Fanamelohana ho faty. Iza no tena miaro ny tsy mety ?

1. Jeankely ( 12/06/2008 03:38)
Ho anay raha toa ka misy tokoa ny halatra volampanjakana na volambahoaka dia mendrika ho an'izay tratra ny melohina ho faty. Ny zava-misy nefa ho an'ny Malagasy enjehina ambava hoe iry mihinana volam-panjaka saingy rehefa ho tsaraina dia samy miaro daholo fa tsy meloka indray ilay olona.
Izay tratran'ny BIANCO tsy mitombina koa tsy misy halatra volam-panjakana ve sa misy ? Mihamadio kokoa rehefa mahafantatra ny mpanao ratsy fa tsy maintsy ho faty izy raha tratra.
Misy ihany ny mifoka sy mivarotra rongony na mitondra basy ary tratra ohatra amin'ny tany manameloka izany ho faty saingy tsisy azafady fa maty ary rehefa akaiky ho tratra aza dia avy dia manantona ny tenany izay manao izany satria tsy maintsy ho faty.
Izay no izy fa ity mifampiaro ity tsy hita intsony ny tena izy. Tsy ankanavaka io. Enjehina avy eo milaza ho an'Andriamanitra ny aina koa maninona raha avela hanohy ny fanaony izany ?
novalian'i Jeankely ny 14/06/2008 01:29
2. rahiratra ( 12/06/2008 04:07)
Ny vahoaka tsotra na mahantra tsy manampotoana hiresahana ary tsy afaka hangalatra volampanjakana satria tsy mampiasa izany. Ny taranaky ny mpanao risoriso, na ny avy nanao risoriso no mody manenjika. Raha misy tratra kosa dia izy ihany koa no miaro satria sao tratra ihany koa ny natao sy heverina hatao. Ny mpanao no matahotra izany fanamelohana ho faty izany.
3. Jeankely ( 12/06/2008 04:16)
Mba zahavo ary hadihadio iza no Raiamandrenin'ireo mpampiresaka na koa iza izy mampiresaka ity fanabotriana ataon'ny mpitondra dia ho fantatrao fa tsy hanaiky ny fanamelohana ho faty ny mpandredrika firenena izy. Avadiny any amin'ny baiboly sy ny Andriamanitra nahary ny olombelona ny resaka avy eo.
Fa ny mahantra raha tratra mangalatra tena migadra ary tsisy tokony hiarovana azy fa ry zalahy mifampiaro. Koa iza izany no tena fahavalompirenena ?
4. hery ( 12/06/2008 07:21)

Misy firenena vitsy mbola mampihatra ny Fanamelohana ho faty. Vitsy kokoa ve amin'ireny firenena ireny ny mpanao ratsy? Mahafoana, na mampihena ny fanaovan-dratsy tokoa ve ny Fanamelohana ho faty? Toa mitovy ihany ny vokany.
Noho izany tsy dia hitako ilay tombony amin'ny hoe asio fanamelohana ho faty koa ao Madagasikara.

Fa tsy tena azoko ny tokony hahatongavana. Hoe tokony hovonoina ve Ratsiraka? Miala tsiny raha tsy azoko
5. kanota ( 12/06/2008 07:38)
Jeron'ialahy tsara fa averimberiny foana ny hoe tamin'ny andron'i Tsiranana miampy fidokafana ny tamin'ny andron'ny AREMA ary somary asiana fanaratsiana kely. Tena ny taizan-dry zalahy ihany ireo. Izy mahay nohon'ny fitsarana ary tia hitondra ny mpitondra sy vahoaka Malagasy amin'ny sangany.
6. Jeankely ( 12/06/2008 07:58)
Candidat avy dia manameloka ho faty mpihinana volampanjakana no heverinay ilaina. Ankoatr'izay fiantsarambelatsihy no ampiharina. Arovana daholo nefa mody haratsiana.
7. Annie2006 ( 12/06/2008 09:44)
hoy ra JK: "Ho anay raha toa ka misy tokoa ny halatra volampanjakana na volambahoaka dia mendrika ho an'izay tratra ny melohina ho faty".

Tsy taitra enao fa tsy maintsy raikitra io indrindra hoan'ireo izay manao varoboba ny firenena amin'ny vozongo.
8. Jeankely ( 12/06/2008 11:09)
Izay mihintsy andrasanay ry anon'ity a. Tena tianay mihintsy raha ahantona na tapahana daholo ny lohan'izay mangorona sy mangalatra volampanjakana. Iza no heverinao hiaro izany.
Saingy mahagaga fa nareo avy andafy ihany avy eo no miaro izay voasambotra. hafa ny tondroin'ny molotra ary hafa ny alehan'ny tanana.
9. Annie2006 ( 12/06/2008 14:54)
Amin'izay koa dia alaina amin'ny portable ka alefa amin'ny interinety sahala amin'ny "sadama osehiny" ny loha tapaka. =))
10. Jeankely ( 12/06/2008 16:10)
Be de be fa iny no hain'ny olona maro. Osika be ve zany sa Hussein?
11. Annie2006 ( 13/06/2008 16:34)
osoka ka. Hala-bato io hainy ledala io.
varoboba tanindrazana. Ihany koa.
12. patrick2002 ( 13/06/2008 20:27)
iza indray no tadiaviny razanety helohina ho faty eto ,tena efa terroriste mihintsy, ty razanety ty kty :cry: ,manaova kamikaze ary eh! zany ve no foto-pisainana hazo any @ tany silamo any eh!
mana-tsiny ny aina rahavako ka tsy azo vonovonoina izany :-* :-*
13. Jeankely ( 14/06/2008 01:29)
Koa ho melohina sa ho tabatabaina fotsiny izany ny mpanao risoriso sy mpandroviutra volam-pajakana na volam-bahoaka tanisanareo ry mpiantsara ivelantsihy a ? Arovana ilay izy sisihana hoe meloka. Tenenina indray hoe hoe tapaho ny lohany lazaina tsy mety. Satria ny fanaonareo no arovanareo. Teto Madagasikara aho no teraka, teo aho no lehibe sy nianatra hatreo @ A,B,D ihany ary eto aho no miasa sy hilevina koa angah navadikao ho tany Silamo i Madagasikara ? Sao lasa kondrana ?
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0701