verivakana aho zavavy

1. loumjah ( 09/06/2008 10:08)
slt!

mbô ilaiko kely ny tonon'io hira io

zay fe msôtr'e!
novalian'i ni81 ny 09/06/2008 10:56
2. xxx ( 09/06/2008 10:28)
very vakana aho zavavy e !
dia tonga mba ihangavy
vakana inona hono izany
sao mba hitako teny ihany
vakana iray sarobidy
.................................


tena vakana tsara indrindra (2fois)
tsy mihofo ary koa tsy mifindra (2fois)
lotohina , lotohina vao maika madio
tsarovy sy mba tadidio
ilay vakam-pirenena
tena kanto raha jerena

fa haingon-drazana
.....................

raha izy no hambozonana
hahandramo , handramo ho hitanao
..........

hatreo kalou no hay.......
3. ni81 ( 09/06/2008 10:56)
Very vakana aho zavavy !
D'indro tonga mba hiangavy
Vakana inona hono izany
Sao mba hitako eny ihany
Vakana iray toa arivo
Filamatra soa ka tsahivo
Arendrika tsy mety levona
Hiangoana vao maika matevina

Tena vakana tsara indrindra
tsy miova ary tsy mba mifindra
Lotoina² vao maika madio
Tsarovy sy mba tadidio
io 'lay vakam-pirenena
Tena kanto raha jerena

Haingon-drazana,
Fahiny izay mbola hita tsisy tsiny
Tsy azon'olana takonana
raha izy no hiambozonana
Andramo² ho hitanao
Fa ho mety izay atao.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0553