fangalarana zavatra sns... fa ny Firenena no jerena.

Izaho aloha frantsay e, na dia nahaleotena aza i Mscar. Izaho tsy mankalaza ny 26 Jona izany, averiko indray fa tsy Malagasy irery aho fa frantsay ihany koa.

Madagascar amin'ny izao fotoana efa tsy mety hiova, efa projet potika tsy mety hamboarina intsony. Raha milaza ianareo oe: ity ny Mada vaovao dia ekeko. Ny probleme anie tsy ny malagasy e, fa isika nisaraka t@ Frantsay mahintsy no olana.

Ka rehefa tafasaraka i Mada dia izao lasa manana filoha manokana, politika manokana sns... Haleoko ihany mitambatra amin'ny France leisy ah.

Asa leisy raha mazava ny tiko tenenina:-D fa tsy hande ho any Amsterdam intsony zah angamba ra vakanse :lol:

;-)
10. hery ( 12/06/2008 10:08)
rajoelina> Ka raha ialahy no Frantsay dia aza mankalaza 26 juin. Fa aza ny 26 juin-nay Gasy no kitikitihana :-)

Izaho ohatra izao Gasy dia tsy mankalaza 14 Juillet satria an'ny Frantsay ny 14 Juillet etc. Ny ahy 26 juin no mba fety malazako amin'ny maha Malagasy ahy.

Fa tsy hitako intsony anie izay problem-n'lah amin'i Madagasikara mahaleotena e. Ialahy efa tsy Gasy rahateo. Aleo izy hahaleo tena any. Tsy zaran'lah aza ve izy mahaleo tena dia tsy mifangarongaro amin'i Frantsa-n'lah?
11. rajoelina ( 12/06/2008 10:40)
hery: izaho mino fa tsy tokony hisaraka tamin'ny Frantsa mahintsy i Mscar, de averiko indray. Le fety hakalazain'ingahy sy ny sasany anie fety fisarahana t@ Frantsa e, ny 26 jona... de oe fetim-pirenena. Ary tena tsy mazava amiko.

Raha ohatra ka izaho izany no tamin'ny androny 26 Jona 1960 dia naleoko mahintsiny tsy nifidy na nanaiky oe: haleo haleotena i Mada, satry fantatro tsara ny ho avin'ity firenena ity @ 2008... amin'izay koa ry hery dia frantsay sy ry JK. Ka izao leisy e; mety ho lasa Frantsa ihany i Mada. Fa ny fanamboarana azy dia resaka samy resaka angamba, fa tsy ady akory. Tsy izaho irery ihany no manana an'ity hevitra ity fa hatrany Mada ihany koa mba misy mahatsapatena. Izany oe, betsaka ny malagasy ti hiverina ho frantsay indray. Ka mety hisy vaovao mahafaly atsy ho atsy, asa rahoviana.

Izaho aloha dia manaja an'ingahy raha mankalaza ny 26 jona e, normaly izany. Fa izaho dia averiko indray fa Non. Diso fanantenana raha mankalaza ny 26 Jona.

;-)
12. Jeankely ( 12/06/2008 11:00)
Ianao koa diso mahalala loatra angamba. Tena manandoha nareo ka. Ireto marina no tokony hanabe ho olompirenena vanona. tohizo e.
13. badboy ( 12/06/2008 11:23)
rajoelina >> Mba manaraha ihany vao² f'aza dia ampisehoana ny rehetra tahak'izao ny tsy fitiavana mamaky gazety na mijery vaovao antsary!
Ny Polynésien (Nouvelle Calédonie) izay DOM aza mangataka ny hahaleotena!! Adala ve zany ireo??
Aleo ahitsiko kely ny tantara notatarain'i dadabendrajoelina!! Aza adino fa ny gasy tany amboalohany dia gasy, ary ireo GASY iIZAY NANAMPY NY MANJANAKA HANJANAKA AN'I DAGO no lasa FRANTSAY!! Dadabenao izany isan'ireo mpamadika ny mpitolona t@ 1947 (nandatsadrà sy nahafaty 80 000 gasy) dia nahazo nationalité française sy tany bedebe!!

Manarak'izay, rehefa jerena ny ankehitriny, efa tafaresaka t@ ireo gasy vitsivitsy eto frantsa mangataka io hetahetandrajoeilna io ny tenako, dia ny toetra iraisan'izireo dia : na tsy nahavita fianarana na zatra mpanao arizato ampandriana! Aiza @ ireo ny misy andrajoelina???
:-P :-P :-P
14. RATOVOARY ( 12/06/2008 12:19)
Rajou: elah double nationalité ka noho izany mazava ho azy no ahasahian'lah miteny fa frantsay elah. Ekeko zany saingy aza takonana kôsa ilay tena maha-MALAGASY an'lah de ilay niandohana tany aloha tany. Menatra angamba elh hiteny fa hoe malagasy satria osaosa ara-toekarena noho Frantsa i Madagasikara.
Raha tsy nisy ny fitolomana t@ mpanjana-tany angamba mety ho fatin'ny fanandevozana ny ankamaroan'ny Malagasy . Noho izany tokony tsy hanana fijery ohatr'izay elah fa vao mainka aza hirehareha fa Malagasy, nahavita nanala ny ziogan'ny fanjanahantany t@ fotoan'androny ireo MPITOLONA tamin'izany. Tsarovy koa fa raha niady ny hahazo FAHALEOVANTENA ireo RAZAMBE taloha tany de ao ny antony, Nisy fifampitondrana tsy tanty tao ary nisy fanjakazakana tsy ara-drariny koa. Angamba tsy mba nisy tamingan-kavana na razambe anareo nitolona t@zany ka izay no tsy ahatsapan'lah ny mahazavadehibe ny maha-Malagasy an'lah fa raha nisy tao inddra fa mba afaka nitantara sombiny kely, ôtry ny nitantaran'i Dadabenay ny nanjo azy t@ fitolomana ho an'ny fanafahana an'i Madagasikara, de nakasitraka ny fankalazana ny ho an'ny Fahaleovanten'i MADAGASIKARA elah.
15. Jeankely ( 12/06/2008 13:32)
Hahahahi. I Rajoelina zavatra mananihany sy manala azy saingy lasa alavitrabe ilay fanalana azy. Nahazo mafy izy izany fa lasa ao amin'ny kilasinay tsy nianatra sy donto koa :-D :-D :-D . Ny nahasamihafa azy dia izy any Frantsa fa izahay mbola anaty ala sauvage. HIHIHI.
Ny tsy fahaizan'ny Malagasy mifanampy no nahatonga azy mora voafitaky ny vazaha. Tsaroako tsara ary tsy hanonona anarana aho fa Ministry ny Fampianarana tamin'ny andron'i Professora Zafy nanao valandresaka ary nanazava fa nampandros an'i Madagasikara ary nahitan'ny faritra soa ny Fanjanahantany. Foana ny fanandevozana ary niparitaka ny fianarana sy ny sisa hoy izy. Tsy hanitatra io aho fa ny tiako ambara dia ny samy Malagasy no nahavizana an'i Madagasikara hatrany amboalohany. hatramin'izao rehefa sendra vahiny dia manontany ireo hoe avy ampovoantany ianao sa anindrantany ary manomboka eo ny fiheverany ny fomba fihetsikao rehetra. Magasy daholo no milaza izany @ vazah hoe samihafa ireo.
I Madagasikara na ny Malagasy angamba tsy hajain'ny Frantsay sahalan'ny vietnam. A :-D o nareo manazava azy raha diso. Tsy hamakiany loha firy fa ny Malagasy no maro mitomany ho Frantsay @'ny lafiny rehetra.
16. hery ( 12/06/2008 13:59)
Ny Frantsay aza tsy te ho Frantsay intsony :-)

rajou> izaho manaja an'lah hoe te ho Frantsay ialahy fa mahantra loatra Madagasikara. Misy olona ohatra an'izany. Rehefa mahantra ny fianakaviany dia lasa izy mipetraka any amin'olona hafa dia te ho fianakavian'io olona io. Inona moa no azo atao? Ka raha ialahy koa manao ohatra an'izany hoe te ho Frantsay, satria voa mafy i Madagasikara dia soava dia leisy... aleo Dago sy ny fahantrany ho anay.

Tsy maintsy vitanay io na tsy hiaraka amin'ny Frantsay aza.

Sady nahoana koa moa no voatery Frantsay fa tsy Amerikanina na Sinoa etc? Fa angaha ny Frantsay no tena lafatra indrindra? Koa raha hifindra ihany tsy aleo mifindra ny lafatra indrindra?

Tsy misy olona miverina amin'ny efa naloany izany leisy. Biby hafa no manao an'izany. Rehefa mahaleo tena dia tsy miverina ho andevo indray.

17. rajoelina ( 12/06/2008 14:05)
ratovoary: ka zay anie no antony hilazako amzao na ankehitriny hoe: Raha misy probleme hitadiavana vahaolana, dia hatao @ resaka sy resaka, fa tsy ady handan-tsan-drà olona akory na hamotika firenena. Ny faresena avy @ ady dia tsy ho lasa ho aiza mahintsy. Na contre an'iza na contre an'iza.

Izaho alou de averiko fa tsy ny maha double, na maha triple, na maha bedebe ny nacionalité ahy no hanaovako an'ity fa ny hiverenany Mada ho Frantsa no tena antony!!

badboy: ra mijery tsara elah de ny Lohateny: hevitro.
Samy hafa ny olona, samy manana ny eritreriny avokoa. normaly izany. Fa matetika ny fitambarany marobe sy ny sainy vahoaka amin'ny fanekena oe: Mada ve tokony Frantsa sa ahoana... na koa hoy ny frantsay oe: Tokony haverintsika ho Frantsa ve i Mada, de zay zany e.

Tsy hitako loatra izay hamalian'alah amin'le fanontaniana fa eritreritro angamba ity, ary misy koa manana an'ity eritreritro ity angamba :lol:

;-)
18. rajoelina ( 12/06/2008 14:21)
hery:
Ny Frantsay aza tsy te ho Frantsay intsony

Misy koa ny gasy tsy te ho gasy intsony ah!!.. de avy eo misy kivy sy marary fo mahintsiny de milaza an'le olona hoe: gasy petaka!! :-P :-P sahala zany ny baolina koa :-D :-D

hery:!! Tsy amin'ny fahantrany Mscar akory no tena antony hamerenana azy ho Frantsa indray fa efa nolazaiko teo oe:
Madagascar amin'ny izao fotoana efa tsy mety hiova, efa projet potika tsy mety hamboarina intsony. Raha milaza ianareo oe: ity ny Mada vaovao dia ekeko. Ny probleme anie tsy ny malagasy e, fa isika nisaraka t@ Frantsay mahintsy no olana.


;-)

19. badboy ( 12/06/2008 14:36)
rajoelina >> Aza tezitr'elah @ valitenin'ny olona satria manao provocation de voavaly provocation!!!

Aleo ajanoko ilay resaka moralité sy bienpensant fa ataoko arateknika ny valiny ary elah moa efa andafy rahateo ka tokony ho kôpy dieny any amboalohany ireto hevitra ireto.
1) Tsy ho tafa ilay hevitra rajoelina satria efa ao anatin'ny Union européenne izao ny frantsay fa tsy irery intsony ka raha ohatra ka te hampiditra firenena hafa ho frantsay izy dia tsy maintsy mandalo ny hevitry ny Commission Européenne sy ny Conseil de l'Union européenne. Tsia avy hatrany ny ho valiny omen'ny Commission européenne sy ny Conseil satria TSY AO ANATY EUROPE GEOGRAPHIQUEMENT. Turiquie eo akaiky azy eo aza laviny.
2) Dia inona no tombotsoan'ny frantsay tsy azony @ zao fotoana izao ka hamerenany an'i Dago ho ao anatin'ny DOM?? Ankoatr'izay tsy hiditra pataloha tery @ io izy satria be loatra ny olona michôme any Dago ka hanimba ny système misy ao aminy. Ny mamy ao Dago ihany no ilainy fa tsy ny fahoriana mianjady ny gasy.

Ka hoy aho hoe tohizo ao anaty fandrianalah mafana ilay HEVITRAO! Dia veloma any @ dadabenao namarotra ny mpiray tanindrazana aminy ka mihanoka eo ambonin'ny rà-n'ireo izay lazainao hoe tsy tokony ho nangataka fahaleovantena!! ;-) ;-)
20. rajoelina ( 12/06/2008 14:46)
badboy!! vao maika mora, na mety ho sarotra. Asa koa, mety mbola manofy daholo koa anie ny gasy ôtranay, na ny frantsay e.

* Raha miresaka Geo elah. Europe ve lety le zanatany frantsay eo anilany Mscar sa Africane... ekena fa le zanatany frantsay io, dia raha jerena Geo dia continan Africane be zao. Sady any atsimony afrika.

* Raha miresaka Geo koa elah de Europe ve leisy ny Islas Canarias, Espagne http://www.blogdeturismo.com/wp-content/uploads/2007/06/canarias_comunidad.gif ??

* Andorre. Volan'iza leisy no hampisain'io firenena kely io?? ao anatiny UE ve?? :lol:

;-)
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0798