Dera sy Laza hoan'izay be lainga

1. Annie2006 ( 09/06/2008 12:09)
Tena mampalahelo ny manjo ny vahoaka malagasy noho ny afitsok'ity fitondrana ity.
Raha tratry ny "crise alimentaire" ny firenena maromaro ka nanosika ny vahoaka tao aminy nirona tety andalambe dia nidehaka mafy ary nizesta be ny mpitondra malagasy fa tsy nisy izany "loza" na "crise" izany mihitsy teto madagasikara satria voafehin'ny governemanta ny raharaha. Nizesta ka nilaza fa efa lasa lavitra isika malagasy raha amin'ny resaka fitantanana. Faly mihitsy moa izahay naheno an'izany satria mba manana mpitondra mahay miaro "crise alimentaire" izany satria tao senogaly, ejipta sy ny hafa" dia tena rotaka mihitsy é.

Kinanjo, raha vao naheno ny governemanta gasy fa KAY MISY VOLA andeha atokan'ny FAO hoan'ny firenena izay voakasi'ity loza ara tsakafo ity, DIA gaga sy talanjona ny tena fa NISORATRA ANARANA TAO koa ry MAP sy ny soaferany ary nikika ery FA TENA MAFY NY LOZA ARATSAKAFO tao madagasikara tao.
Lasa tany Roma mihitsy moa ny filoha tamin'izany nidodododo sy nitomany teo anatrehan'ireo mpamatsy vola FA ANISAN'NY TRATRY NY LOZA ARA-TSAKAFO koa i Madagasikara ary mila fanampiana haingana.

Ka tsy arakay intsony izy ity e. Nisy crise sa tsy nisy tao Madagasikara tao? Ary raha tsy nisy nahoana no milaza indray fa misy ilay crise ka ilàna vola amina milion dé dolara.

Heveriko fa raha manokana VOLA indray ny ONU hoan'ny firenena izay manana antoko mpanohitra mba hitandroana ny demokrasia dia ity fitondrana ity indray no HISORATRA ANARANA voalohany amin'ny filazana fa misy antoko mpanohitra tena mafy be ao madagasikara ao ka tokony omena vola ny mpitondra mba hanatsarana ny demokrasia ao madagasikara.

TSY HENATRA! TSY TAHOTRA!
répondu par Jeankely le 11/06/2008 04:56
2. xxx ( 09/06/2008 12:21)
Zay le politikan'i Fitondrana. Raha tsy mahay mitoraka bilao de eo no raisina. Ary n'iza n'iza tonga eo @io seza io de tsy maintsy mba mamafy lainga sahala @zay ihany koa.
3. Jeankely ( 09/06/2008 12:58)
Nitoraka bilao ve dia voa ny lohan'i Annie2006. Mipenompenona mihintsy ve ? :-D :-D :-D . Mitady hidirana atsy aotra, miseho ary atody :-D :-D :-D
4. Annie2006 ( 09/06/2008 13:02)
"Nitoraka bilao ve dia voa ny lohan'i Annie2006" hoy ra JK.
Lany mofo ve? :-P :°) :-D :-P :-D :°)
5. agoago ( 09/06/2008 13:54)
Zah koa ry Annie dia mihomehy irery, tsy haiko tsara moa fa tsy miasa amin'ny sehatry ny nutrition aho, fa ny fahazoako sy mba fahalalako kely ny hoe tsy misy crise alimentaire zany hoe en sécurité alimentaire ny mponina dia mihinanana sady mahazo sakafo tsara kalitao sy ampy ny mponina. Ka asa aloha raha izay ny eto Madagasikara eto amin izao vanimpotoana izao, zakan'ny fahefa mividy isantokanatrano tsara ve na dia ny produits de base fotsiny aza, ampy tsara ny tantsaha ny vokatra izay tadiaviny? misy aloha eto tsy lavina izany fa mihoatra ny mety mihintsy ny sakafony, izy injay aza no tsy te hisakafo, raha ireny dia afa milaza izy hoe tsy tratry ny crise alimentaire izahay.
6. Jeankely ( 09/06/2008 14:09)
Resaka daholo no ataonareo. Vakio ny "Madagascar Country report - IMF" izay azon'ny rehetra vakiana tsy handoavambola fa misoratra ao fa mbola sahirana i Madagasikara. Ary ny fahasahiranany no ahazoany fanampiana fa tsy misy izany hoe efa tafita izany. Sina aza mbola tsy ampy sakafo ny faritra maro ary mahantra ny faritra maro koa ahoana i Madagasikara no terenao ho tafita vetivety eo nefa ny avy nataonao sy ny babanao nambotry ny Malagasy hatrany.
7. xxx ( 09/06/2008 14:40)
Jeankonetatay. Babany nambotry an'i Madagasikara, fa i babanao mivarotra an'i Madagasikara ariary sy loso ho botrin'ny vazaha, amin'zay mba misy entinao miery any Indonesie
8. Jeankely ( 09/06/2008 15:27)
Eto Madagasikara aho ary tongava aty raha hanasoa. Sao higagan'ny olona @'ity miteny tanin'olona ity. Efa hoe virtoaly koa mbola mitonatonana ihany :-D :-D :-D
9. patrick2002 ( 09/06/2008 15:49)
mahazo miteny ianao na hoe adjointe ny SG ny ONU ,fa ianao aloha dia tokony hatao evaluation psychologique eh! :-D :-D
10. niny ( 09/06/2008 15:55)
:D aiza e! aza manatsatso ny zvtr ataon'i Ravalo ry lery e! fa raha ry be tenda isany mbola teo @ fitondrana tahak'izao efa lasa 1000ar angambany ny Kapoaka bary e!jero fontsiny fiakaran'ny vidimpianana t@ i994 (cyclone Gralda)vetivety teo lasa ohatrinona ny vidimbary taiky mbola 13$ ny vidin'ny barile petrole ,mbola 300ar ny dollard iray,inona anefa ny fampandrosoana vitan'i Herizo teo fa nanabetenda no nahamaika azy mianakavy nefa teo ambaniny fiahiany ny ministera ny varotra sy fampiroboroana ny indostria taminy izany, amin'izao rangahy inty iza indray tsy manana telefonina ? hatramin'ny mpivarotra ananana izao, ka hatramin'ny mpitariposy izao mivimbina telefonina,t@ ireny laha-bary teny @ fokotany t@ androny AREMA ireny ary tsy maty Hanoanana ny gasy koa! vao maika ve @ izao fampandrosoana miaraka @ Ravalo izao taiky !Gasy koa rangahy inty tsy tratry ny mosary izany a! na hi vavahanareo ny hatongavany izany mba @ izay di mora ny manome tsiny ,fa samy mandray ny andraikiny fa aza miandry vavalatska foana e! SURE E!
11. patrick2002 ( 09/06/2008 16:11)
de lazaivo koa fa fandrosoana ny dikany hoe betsaka ny boite de nuit ao antananarivo, efa tsy fantatra intsony ny mpivarotra amoro-ndalana sy ny mpivaro-tena ao tsaralalana ao fa na andro antoandro aza dia betsaka ny mpivaro-tena ,tsy fahita izany ry lery t@ 2002 nandraisany ra-8 ny fitondrana ah! :-D :-D ,manao izay hivoahana ny madagasikara daholo ny tanora amin'izao fotoana ,ka betsaka ny entreprise mitsangana mandefa mpiasa hiasa any ivelany
12. Jeankely ( 10/06/2008 00:13)
Allo, allo "nini" ! Mankasitraka izahay e. Aza amelana fa omeo ny hafatra. :-D :-D :-D . Ny tanora amin'ny tany rehetra manao izay ahazoana fianarana avo daholo noho izany mitady hivoaka fa tsy hoe mitomany hijanona hamafa lalana any CANADA akory :-D :-D :-D
13. Koditra ( 10/06/2008 05:29)
niny> Za ry zandrikely teto Antananarivo foana fa tsy mbola naheno mihitsy hoe nizara telephone maimaipoana t@ mpivarotra anana sy mpitarika posy Ra8 na Tiko, na Magro. Raha mahay mandiha kilalaka, HipHop, Rap daholo ve ny malagasy na hoe mahay manaradamaody dia zay no ilazanao fa mandroso ny firenena. Ny tiako lazaina fotsiny dia ny hoe aza afangaro ny malagasy mandroso sy ny firenena mandroso, mandroso ny saina nohon'ny fivoarana erantany misy fa mihemotra ny firenena nohon'ny fahantrana, nohon'ny inona? Nohon'ny tsy fahaiza-mitantana. Noho iza? Nohon'ny Mpitondra mazava ho azy.
14. Jeankely ( 10/06/2008 05:56)
Ny mpitondra dia lany ary avela izy hamita ny asany fa aza miresaka rehefa tsy anao inona tsy anao inona. Ny mitsikera rariny saingy mila asa fa tsy miresaka fotsony sahala ny hira vita tsy natao.
15. Koditra ( 10/06/2008 12:10)
jeankely:
Ny mpitondra dia lany ary avela izy hamita ny asany fa aza miresaka rehefa tsy anao inona tsy anao inona. Ny mitsikera rariny saingy mila asa fa tsy miresaka fotsony sahala ny hira vita tsy natao.

Za ve no hanao sy hanampy ny asandrizalahy? Fa inona fotsiny no nanakaramako azy sy ny vahoaka azy? Rehefa tsy hiasa izy na tsy hainy ny asany dia asaivo miala ôtran'ny mpiasa rehetra ireny :-D :-D
Za sy ny vahoaka no mandoa ny karamany, ny manaramaso ny ny mitsikera izay tsy mety no asanay ary sarotiny @zany izahay. :-D
16. Jeankely ( 10/06/2008 14:07)
Hoatrinona no nalohanao izany ? Sao marary andoha ? Mandoa hetra aza mitomany ko owaiwai.
17. Koditra ( 10/06/2008 14:52)
Ary jeankely ity kay tsy mandoa hetra kleaza, mahitahita an! Fianankavian'ny mpitondra kay moa. =D> =D>
18. Jeankely ( 10/06/2008 16:14)
Tena tsy mety ho fianakaviany mihintsy aloha aho. Tsy azo atao ny mandainga. Tsy manana hetrabe aho satria zara raha manana kely noho izany mbola voalohanko tsara daholo. Aza hampitovizina amiko izy fa manjary vizana sahala ahy. :-D :-D :-D
19. patrick2002 ( 11/06/2008 01:24)
aiza akory io no any madagasikara eo :-D :-D tsy mahatakatra internet io ra any ,olona sauvage mba mahazo inernet ry razanety ka eto no manala vokona =)) =)) =))
20. Jeankely ( 11/06/2008 04:56)
Ekenay mihintsy fa tsy maninona. Na adala, na sauvage, na izay ataonareo dia mitohy ny dianay. Mandroso hatrany Madagasikara rehefa miezaka ny olona fa ny any Canada na ao Frantsa efa tafita tsy afaka ny hampiditra iray vilia ao amin'ny tokantranonay. Malagasy eto Madagasikara no mila mahay mifanampy. Ny any andafy efa mihevitra ho vazaha ka tsy hainy ny momba anay. Ny anaranay mahantra aza hindramina fa tsy solontenanay akory ny olona any andafy.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0454