Ny famadihan'i jodasy : tsy maintsy sa safidy???
21. prime
(
13/06/2008 09:56)
ika:... Efa imbetsaka no naneho marika Kristy fa tsy azon'ny mpianatra mihitsy, indrindra fa i Jodasy; rehefa hitan'i Kristy fa i Jodasy ilay izy dia efa nambarany ampahibemaso nanomboka tamin'ny fotoana nilazàny hoe ny iray aminareo no hamadika Ahy (io fotoana io, ny alakamisy alina hisamborana Azy vao tena fantany mazava ilay hamadika Azy)... izay indrindra ilay ilàna ny fanahin'ny fiambenana...
Prime> dia ahoana ny momba ilay hoe ïzay miara manatsoboka ny sila mofo no izy ?
ika:... io no manamarina fa tsy voafaritra mialoha ary fampitandremana ho an'ny mpianatra rehetra no nataon'i Kristy...
sy le ozona heo loza ho an'zay olona izay?
22. manidina
(
14/06/2008 16:54)
hoy ny soratra masina:matio26:24:ny zanak'olona dia mandeha tokoa araka izay nanoratana azy,nefa lozan'izay olona olona hahazoana ny zanak'olona hatolotra !tsara ho an'izany olona izany raha tsy nisy akory..
midika izany fa efa voasoratra ny tantaran'izy roa ka raha izay no nanoratana azy ary tsy maintsy mandeha arak'izay dia inn koa no idiran'ny safidy eto?
rehefa nanambara jesosy fa hoe hamadika azy ny iray @'ireo mpianany:de mino ve ianareo fa tsy ampy ny fahalalany ka nahatonga azy tsy nanambara mivantana hoe iza ilay olona? sa kosa nohon'ny lafiny hafa izay tsy tsara ny manonona anarana...ary raha ny voalaza ery ambony hoe raha tsy namadika an'i jesosy i jodasy dia tsy tanteraka ny famonjena ny olona rehetra...ka tsy tokony hisaorana ve izany ra-jodasy fa maninn no hozonina?
maninn raha mba namboarin'i jesosy kely aloha i jodasy vola iany manko no nahasempotra an lery nanin raha nomen'i jesosy azy zany , na koa nomeny fananarana be fa de navelany amzao fotsiny? sa nohon'izy efa voasoratra?

23. badboy
(
14/06/2008 18:30)
manidina >> Io voalazanao io mihintsy no nilazako hoe tsy manantsafidy satria izay no voasoratra na koa voalaza!! Fa ny nahitsiko kely dia hoe mandrapahavoasortara sy mandrapahavoalaza ilay zavatra hitranga dia manatsafidy, fa rehefa avy voasoratra na voalaza dia tsisy intsony ny safidy!!
Dia izay no nahatonga an'i jodasy tsy maintsy namadika! Ary ny tambin'ilay famadihana, satria efa voasoratra sy efa voalaza, dia ny tsy hahafahan'i jodasy mahazo ny fanjakan'ny lanitra na mibebaka ny helony! TSISY NY SAFIDY REHEFA VOASORATRA NA VOALAZA! Ao @ izay tsy voasoratra na voalaza no misy ny safidy! Misy izany ny olona tsy maintsy manao ny ratsy ary tsy avy @ devoly no anaovany izany, fa izay no efa voasororatra na voalazan'A/tra!!
Dia mahaiza misafidy! :^) :^) :^)

24. ikaretsaka
(
15/06/2008 02:49)
ka ny adinonareo ange efa nandeha ilay tantara vao nanoratra i matio e :-D
25. badboy
(
15/06/2008 07:24)
ikaretsaka:
ka ny adinonareo ange efa nandeha ilay tantara vao nanoratra i matio e :-D
Marina ny lazainao, fa ny nolazaiko koa hoe "na voalaza"! ;-)
26. fijo
(
15/06/2008 20:11)
ika,ekeko fa tsy izy irery,saingy izy no tena nanantena hoe i jesoa dia tonga hanavotra ny jiosy eo ambany jiogan'ny romana.na dia samy mitovy fisainana koa aza anie letsy tsy ny rehetra no sahy hanatanteraka ny tetika e.
ny tombana iray hafa koa dia hoe ,izy sy jesoa no efa nifanaraka fa mila esorina eo amin'ila vatana ny fanahy fa voahejan'io vatana io.ary efa hiarah amahalala anie fa fantar'i jesoa hoe i lery no hanatanteraka ilay asa e.nahoana no tsy nahiliny????

27. rakapy
(
15/06/2008 20:56)
Resaka efa nandeha ity fa ny tsy mazava @ tsika dia ny hoe. Nanao sorona ny momba azy sy ny tantarany manotolo i RaJodasy mba hampalaza sy ahavitan'i Rajesosy ny mision-ny. Lasa fanoharana ratsy ny anaran'i Rajodasy ankehitriny nefa raha mandinika tsara ny mpino dia izy no tena tokony hisaorana satria nanao sorona ny tenany mba ho ratsy ary ho soa ho an'i Rajesosy.
28. prime
(
18/06/2008 12:31)
manidina,badboy> Itoviana hevitra tanteraka ilay hoe izay voasoratra tsy maintsy tanteraka na hotanteraka... fa ny tenin'Andriamanitra tsy nanoritra velively nialoha fa i Jodasy ilay "tsy maintsy" hamadika, fa hoe hisy iray hamadika... raha nandinika sy nihaino tsara ny fananaran'i Kristy Jodasy ka nihemotra tamin'ny fikasany, dia tsy maintsy nisy mpianatra hafa namadika azy ary dia nitovy hatrany ny lalana nizoran'ny famadihana, dia ny hanolotra an'i Kristy hotsaraina ary ho faty...
29. rakapy
(
18/06/2008 17:24)
Ka raha ny fahazahoako azy izany dia ilay Kristy mihintsy no efa mitady fahafatesana sy vono ka dia ny olombelona no mifanome tsiny??? Raha tsy maintsy ho tanteraka ve izay voasoratra ,dia inona moa no antony ivavahanao sy handanianao andro @ resaka finoana intsony?
30. prime
(
19/06/2008 09:55)
rakapy> Tsy maintsy tanteraka tokoa izay voasoratra ary fitiavana avokoa no nanaovan\'i Kristy an\'izany an-tsitrapo no sady am-panetren-tena...
Azony natao ny nandà tsy hanome ny ainy, azony natao ihany koa nefa ny naneho ny heriny sy ny voninahiny ka nandravàna ny fikasàna rehetra namonoana Azy, azony natao ny nampiasa ny fahefàna teo aminy nanafahana an\'Isarely tsy teo ambany gejan\'ny Romana... tsy izany nefa no safidy noraisiny fa mbola nahafoy ny momba Azy manontolo Izy mba hahatonga ny olona rehetra izay mino Azy ho tonga zanak\'Andriamanitra ary manana anjara amin\'ilay fiainana sy fiadanana mandrakizay... mbola fitiavana avokoa izany...
Ny voasoratra dia tsy maintsy tanteraka fa safidy ny hino na ny tsy hino... izay misafidy ny tsy hino dia fandaniana andro ny fivavahana sy ny finoana... fa ho an\'izay misafidy ny hino dia aina isanandro ny fivavahana sy ny finoana ary ny firaisana amin\'ilay Nahary azy ka andraisany fitiavana sy fitahiana amin\'ny fotoana rehetra iainany...

31. rakapy
(
19/06/2008 23:21)
Prime> Asa na mazava aminao na tsia ny tiako ambara? omeko ohatra tsotra ianao mba hampazava azy.
Ohatra hoe hanangana trano ho an'ny ministera ny fanjakana. Efa tapaka fa ho atao. Ny plan dia efa vita. Ny vola efa vonona.Ny fitaovana torak'izany.Midika izany fa efa voasoratra ny zavatra rehetra.
Ka na iza hihino na iza tsy hiino dia hitsangana eo ilay trano rehefa tonga ny fotoana. Tsy misy tokony hampatahotra na handresenao lahatra ny olona izay tsy mino hoe hanagana trano eo ny ministera. Izany hoe tsy hampitombo na hampihena izay efa voasoratra ao @ plan ny filazanao @ olona fa hiisy trano hitsanagana eto ao aorinana kely.
Dia mitovy @ zany ilay resaka finoana raha ny filazanao azy. Tsy misy safidy izany ny olombelona satria efa voasoratra ao @ baiboly ny niandohan''ny olombelona sy ny hiafarany. Toa midika izany fa na hihino na tsia dia tsy hampiova ninoninona satria dia A/tra sy jesosy dia efa nanoratra ny plan.

32. naritsimba
(
20/06/2008 06:38)
Miarahaba antsika namana rehetra eh!
Ny lalam-piainantsika olombelona dia efa voasoratra, isika no mihevitra @ fisainantsika fa ho atsy na ho aroa, efa voasoratra ny tokony ataontsika fa isika no tsy mahatanteraka izany.

33. prime
(
20/06/2008 07:38)
rakapy> mazava tsara ny tianao ambara... ary voazavanao tsara ny ndriky ny planin'Andriamanitra, ary dia izany tokoa no izy...
Amin'izao ankehitriny izao, na iza hino na iza tsy hino, Kristy tsy maintsy ho avy amin'ny voninahiny ary hiseho amin'ny rehetra, na ny efa maty na ny velona... ary amin'izany no hampiakarany ny zanany ka hiray lova aminy any amin'ny mandrakizay... (izay izao anisan'ny planin'Andriamanitra)
Saingy safidy ny ahy sy anao na hino izany dia hiaraka aminy ; na tsy hino ny izany dia vonona hizaka izay hiseho...
Ny tsy azonao dia ilay safidin'olombelona tsy mitondra fiovàna amin'ny planin'Andriamanitra amin'ny ankapobeny (efa nisy ihany mantsy fotoana nanovan'Andriamanitra ny planina napetrany noho ny vavaka na ny fibebahana nataon'ny olona iray na ny vahoaka... azo amarinina izany ohatra tamin'ny tantaran'ny Ninive izay nibebaka rehefa nitoriana ny voninahitr'Andriamanitra, ka namindran'Andriamanitra fo raha saiky horavàny toa an'ny Sodoma sy Gomora... "l'exception qui confirme la règle")... ilay safidy ataon'ny olona dia ho azy olona tsirairay fa tsy mampiova ny planin'Andriamanitra... ary izay no nitranga tamin'ny tranga mikasika an'i Jodasy... Kristy tsy maintsy natolotra, ary olona iray no ahatanteraka izany, rehefa tato aoriana dia fantatr'i Kristy tsikelikely fa iray amin'ny mpianany mihitsy, fa tsy voafaritra tany am-boalohany tamin'ny fotoana nifidianany azy tsy akory... fa eo no mitoetra ilay safidy, i Jodasy nisafidy ny lalany, fa raha tsy Jodasy aza no nanolotra Azy, dia efa fantatr'i Kristy fa ny iray tamin'ny mpianany tsy maintsy nanolotra Azy...
Ary ny ozona mahazo izay manolotra Azy dia efa nitoetra hatrany am-boalohany, izay ilay planina tsy maintsy hitranga...
Ka dia anjaran'ny tsirairay ny misafidy fa Andriamanitra tsy maintsy manatanteraka ny planina efa nomaniny...

34. rakapy
(
20/06/2008 17:30)
Midika izany fa na hisafidy ny hihino aza ny tsy mpino dia tsy handaitra ny fiovany satria efa voasoratra sy voaozona hoe tsy mpino izy???
35. rakapy
(
20/06/2008 17:34)
Ka dia nahoana i Jodasy no nomena tsiny nefa i A/tra no nanoratra hoe izy no hamadika an'i jesosy?
36. ikaretsaka
(
20/06/2008 17:53)
rakapy:
Ka dia nahoana i Jodasy no nomena tsiny nefa i A/tra no nanoratra hoe izy no hamadika an'i jesosy?
dia tsy haiko letsy.... :-D :-D :-D
37. prime
(
23/06/2008 11:21)
rakapy:... Mifanohitra amin'ny zava-misy sy ny fampianaran'i Kristy izany ambaranao izany... ny fiovan'ny tsy mino iray hanaiky an'i Kristy dia sady mandaitra no manamarina ny nambarany hatrizay araka ny voasoratra hoe :
Midika izany fa na hisafidy ny hihino aza ny tsy mpino dia tsy handaitra ny fiovany satria efa voasoratra sy voaozona hoe tsy mpino izy???
"tsy avy hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka." Lioka 5:32
"Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany." Lioka 15:7
Ny fitiavan'Andriamanitra dia notanterahany teo amin'ny hazofijaliana ho an'ny tsy marina sy ny mpanota sy ny tsy mpino... aza adino ilay tantaran'ilay "zanaka adala"... Andriamanitra mihitsy no manao fifaliana lehibe any an-danitra ary mazava ho azy ao amin'ny fanjakany manontolo...
Fa hoy koa ny voasoratra amin'ny anaran'i Kristy :
"Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao." Jaona 12:47
Andriamanitra tsy tonga hitsara fa ny hamonjy ary mbola fitiavany sy famindrapony no anomezany fotoana ny tsirairay hisafidy ilay tena fiainana sy fiadanana...
Ny fahadisoan-kevitra indrindra koa dia ny fiheverana fa ny safidy hanara-dia an'i Kristy dia fijaliana, fahoriana, tsy fahafahana manao sitrapo, tsy fifaliana fa fitolokoana sy alahelo lalandava, fatorana sy gadra... tena diso tanteraka izany, Andriamanitra tsy miantso olona hijaly fa miantso olona hiadana sy hifaly ary feno fitiavana sy famindrampo... manana fiainana mandrakizay ary miray lova amin'ilay Mpanjaka lehibe dia Kristy... ka raha hisafidy ihany tsy aleo ve ilay tena Izy...
38. RBNIR
(
16/04/2013 08:43)
Faly miarahaba ny namana rehetra indry,
Sao dia tsy fantatr'isika: fa inona no tena helok'i Jodasy???
« Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin'ny mpianany, ilay efa hamadika Azy: » (Jao.12:4)
« Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo? » (Jao.12:5)
« Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny. » (Jao.12:6)
NO COMMENT io.
Nanenina ihany Jodasy, nefa.......indrisy fa efa tara loatra.
MIBEBAHA DAHOLO RY NAMANA A! ARY AZA MIANDRY AMPITSO FA NAMPALAHELO JODASY! TARA LOATRA VAO TONGA SAINA.
TSOTRA NY TAKIAN ANDRIAMANITRA : Mat.7:21 NY HANAOVAN-TSIKA NY SITRAPON ANDRIAMANITRA
Samia ho tahin'ny Tompo daholo

39. RBNIR
(
16/04/2013 09:02)
Mbola faly misera amin'ny namana rehetra hatrany,
Ny tokony hotadidiantsika rehetra dia : izay kasain'Andriamanitra hatao ary voasoratra ao anaty baiboly dia tsy maintsy hotanterahiny avokoa.
Noho izany tsy maintsy hisy ny hahazo ny anjara tsara ary tsy maintsy hisy ihany koa ny hahazo ny anjara ratsy.
Izay ihany koa no anisan'ny nitenenan'ny Tompo hoe « Ho avy faingana Aho; tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao. » (Apok.3:11)
« Miseseha hiditra amin'ny varavarana ety ianareo; fa hoy Izaho aminareo: Maro no hitady hiditra, fa tsy ho afaka. » (Lioka 13:24)
MAHEREZA DAHOLO, TENA TIAN-TSIKA NY TOMPO,
Aza misy manamelotena fa mahakivy izany ary mampamoifo, ny adidiko sy ny adidinao dia ny manao ny sitrapony hatramin'ny farany satria efa voasoratra ihany koa fa izay maharitra hatramin'ny farany no hovonjena.
Samia ho tahin'ny Tompo daholo.

40. Nehemiah
(
16/04/2013 13:04)
Tokony esorina @ sain'ny olona ireny fiheveran-diso momba ny prédestination sy Jodasy izay.
Ny fampianaran'ny prédestination dia miainga avy @ hevitra 2 loha : mahafantatra ny zava-drehetra Andriamanitra ary ivelan'ny fotoana izy, satria izy ihany no namorona ny fotoana. Tadidio fa Andriamanitra no "Ilay Taloha sy Ankehitriny ary Ho Avy" miaraka. Ny fampitahàna tsara alaina dia ireny mpanatontosa sarimihetsika taloha ireny, tahakan'i Eisenstein. Rehefa mamelatra ny pellicule misy an'ilay sarimihetsika i Eisenstein, hitany daholo ny sary rehetra mifampitohy izay manome ny sarimihetsika rehefa alefa @ projecteur. Tahakan'izay koa Andriamanitra. Sady mahita ny taloha izy no mahita ny ankehitriny no mahita ny ho avy indray mijery. Izany akory tsy midika fa tsy manana safidy ny olombelona tsirairay, mbola samy mibata ny andraikitra mifanandrify azy foana ny olombelona, fa ny tokony azontsika an-tsaina dia tahaky ny "filma efa nandeha" ny fizotran'ny tantaran'ny olombelona ho Azy, fa izany akory tsy midika fa tsy tompon'andraikitra @ fizotran'ny filma isika.
Raha mieritreritra ny sasany hoe : "Izy no mahatonga na mamela ny zava-drehetra hitranga koa inona no hiampangany antsika ?" Mamaly tsara i Paoly fa tsy anjarantsika ny mivazizitra momba ny lahatr'Andriamanitra.
Izaho izao tsy mahay afa-tsy ny fivezivezen'ny piesy @ lalao échecs, ka inona no hahazo ahy raha milalao miaraka @ Garry Kasparov ? Hiezaka hanao an'izay rehetra hahareseko, fa na izany na tsy izany dia izay tian'i Kasparov anaovana ahy, na inona na inona tetika mety ampiasaiko dia ho hitany foana ny tiako atao. Kanefa raha maharesy ahy izy, izany ve dia midika hoe nanampy azy handresy na nifanaraka izahay mba havelako handresy izy. Misy loosers sasany milaza an'izay, fa raha ny tena marina dia niezaka ny handresy aho, ary tompon'andraikitry ny coups rehetra izay nataoko t@'iny lalao iny aho.
Tahak'izay koa isika olombelona : omen'Andriamanitra safidy malalaka hanao an'izay rehetra tiantsika Izy, ary tompon'andraikitra @ zavatra ataontsika isika ka tsy maintsy mandalo fitsaràna rehefa manao ny tsy mety (satria ny anisan'ny vontoatin'ny fitsaràna dia tsy maintsy saziana ny olona izay ninia nanao ny tsy mety), fa kosa mandahatra ny tranga rehetra mba hahasoa ny olona tia Azy Izy.