HERINANDRO POLITIKA

1. rabingogilabanga ( 08/06/2008 16:15)
Voalazan'i ronaldo:voandalan'ny filoha:hitarina Ivato Aeroportronaldo:miasa ny filoha
annie2006:inona ny takalony?
fijo: na misy na tsy misy ny takalony , tsy misy firenena tsy mitrosa

Ny hevitray:

-andaniny:Tsara raha itarina Ivato, norme international no ilaina hitarika ny tourisme

-ankilany:Tokony hazava ny takalony, ny any frantsa sy etazonia, angletera, ny trosa dia fantatrin'ny assemblée, voasoratra ao @ budget, ary mivoaka Journal Officiel.
Ary tsy misy firenena tsy mitrosa, saingy ny olona bokantrosa, sy tsy mahaloa trosa dia matetika manao hypothèque , na fitàna, na antoka ny fananany. I madagasikara kosa ny trosany tsy voaloany, dia fafana
On ne prête qu’aux riches hoy ny proverbe. I frantsa, etazonia, chine… sady matanjaka ny economie, no matanjaka ny vola, mitrosa izy fa mahaloa trosa ;

Voalazan Rabingogilabanga : Zafy =Obama
hoy i Fomena:non Zafy raciste, tsy tia merina , tsy nanainky an’I voaibe sy ndrema ho president
Andaniny:- tsy nanainky an’I voaibe ho president izy, ary dia tsy nanainky an-Dratsiraka koa ; Tsy nisy resaka foko, resaka politika madio.
ankilany: Izy (Zafy) no lanin’ny Base, satria ndrema, manandafy, voaibe, tsy azon'olona antoka , satria efa niasa niaraka t@ ratsiraka (1975-1989)
-TSy raciste na tribaliste izy, satria nahazo asa tany Lafrantsa (assistant ny grand prfesora Cabrol , no sady vazaha) kanefa dia tao Antananarivo no nisafidiany hampianarana sy niasana.
Ny liberté indray, dia t@ androny no afaka nanao kabary mivantana avy tany paris ta @ radio RNM sy TVM I ratsiraka (1995). Possible ve izany zao?

Ny gasysoafifameno: 48 ans Madagascar mahantra, coupable PSD, Arema, TIM
b]Ny hevitray:[/b] Tsy Mitovy ireo
PSD: Voky fa tsy nisy demokrasia
AREMA: Sady noana no tsy nisy demokrasia, akama akama.
Zafy: Nisy demokrasia fa noana
TIM: sady noana no tsy misy demokrasia, gadra ny akama

Solitikabe: Mada sy chine:
Comparaison n’est pas raison, chine be diaspora manambola, misy an’I Taiwan (independant), changaî, macao, hong-kong (autonome), mapiasa vola malalaka ao chine.
Fehiny : halalaho ny fampiasan’ny diaspora vola ao Dago, ohatra: afaka mividy ny action Jirama sy Telma, sy etc… ohatra ny gasy

Rajoelina : Madagasikara ve frantsa
Comparaison n’est pas raison,
ny harenan’ny frantsay sy ny PIB, ambony nohon’ny harenan’olona tsotra vahiny iray.
Madagasikara kosa ampahafolony harenan'olona iray,
Ex: Madagascar 4,2 milliard de $
Bil Gates 42 Milliards de $
France 1423 milliard de $

Tandrovy ny tanindrazana!

Jeankely: azo ompaina ve ny mpitondra?
-andaniny:non tsy azo ompaina izy, filohan'ny gasy izy izay manompa azy tokony hotsaraina, raha diso dia gadraina
-ankilany: Azo critique-na kosa, ary ny critiqueny , tsy ompa


Fehiny enkena fa lanin’ny vahoaka ny TIM, tokony havela hiasa ny filoha, tokony havela hanao bizina kosa izay gasy manambola, ary tokony havela hilahatra sy hi-critique ny mpanohitra? Samy mandeha, samy mitady e!
novalian'i Jeankely ny 11/06/2008 16:48
2. naughtyboy ( 08/06/2008 17:57)
azo ekena ko ny fanarahamaso ataony vahoaka sy nampanatenaina sy miandry vokatra, ny tsy azo ekena de ny mikipy fotsiny manoloana ny tsy mety ataony reo mpampahory vahoaka .Ra reto santionany tarehimarika voarakitra reto no jerena @ fiarinkarena atr@ 1995-2003 de efa betsaka no tokony ho vita ampihenana ny hanoanana satria politikany kibo no tena olana ao Madagasikara
-ny fidirambolambola any @ kitampompanjaka(revenue) de nitentina $ 553 million (hetra sns..)
-fidirambola hafa (expenditure) $ 735 million @ reo orinasa tsy miankina @ fanjakana
-fanondranana vokatra any ivelany mitentina$ 600 million(kafe,vanilla,harena ankibony tany sns..)@ reo tany mifandraraha arabarotra amintsika toy ny france,china,japon,singapore, U.S , U.K..
-t@ taona 2000 tafiditra tany anaty lisitra @reo firenena ahenana trosa zay tao anatiny tetik\'asa natsoina oe Poverty Reduction Strategy Paper ahitana reo mpandrindra aratoekarena toy ny World Bank sy IMF zay marihina
fa nanala $103 million @ trosantsika malagasy ,tsy azo adino ko ny African Development Bank zay nanala $71.46 million ary Paris Culb $ 161 million
-ny inflation oh.t@ 1994 niakatra 60 %,efataona tao arina nidina 6.4 % nisy fihatsarana kely teo ny toekarena ary ny fitomboany vava homana (population growth)de 4.8 % t@ 2000
-ny mahalasa ny saina de zao ra reo tarehimarika ireo marina v no zohina de mampanotena ihany oe tonga any @valala tsy mandady harona mba efa nihena
v reny hasasarany reny sa de tsisy fanafany tsony ty fahatrana ty fa toerana
isolosoloana ny fitondrana de aleo aloha haka ze tsy mbola nahazo na tsy mbola hita aza ny vokatra nentiny .. za kalo de anisany le tsy mpino anle oe minoa fotsiny ihany ny zvbita ihany no itsarana ny rehetra,betsaka ko ny tsy mino satria otrany oe fidio aho amitahako anao..

:^) :^) ;-)
3. Jeankely ( 09/06/2008 00:59)
Hoy ra-bogosy mody gila sy banga:
"Fehiny enkena fa lanin’ny vahoaka ny TIM, tokony havela hiasa ny filoha, tokony havela hanao bizina kosa izay gasy manambola, ary tokony havela hilahatra sy hi-critique ny mpanohitra? Samy mandeha, samy mitady e!"
- Fehiny enkena fa lanin’ny vahoaka ny TIM, tokony havela hiasa ny filoha: Tsy resaka fa mazava.
- tokony havela hanao bizina kosa izay gasy manambola: Mba misia mijoro vavolombelona izay gasy manambola tsy mahazo mangana orin'asa izany. Ny toerana mikarakara izany aza nohatsaraina ary lasa EDBM ny GUIDE ka asa mba asio resaka mazava.
- tokony havela hilahatra sy hi-critique ny mpanohitra: Ny hitako dia afaka mitsikera ary eto aza ankizy andakilasy manasa ny Filoha hametram-pialana sady milaza ny tsy nianatra sns. Misy lalanany ny filaharana ka nangataka halalana tsy nahazo ve sa tia hanao bodongerona?
- Samy mandeha samy mitady: Misy fepetra ny rehetra ary samy mandeha ao anatin'ny ara-dalana fa tsy samy mitady @ tsy fanarahan-dalana.
4. rabingogilabanga ( 09/06/2008 07:17)
Ny tena olana t@ iny resaka t@ herinandro iny dia valinteny roa:
hoy annie2006 t@ izay: : Hamboarina Ivato, Inona no takalony, sao mivarotra tanindrazana
Hoy i Fijo:: Tsy misy firenena tsy mitrosa, trosa io, ary aza asiana resaka varotra tanindrazana izany.

Ny marina: I madagasikara dia bokantrosa, ary effacemment de dette aza no betsaka,

France, angleterre, Etats-Unis, ... na mitrosa aza, dia mahaloa trosa, satria matanjaka ny economie-ny, tsy misy fivarotana , na fanaovana antoka ny tanindrazana

Ny olona bokantrosa, dia tsy ome-ny banque trosa, raha tsy manao hipothèque ny fananany, na hoe manao antoka , na hoe manao fitana.

ka asa mila mitandrina isika, sy ny mpitondra , ny @ an'ny tanintsika , sao tsy misy ny ho lovain'ny zanaka amampara

5. naughtyboy ( 09/06/2008 11:07)
ankoatry reo voalaza,de aoka aloha azava fa :
- fanitarana ny seranampiaramanidina Ivato de dingana ao anaty fepetra avy any @ reo mpamatsy vola toy ny World Bank sy ny International Monetary Funds( zay
manana any frantsa ho mpanolokevitra azy reny)tsy azo ialana ra tiana ivelatra ny fanatontolona ny toekarena ao amintsika(fizahantany,serasera arabarotra any ivelany sns..) ,teny midina izy io @ reo mpampindrambola sy mpamatsy vola avy any dilambato ,48 taona aty aorina fahaleovantena v vao ho vita fa tsisy mpitondra na 1 aza nanana finiavana anamboatra zany atr@ zao( Mauritius nosy kely eo anilatsika aza efa ela no nanana seranampiaramanidina manaraka ny fepetra iraisampirenena) ,rariny ra manotany tena ny rehetra inona no takalony,tokony azava ny tetibola voafaritra holaniana @ fanamboarana ny seranana sy ny takalo arabarotra andrasany reo mpamatsy vola @ izy io
-resaka trosa aloha de tsy fahaizamitantana sy mifehy ny toekarena no mahatonga ny tsy fahaloavana azy reny ,ra zay taona maro2 zay no asiana tombana sy ampamoaka reo sosy nanjavona de efa betsaka reo voavonjy reo maty noana sy asa maro amelomana ny zaza malagasy
-bango tokana, le toetsaina novolena hanao tsindry hazo lena @ fahefana sy herimpamoretana tsy afaka mintsy na efa lasa aza reo mpanjanatany satria efa ao reo mpandimby azy.Tsy mpitondra tahaky zany tsony no andrasany malagasy fa olony fiovana,amiko zany tsy ny manampahaizana no tsy misy ao Dago fa ny manampanahy.ialantsiny fa somary lavalava resaka androany fa tsy boribory

:D
6. Annie2006 ( 09/06/2008 11:12)
Hoy ranamana etsy ambony: "Fehiny enkena fa lanin’ny vahoaka ny TIM, tokony havela hiasa ny filoha, tokony havela hanao bizina kosa izay gasy manambola, ary tokony havela hilahatra sy hi-critique ny mpanohitra? Samy mandeha, samy mitady e!".

Hevitro:
1-TSIA! Tsy lanim-bahoaka ny TIM fa natao lany ara-tsoratra ao amin'ny ministeran'ny atitany sy ny HCC. Betsaka dia bnestaka mihitsy ny hala-bato, ny taraina, sy porofo amin'izany fa tsy noraharahain'ny mpitondra fanjakana satria halatra no tadiaviny satria TSY TIAM-BAHOAKA izy.

2.TSY MBOLA NISY OLONA teto madagasikara na taiza na taiza NANAKANA NY FILOHA TSY HIASA. Izy irery no vaky vava fa "izao vao hiasa amin'izay isika" tamin'ny taona 2008 io. Iza no sahy milaza eto FA NOSAKANANA ITY FILOHA ity hiasa hatram'in'ny 2002 ARY IZA NO OLONA NANAKANA AZY tamin'izany ka tsy nahafahany niasa?
Fa ny vokatry ny asany dia: Detaxation, trosa, amnistie fiscale, famonoana mpianatra, ny delestazy, omby vavy be ronono avy any nouvelle zelande, kolokoloinny miaramila sy ny sisa.
Raha TSY NAHOMBY NY FITONDRANA dia aza lazaina fa nosakanana izy tamin'izany. INCOMPETENCE-ny io fa tsy nisy nanakana azy teo.

3-Tokony havela manao bizina ny gasy...
ENY! ary afaka manao bizina ny gasy raha ny lalàna mifehy ny concurrence no jerena fa TSY MIFANDRAIKA amin'ny TIKO sy ny zanany maromaro io libre concurrence io. Hitantsika ny subvention sy ny menaka.....
4. Tokony havela mi-critique ny mpanohitra na koa hilahatra aza...
ENY! satria "zo" io ary voarakitra ao amin'ny lalampanorenena fa ILAY JADONA KOSA dia tsy manaiky an'io.

Io ilay mahatonga ny olona MANOMPA an'ity filoha tsy manaja tena ity.
7. Annie2006 ( 09/06/2008 11:13)
Hoy ranamana etsy ambony: "Fehiny enkena fa lanin’ny vahoaka ny TIM, tokony havela hiasa ny filoha, tokony havela hanao bizina kosa izay gasy manambola, ary tokony havela hilahatra sy hi-critique ny mpanohitra? Samy mandeha, samy mitady e!".

Hevitro:
1-TSIA! Tsy lanim-bahoaka ny TIM fa natao lany ara-tsoratra ao amin'ny ministeran'ny atitany sy ny HCC. Betsaka dia bnestaka mihitsy ny hala-bato, ny taraina, sy porofo amin'izany fa tsy noraharahain'ny mpitondra fanjakana satria halatra no tadiaviny satria TSY TIAM-BAHOAKA izy.

2.TSY MBOLA NISY OLONA teto madagasikara na taiza na taiza NANAKANA NY FILOHA TSY HIASA. Izy irery no vaky vava fa "izao vao hiasa amin'izay isika" tamin'ny taona 2008 io. Iza no sahy milaza eto FA NOSAKANANA ITY FILOHA ity hiasa hatram'in'ny 2002 ARY IZA NO OLONA NANAKANA AZY tamin'izany ka tsy nahafahany niasa?
Fa ny vokatry ny asany dia: Detaxation, trosa, amnistie fiscale, famonoana mpianatra, ny delestazy, omby vavy be ronono avy any nouvelle zelande, kolokoloinny miaramila sy ny sisa.
Raha TSY NAHOMBY NY FITONDRANA dia aza lazaina fa nosakanana izy tamin'izany. INCOMPETENCE-ny io fa tsy nisy nanakana azy teo.

3-Tokony havela manao bizina ny gasy...
ENY! ary afaka manao bizina ny gasy raha ny lalàna mifehy ny concurrence no jerena fa TSY MIFANDRAIKA amin'ny TIKO sy ny zanany maromaro io libre concurrence io. Hitantsika ny subvention sy ny menaka.....
4. Tokony havela mi-critique ny mpanohitra na koa hilahatra aza...
ENY! satria "zo" io ary voarakitra ao amin'ny lalampanorenena fa ILAY JADONA KOSA dia tsy manaiky an'io.

Io ilay mahatonga ny olona MANOMPA an'ity filoha tsy manaja tena ity.
8. Jeankely ( 09/06/2008 11:54)
Izay avy nosaratako eran'ny sehatra maro ihany no arahin-dry naughtyboy nefa be resaka. Tsara rehefa mandray lesona ka. Jereo ny daty eran'ny rehetra hanamarinana azy. Adala e, nefa hanovozana ihany. Silaka be.
9. Annie2006 ( 09/06/2008 13:04)
"amiko zany tsy ny manampahaizana no tsy misy ao Dago fa ny manampanahy" hoy naughtyboy.

Minoa fotsiny ihany!!!! :-D :-D :-D
10. naughtyboy ( 09/06/2008 13:25)
oadray fa tratrany tamberintsaina v ty olona ty sa very tadipoitra,
nilazalaza ny heviny ny tompokevitra mikasika ny fijeriny ny herinandrony politika lasa teo de nanazava aho ny fijeriko zay toy zao :
- fanitarana ny seranampiaramanidina eny Ivato ------>ny hevitro: tetik'asa ampivoarana ny fandraharana toekarena (fizahantany,sy varotra ,famatsiana vola avy any ivelany)
fepetra notakiany reo mpamatsy vola avy any ivelany izy io fa tsy finiavana avy any @ fitondrana mba ahamora reo fampindramambola aorina
- resaka trosa samy manana daoly ny firenena rehetra fa ny habetsany no tsy mitovy sy ny fandoavana azy ozy rabingolabanga --------> ny hevitro:ny tsy fahaizamitantana sy mifehy ny toekarena no fositra mampitombo ny trosa ,ny kitampobatsy mintsy no avoaka ampidirina any amposy leo ny vahiny fa tsy maintsy aloha lafo ny sarany ao arina.Rariny ra manotany ny rehetra inona ndray no sarany iny seranana iny aorina,tsy olona rehetra akory no miesona ka oe iny no voafidy teo ka avelao iala sasatra anao ze daniny kibony
avereno eto oe aiza ho aiza @ reo zany resakao arahiko zany fa tsy azoko 8O
enao manko no mpanaradrenirano eto oe iny no voafidy teo de matoria ry malagasy ary minoa fotsiny ihany
11. naughtyboy ( 09/06/2008 13:40)
i JK no nandefasako an'io ho jereko oe amarino ny tsikeranao ..
Annie > efa ela no nahenoko an'io fa ny azoko inoana aloha atr@ zao de ny fahatrany vahoaka mangotantana ---->fa maninona no tsy nataondry zareo oe asa fa tsy kabary :-D :-D
12. Jeankely ( 09/06/2008 14:02)
Iza no nino. Miasa aho arytsy mino ny olona fa ny hatsembohako no hitelomako hanina kely. Tsy mitsahatra aho ny milaza fa hafa ny andraikitry ny fanjakana ary ny tsirairay miezaka fa tsy ho vitan'ny fanjakana rahoviana ny amahana sakafo ny mahantra rehetra.
13. naughtyboy ( 09/06/2008 14:03)
J.K >fadindrazanay zany manovo hevitra adala zany fa aza manofy atoandro :-D :-D :-D :-D
14. Jeankely ( 09/06/2008 14:12)
jereo tsara ary sokafy ny maso fa aza mody fanina. :-D :-D :-D . Ao koa i Badboy manampy azy
15. naughtyboy ( 09/06/2008 14:16)
aiza ary ny capacite d'analyse -ty J.K ty, tsy ny amahana ny mahantra rehetra no
antenainy vahoaka fa mpitondra manomboka any @ fampihenana ny trosa lolohaviny mba iverina anisany reo firenena andalampandrosoana ampitombo ny fahatrany( ady @ hanoanana,ampiakarana ny fahefamividy ny vahoaka sy ny farimpiainany sns,mampivelatra reo sehatra samihafa eo anivony malagasy..)
16. naughtyboy ( 09/06/2008 14:23)
tsy oe votsa saina akory J.K fa mila averina kely njay le fanotaniko tetsy aloha vao azony ozy za :
avereno eto oe aiza ho aiza @ reo zany resakao arahiko zany fa tsy azoko
17. Jeankely ( 09/06/2008 15:30)
Vota saina kah sady adala no hifampiresahana sy handaniana andro. :-D :-D :-D
18. patrick2002 ( 09/06/2008 15:57)
ka sao dia adala hamono kou aleo malina ihany, :-D :-D
19. naughtyboy ( 09/06/2008 16:44)
efa nazava ny olana aratsaina nahazo anao any J.K nefa azavaina ihany na zany aza hevitra avoaka eto fa tsy itondrana adalanao fotsiny ny hafa na ny zanakao io aza mety mijerijery tony tranokala tony ndray2 ka tongava saina sa tsisy fanafany le aretina :-P :-P
20. naughtyboy ( 09/06/2008 17:40)
de miala tsiny sy fondro @ reo tompokevitra sy ny mpiserasera ato fa tapaka foana mo ny resaka refa sendra ty namana tsy mahay mamosakevitra ty ..tsy fomba ny manadala ny adala fa ny adalany ihany no ananatra azy eto
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0078