Kristiana sy Fanahy Masina

1. bor2lais ( 09/06/2008 09:22)
Eo amin\'ny fanaovam-batisa (amin\'ny Anaran\'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) no azo ilazana fa lasa Kristiana ny olona iray.

Ny fanaovam-batisa dia manamarika ihany koa ny fahateraham-baovao : fahazoana ny Fanahy Masina, lasa zanak\'Andriamanitra, sns.

(Io no isan\'ny mahatonga ny firehan-kevitra milaza fa ny Kristiana (vita batisa) dia efa voavonjy)

Ny fanontaniana manitikitika ka tiana apetraka dia izao : io Fanahy Masina noraisina tamin\'ny alàlan\'ny batisa io ve mitoetra mandrakariva (acquis) ao anatintsika (fa isika no mety manadino na tsy mahalala ny fisiaNY) sa mety miala tao Izy (ka ilaina ny firotsahaNY rehefa mangataka Azy isika) ?

Fanamarihana (sy ho fanomezana fahafam-po ny namana sasany) : araka ny lohahevitra dia resaka ho an\'ny Kristiana ity ! Tsy ny fomba fanaovam-batisa akory no tiana asiana resaka eto fa ny vokatry ny batisa amin\'ny Kristiana tsi11.

Dia misaotra amin\'ny fandraisanao anjara !
novalian'i bor2lais ny 16/06/2008 08:58
2. ikaretsaka ( 09/06/2008 16:24)
faka zarainao mazava tsara ve le hoe Kristianina
dia avy eo nefa ianao milaza fanahy masina

ohatran'nymitovy @ hoe mipataloha ve raha misalaka manko ny fanontanianao
3. pissoa ( 09/06/2008 17:21)
Tsy azoko ...

Fa ngah rehefa Kristianina dia tsy mahazo miresaka Fanahy Masina ?
Sa tsisy hifandraisany mihitsy ny Kristianisma sy ny Fanahy Masina sns ?

sns :-w :-w :-w
4. lizabeth ( 09/06/2008 18:17)
bor2lais:

Eo amin\'ny fanaovam-batisa (amin\'ny Anaran\'ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) no azo ilazana fa lasa Kristiana ny olona iray.

Ny fanaovam-batisa dia manamarika ihany koa ny fahateraham-baovao : fahazoana ny Fanahy Masina, lasa zanak\'Andriamanitra, sns.

(Io no isan\'ny mahatonga ny firehan-kevitra milaza fa ny Kristiana (vita batisa) dia efa voavonjy)

Ny fanontaniana manitikitika ka tiana apetraka dia izao : io Fanahy Masina noraisina tamin\'ny alàlan\'ny batisa io ve mitoetra mandrakariva (acquis) ao anatintsika (fa isika no mety manadino na tsy mahalala ny fisiaNY) sa mety miala tao Izy (ka ilaina ny firotsahaNY rehefa mangataka Azy isika) ?

Fanamarihana (sy ho fanomezana fahafam-po ny namana sasany) : araka ny lohahevitra dia resaka ho an\'ny Kristiana ity ! Tsy ny fomba fanaovam-batisa akory no tiana asiana resaka eto fa ny vokatry ny batisa amin\'ny Kristiana tsi11.

Dia misaotra amin\'ny fandraisanao anjara !


Ny fandraisako ny tianao holazaina dia hoe "tsy hiadian-kevitra ny hoe handraisana fanahy masina ny batisa" fa hoe "ahoana ny hitoeran'ny FM ao amin'izay nandray azy nanomboka tamin'ny batisa" ? izay fotsiny angamba no tokony ho nametrahana ilay fanontaniana. Izay tsy manaiky hoe handraisana ny FM ny batisa dia mamorona sujet hafa...Sa ?

Amiko dia fianambavaka ihany no mampijanona ny FM ao amin'ny olona. Raha mbola zaza izy, dia anjaran'ny ray aman-dreniny sy ny fiangonana no mivavaka ho azy mba hitoetra ao aminy mandrakariva ny FM. Davida aza nitalaho tamin'Atra mihitsy mba tsy hoesorina aminy ny FM...
5. ikaretsaka ( 09/06/2008 20:44)
pissoa> toa misy resaka hoe omeo an'i kaisara izay azy hono..
6. bor2lais ( 10/06/2008 12:51)
ikaretsaka > miala tsiny indrindra raha toa ka tsy azonao ny resako. Izaho angamba no tsy mahay manazava. Ny tiako lazaina dia izao : ny Kristiana rehefa mangataka ny Fanahy Masina (amin\'izay rehetra ataony), moa ve FM efa ao anatiny (noraisiny t@ alalan\'ny batisa) io resahiny io sa FM mbola angatahina @ Atra (satria tsy fantany ny fisian\'i FM io ao anatiny) ?

pissoa > marina ny fanamarihanao, Kristiana sy FM dia (tokony) miara-dàlana mandrakariva.

lisabeth > misaotra anao @ valinteny nentinao (porofo izany fa mba misy mahazo ihany ilay tiako resahina !!!). Raha azoko tsara ny soratrao dia mbola mety miala io FM noraisina io ? Amin\'izay fotoana izay ve tsy azo heverina ho tsi-finoana no mahatonga izany ?
7. lizabeth ( 10/06/2008 17:02)
bor2lais:

lisabeth > misaotra anao @ valinteny nentinao (porofo izany fa mba misy mahazo ihany ilay tiako resahina !!!). Raha azoko tsara ny soratrao dia mbola mety miala io FM noraisina io ? Amin\\\'izay fotoana izay ve tsy azo heverina ho tsi-finoana no mahatonga izany ?



Tsy hoe miala fa \"tsy ao\" angamba no hilazako azy. Rehefa milona ao anatin\'ny ota ianao dia \"miala\" izy. Misy incompatibilité, raha ny izy, ny ota sy ny FM. Ka ny olombelona moa manota eny foana. Ny zavatra acquis kosa dia raha mangataka ny hiverenany dia miverina izy. Fa raha mandà ny FM ny olona dia miala définitivement izy : efa tonga amin\'ny apostasie izay fa tsy tsi-finoana fotsiny satria ilay tsi-finoana karazana ota ihany. Izany hoe rehefa ianao mihitsy no mandà azy \"délibérément\" vao tena miala tanteraka izy.
8. LazaDaddy ( 11/06/2008 02:10)
misy lafiny maro voasahan'ity adihevitra ity ary tsy ho voavaly eto.

Ny ohatra voalohany tokony dinihina aloha dia ireo olona vita batisan'ny fibebahana saingy tsy nandray ny Fanahy masina raha tsy nataon'i Paoly batisa sy nametrahany tanana (Asa 19:1-5)

Tsy hidirako lalina ilay adihevitra batisan'ny rano sy batisan'ny Fanahy Masina. Ny antony dia betsaka loatra ny fampianarana mifanipaka amin'ny Tenin'Andriamanitra naparitak'ilay "fahavalo" momba an'io, ka mora misavoritaka izay tsy mahalala.
9. bor2lais ( 11/06/2008 12:42)
lizabeth >
-> Marina ny voalazanao fa ny ota sy ny FM dia incompatible tokoa. Toy ny \"ange gardien\" ny fandraisako ny FM, ny tsy fihainoana Azy na fanadinoina ny fisiaNY matetika no mitarika @ ota (ary ataoko fa malahelo amin\'izany Izy).

-> Marina ny voalazanao fa ny olombelona, dia manota eny foana. Io ota lazainao io, ho an\'ny Kristiana, dia ilay efitra manasaraka @ Atra : lasa tsy mihaino antsika intsony Izy. Mila mifona (miaiky heloka) mba hamitranana ny fihavanana.

Ka eo indrindra : ilay fahatsiarovan-tena diso, nanao ny tsy mety ve tsy asan\'ny FM (izay ao anaty na \"tsy lavitra\" antsika) ?

-> Amiko ilay fandavana ny FM voalazanao eto dia mariky ny fandavana an\'i Kristy, izany hoe tsi-finoana Azy : tsy izay ve ilay mahavoaheloka ?
10. bor2lais ( 11/06/2008 13:15)
LazaDaddy >

Izay indrindra : tsy ireo lafiny lazainao ireo akory no tiana avoitra eto fa ilay hoe : rehefa naharay ny FM ny Kristiana iray, moa ve mijanona ao aminy mandrakariva izany FM izany sa mety miala ?

Azo itarina (araka ny hevitro) ilay fanontaniana hoe : rehefa voalaza fa zanak\'Andriamanitra (manana ny FM) ny Kristiana moa ve mbola mety arian\'Atra tsy ho zanaka indray (miala ilay FM) ? Sa kosa misy mihitsy (avy @ olona) fandàvana ny ho zanak\'Atra (mandà ny FM) ?

Sa tsy misy ifandraisany ve ireo fanontaniana roa ireo ?
11. prime ( 11/06/2008 13:29)
Ny Fanahy Masina dia mety miala (indrindra rehefa tonga amin\'ilay \"phase\" hoe voateny ratsy na blasfemia), toa ny finoana ihany koa mety miala (mety maty aza hoy ny Soratra Masina)...

Mila angatahana mandrakariva io ary mila ilomana amam-bavaka fa tsy hoe azo indray mandeha dia mitoetra mandrakizay... ny firaisana amin\'i Jesosy amin\'ny alalan\'ny vavaka sy ny fiainana ny tenin\'Andriamanitra ary ny fankatoavana ny sitrapony no anisan\'ny hery lehibe mampiorina ny Fanahy Masina sy ny asany ao amin\'ny mpino...
12. niryna ( 11/06/2008 15:31)
prime:

Ny Fanahy Masina dia mety miala (indrindra rehefa tonga amin'ilay "phase" hoe voateny ratsy na blasfemia), toa ny finoana ihany koa mety miala (mety maty aza hoy ny Soratra Masina)...
marina izany ary tsara ho fantatra hoe inona marina izany blasfemia izany na blasphemy na manopa ny fanahy masina.Ary io irery no tsy voaveloka ny helony.

Mila angatahana mandrakariva io ary mila ilomana amam-bavaka fa tsy hoe azo indray mandeha dia mitoetra mandrakizay... ny firaisana amin'i Jesosy amin'ny alalan'ny vavaka sy ny fiainana ny tenin'Andriamanitra ary ny fankatoavana ny sitrapony no anisan'ny hery lehibe mampiorina ny Fanahy Masina sy ny asany ao amin'ny mpino...
mitovy hevitra aminao koa aho.Izany no antony tsy hivavahana amin'izao zavatra tenenin'ny olona rehetra izao.Ny Fanahy Masina dia avy amin'i Kristy,Fanahin'i kristy no tonga ato anatintsika,ka izay rehetra tsy mino an'i kristy fa Zanak'Atra Izy,ATra Izy,Mpamonjy Izy,lalana mankany amin'ny Ray izy dia tsy hisy Fanahy Masina hipetraka ao aminy.Hianao ihany dia mety mahalala hoe misy Fanahy Masina ve aho sa tsia,mitoetra ato amiko ve ilay Izy sa tsia,dia ireo antony ambony ireo no antony mampa-hitoetra azy ao aminao na tsia.
Ataovy foana foana hoy aho ny fanandramana.Manandramana mivavaka direct amin'ATRA na amin'i kristy ,tsy asiana mpanelanelana na inona izany na zavatra na olona na maty na tsangan-javatra,hianao no mivavaka aminy direct ao anaty trano ,na efitra mangina dia antsoy i kristy fa hihiano anao Izy.
Fanahy Izy ka ny fanahintsika(ny vavantsika,ny fontsika no mitalaho, mifona, mandohalika,mivavaka ,mangataka famelana,miaiky fa mpanota,mamela heloky ny hafa.) Raha sahy manao an'izany isika,fo mangoraka ,fo mitalaho,fo mitaraina,fo feno hetaheta mitady Azy no tadiaviny ary sahy mi-guarenty anareo 100% aho fa ho fantatrareo izany hoe Fanahy Masina miaraka amintsika izany

(l) niryna
13. lizabeth ( 11/06/2008 15:57)
bor2lais:

-> Marina ny voalazanao fa ny olombelona, dia manota eny foana. Io ota lazainao io, ho an\'ny Kristiana, dia ilay efitra manasaraka @ Atra : lasa tsy mihaino antsika intsony Izy. Mila mifona (miaiky heloka) mba hamitranana ny fihavanana.

Ka eo indrindra : ilay fahatsiarovan-tena diso, nanao ny tsy mety ve tsy asan\'ny FM (izay ao anaty na \"tsy lavitra\" antsika) ?

-> Amiko ilay fandavana ny FM voalazanao eto dia mariky ny fandavana an\'i Kristy, izany hoe tsi-finoana Azy : tsy izay ve ilay mahavoaheloka ?



Iee, asan'ny FM ilay mampiaiky heloka, izay no mahatonga ahy hiteny hoe "tsy ao" kely aloha ilay FM fa mifona ho anao eny izy. Miambina eny izy izany.
ilay blasfemia no mahavoaheloka mahafaty. Misy olona tsy mino kanefa mety mbola ilatsahan'ny FM. Ilay blasfemia dia tena "en connaissance de cause" mihitsy.
14. LazaDaddy ( 12/06/2008 05:19)
prime> miombon-kevitra aminao aho, ary betsaka ny ohatra azo raisina ao amin'ny Baiboly momba ny fandaozan'ny Fanahin'Andriamanitra ny olona iray.
15. prime ( 12/06/2008 13:28)
LD> Tonga soa... ela2 izany... :) (HS kely fa miala tsiny)
16. bor2lais ( 12/06/2008 15:52)

Raha ny fahazoako azy dia azo ampifandraisana @ tantaran\'ny Mpiandry Tsara sy ny ondriny ity resaka ity. Ny antsoina hoe ondry eto dia izay rehetra mino Azy izany hoe ny Kristiana. Voalaza fa ny ondriny mahalala ny feoNY : eo no ilàna ny fihainoana sy fitarihan\'ny FM.

Voalaza ihany koa fa Izy mahalala ny ondriny ary tsy misy maharombaka azy amin\'ny tànaNY : izany hoe tsy mamela ny ondriNY ho very Izy, raha sendra mania dia averiNY (asan\'ny FM izany).

Ilay hoe FM miala izany eto dia toa midika fa TSY ondriNY ilay olona, izany hoe TSY MINO Azy (akory) : tsy izay ve ilay blasfemia (tsi-finoana) ?

Azoko tsara ilay FM mety miala resahin\'ny namana etsy ambony araka ny hita ao @ Testamenta Taloha (tantaran\'i Saoly sy Davida) ohatra. Fa mbola

Na izany na tsy izany dia iombonako tanteraka ny hevitra hoe : ilaina ny fiombonana tanteraka Aminy (mba hanjakan\'ny FM irery ao am-pontsika). Satria io no ahalalana marina ny feoNY.

Toa mety mifameno ihany angamba izany ilay hevitra roa : ny tena ondriNY no itoeran\'ny FM, sa ahoana ny hevitsika ?

HS. prime > toa tsy mivoaka eto @ ordi-ko ny post-nao farany taorian\'ny an\'i LazaDaddy farany etsy ambony sa diso aho ?
17. fijo ( 12/06/2008 21:05)
za aloh atsy min oizany FM izany,ary na dia mba natao batisa aza ny tenako dia tsy misy heviny amiko ilay izy,ka asa hoanareo mpino,raha zavatra mitoetra io na ahoana?
18. prime ( 13/06/2008 10:19)
fijo> fiadanana anie ny vokatry ny fananana izany e... sa tsy mba mila izany ianao?

bor2lais> na ny ondriny sy ny mpanara-dia azy aza dia mila miambina sy mitandrina... na dia efa nandray ny famonjena aza dia mila milona amam-bavaka ary miray amin'i Kristy ny amin'ny fandraisana mandrakariva sy ny fiainana feno ny Fanahy Masina...

Tsy indray mandeha Kristy sy ny Apostoly Paoly, Jaona, Petera no nampitandrina ny amin'ny fihemorana any am-parany... ny olona mihemotra tsy olona tsy mpino tsy akory fa olona mpino (ondry tao am-bala), efa nandray sy nisotro ny famonjena, niara-dalana tamin'i Kristy nefa nihemotra tamin'ny finoana... tena ondriny ireo fa tsy niambina...

Tsy efa impiry Kristy no nanao fanoharana mikasika izany raha tsy hiresaka ny momba ilay solika fiandrin'ilay virjiny folo?

Ny ondry tsy tafaverina ao am-bala na tafaverina ao am-bala dia samy iasan'ny Fanahy Masina fa safidy sisa ny hiverina na tsia... ny ondry ao am-bala dia samy efa nahazo ny Fanahy Masina avokoa, ny fialàny tsy ho ao am-bala dia safidy, ny fiverenany ao am-bala dia safidy nefa samy iasan'ny Fanahy Masina avokoa izy roroa...

Ny milaza ho mpino indrindra no nanaovan'i Kristy fanoharana ka nasainy nandini-tena mafy sy miambina mandrakariva ary nantsoiny hoe "mpanao meloka"... araka ny voasoratra hoe amin'ny anaran'i Kristy :

"Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka." Lioka 13:27

... ireo nefa no ilay tena nihevitra ho mpino marina nanao ny asa sy ny sitrapon'Andriamanitra...

Tena mila fiombonam-piainana mihitsy ny fandraisana sy ny fitahirizana ny Fanahy Masina ary mila fiambenana sy fahendrena fa tsy azo itompoana teny fantatra... raha nandray indray mandeha tsy midika hoe manana Azy ho azy mandrakizay fa mila ilomana amim-bavaka aza mba itahirizan'i Kristy ny mpino mandrapihaviny...
19. ikaretsaka ( 13/06/2008 16:57)
[quote=prime]
fijo> fiadanana anie ny vokatry ny fananana izany e... sa tsy mba mila izany ianao?
[quote]

iza no miadana aloha izany eto... i Prime izay milaza fa manana azy
sa i fijo izay milaza fa tsy manana azy?


20. bor2lais ( 16/06/2008 08:58)
prime > azoko tsara ny tianao tenenina ary iombonako. Ny fomba fanehoana no tsy mitovy.
Ny nolazaiko momba ny Mpiandry Tsara dia fanehoan-kevitra miainga avy @ tombon-tsoa azo @ fanarahana an\'i Kristy : mila mahafantatra ny feoNY izay mitaky firaisana Aminy mandrakariva. Io no fiambenana lazainao. Ny fahalavoana (@ maha olombelona ny tena) dia tsy midika fandaozana tanteraka ny vala : eo mandrakariva ilay FM manambitamby sy mamerina.

Fomba filaza azy hafa angamba dia izao : lafo vidy t@ Kristy ny famonjena ahy, noho izany dia tokony andeha ho mendrika araka izany aho. Izany hoe ny fahatsapana ny alafon\'io famonjena nataoNY ho ahy io no manesika ahy hiambina mandrakariva. Ao anatin\'izany fiambenana izany ny fihainoana sy fanekena ho tarihin\'ny FM amin\'izay rehetra atao.

Momba ilay safidy \"hiverina ao am-bala na tsia\" na dia samy nandray ny FM aza : amiko dia mitovy tsy misy valaka amin\'ny safidy ny hino Azy na tsia io. Ny fandavana (na tsy fanekena \"définitif\") ny hiverina ao am-bala dia efa \"cas extrême\" izay midika amiko tsi-finoana. Koa satria efa nandray ny FM ianao no lasa mandà sy tsy mino Azy indray, \"en connaissance de cause\" araka ny voalazan\'i \"lizabeth\" ery ambony , izay amiko ilay antsoina hoe \"miteny ratsy\" ny FM na blasfemia. Fandavana ny famonjena (izay efa nambara sy natolotra) -> misafidy ny fanamelohana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4472