Mada mihoatra amin'i Sina

1. Solitikabe ( 06/06/2008 19:21)
Nahoana i Sina no lasa lavitra? Dia satria ny Sinoa sy ny Fanjakany tsy mamela mihintsy ny hoe olona na kaompania vahiny no mitrandraka ny hareny.
Ary nahoana ny Malagasy no mahantra foana nefa lazaina fa manankarena i Madagasikara? Satria ny mpitondra mifandimby tsy manao toy ny Sinoa, fa faly hivarotra ny haren'ny Gasy amin'ny vahiny amin'ny lavoamena fotsiny. Ka rehefa mahazo vola atao an-tsikelika dia efa izay no izy.
Ra-8 an inona indray no amidy manaraka, fa ny illimenite an'i QMM, Nickel sy Cobalt an'i Sherritt, ny Volamena an'i PAM, ny Jono an-dranomasina an'i EU, ny ala an'i WWF sy ny Conservation International, ny Solika sy ny Arintany an'i Vuna ltd, safira an'i Thailande sy Srilanke, ny mangazay an'i Sinoa sy Karana.
O rey olana an, tsy misy gasy manana Kamio sy bolidozera mihintsy ve afaka mitrandraka ireny harena an-kibon'ny tany ireny sa inona no tena ao ambadika eh?
novalian'i Jeankely ny 11/06/2008 16:42
2. Jeankely ( 07/06/2008 00:23)
Oh! Mipetraka Sina ve Solitikabe ary tena mahalala ? Inona no nahalasa lavitra an'i Sina hoy ianao ? Sina nandrosobe nanomboka hoviana ?
Nanomboka tamin'ny fanovana ny rafitra politika ary ny fampidirana vahiny mpanangana orin'asa. I Sina no natao hoe "Darling of Investors".

Sahala an'i Madagasikara avy nozanahan'i Frantsa dia i Frantsa no mifandray sy nifandray be @'ny Madagasikara. Azo hamarininao amin'ny statistika ao @ INSTAT izany na ara-barotra nafananganana orin'asa. I Sina koa dia marobe ny "Japanese factory" ary nisy ny "technology transfer" izay tsy hita firy tamin'ny fiainan'ny Malagasy.

Fa inona loatra no hianaranareo ireto sa miteniteny foana ? Mamakia boky, sokafy tsara ny Internet fa tsy porno no vakiana avy eo be resaka.
3. Solitikabe ( 07/06/2008 03:09)
Amin'ny maha Sinoa-Malagasy ahy, dia efa ela i Sina no nandroso, saingy natao foan ilay hoe GDP/capita dia tao anatin'ny tany an-dalam-pandrosoana foana izy. Tsy marina ny hoe Japs no nampandroso ny Sinoa. Fa noho ny ady nisy teo amin'ny Firaisana Sovietika sy Sina mikasika an'i Mongoly dia nisosoka ny Amerikanina nanampy ny sinoa mba sitrany ahay mivaky ny Kominista tamin'ny fotoan'androny. Dia namela malala ny entana sinoa niditra tany Amerika ingahy Bill Clinton. Ka ny entana aondrana any Sina dia 90% mandeha any USA.
Sinoa aho ary Tiako Sina, saingy lehibe teto Madagasikara aho, ka hitako ny fijalian'ny Gasy. Mba nijaly ihany ny dadako fony faha Tse, ary izany no nialana tany Sina. Saingy mijaly noho izany ny Malagasy misy eto Madagasikara. Raha nasaina nilanja bao nitatitra tany hanaovana ny Barazy Zhedong ny dadako dia mba faly ihany fa nisy herin'aratra sy mba nihitatra ny tanimbary novolena folo taona taty aorina. Saingy ny teto Madagasikara, tsy haiko aloha izay atao, fa mba manao izay ho afany ihany ny Malagasy kely mamboly kafe sy vanila, saingy ho aiza fa tsy afa-manondrana fa tsy maintsy miankina amin'ny vahiny.
Dia rehefa avy eo ny kely anana alana amin'ny tena satria tsy manana kadasitra amin'ny tany volena akory.
Ny harena an-kibon'y tany, veloma rey razana fa efa lafo nomena ny vazaha daholo.
Betsaka anefa ny eo amin'ny fitondrana no mba nianatra sy niofana tany an-dafy ka tsy hay na ny fivarotana tanindrazana no tena niofanany tany na inona loatra fa miha-mahantra ny vahoaka, tsy misy afaka manda izany
4. Jeankely ( 07/06/2008 04:12)
Mazavabe ny teninao fa tsy Malagasy ara-dala ianao noho izany tsy miteny amin'ny maha-Malagsy ra iray akory. Marobe ny Sinoa tsy metisy velively mipetraka USA, Malaysia, Singapore sns saingy araka ny teninao nandositra an'i Sina nohon'ny fahantrana sy ny koministe ny dadabeny ary tsy mihevitra ny ho sinoa intsony ireo fa milaza ho Malaysian ohatra na Sinoa Ray sy Reny aza fatsy metsy. Raha tonga any Sina izy ireo dia vahiny no fahalalan'ny Sinoa azy fa tsy Sinoa akory. Mazava ho azy fa tsy Sinoa ianao na metisy aza.
Nahazo nividy tany ary miasa Madagasikara ny Dadanao koa inona no olana iasan'ny hafa ? Sa misolitika rehefa tonga ny hafa. Rehefa tonga ny "New Chinese" hoy ireo tonga taloha dia tsy dia mitovy ny fisainana. Porofoy raha diso izany.
Ny Sinoa avy Sina izay mifandray amiko rehetra dia tsy mahazoazo loatra ny Sinoa mipetraka sy makavolontany vahiny satria efa tsy ao aminy intsony ny fomba Sinoa.
ALEONY MALAGASY HIVOATRA FA AZA SAKANANA NA AMORONANA OLANA izay lazaina sarobahana. Nandalo olana mafy na i Sina aza ary hatramin'izao dia mbola misy ny mahantra fadiranovana na misy faritra lasa alavitra aza.
5. Jeankely ( 07/06/2008 05:25)
Ampiko fanampiny.Nandositra tany ny dadanao satria tsy nantaty ny jaly. Sahala izay koa ny Malagasy lasa mitsoaka ivelany mitady izay fiainana mahasoa azy kokoa. Tsy heloka izany akory.
Taty aoriana nisy fivoarana ihany ilay tany nandosirana koa raha izay no jerena dia mbola hisy fivoarana koa i Madagasikara fa mandalo io ary nandalovan'i Sina araka ny fanazavanao nialan'ny Babanao tany. Raha nisy ady t@'ny tany izay tsy tononiko ary nandroaka Sinoa rehefa tonga tany Sina ireo Sinoa ireo dia hoy ny Tao Sina hoe mafy ady ary nijaly izahay nandositra ianareo koa kenda avy any nareo ve hiazakazaka aty. Nanomboka hatrany nipetraka tsara ny Sinoa antanin'olona. Lazaiko fotsiny hoe "South East Asia". Hamarino fa mahay manokatra Internet ny rehetra. Nisy aza ny toerana tsy nahazo nitenenana teny Sinoa fa tsy maintsy miteny ny teniny raha tia hipetraka.
Ny resaka moa dia hoe Mada mihoatra @'i Sina ka lalana tsy maintsy lalovana ny jaly fa tsy avy dia tafavoakabe.
6. Solitikabe ( 07/06/2008 10:51)
Saingy ny sinoa na ivelan'ny taniny aza mbola mitondra fanampiana ho an'ny taniny ihany. Fa firy izay Gasy reko lasa any Frantsa sy Kanada izay raha ny tao Antalaha sy Sambava ary Maroantsetra fotsiny. Tsy haiko izay any an-toeran-kafa, saingy inona no mba entiny ho an'ny tanana nilaozany.
7. Jeankely ( 07/06/2008 11:17)
Ny resakao farany io indray marina tsy azo lavina. Niteny aho teo hoe vahiny ny Sinoa miverina manangana orin'asa any Sina ny filazany azy. Ary izay no antony maha-betsaka ny vahiny mpanangana orin'asa any nefa raha jerena hoy reo dia Sinoa lasa ary niverina nanangana zavatra rehefa lasa mpanankarena tany @'ny nalehany. Saingy vahiny ihany no filazandreo azy. Nanokatra loha-hevitra sahala io voalazanao io aho ary mifandraika tanteraka. Nilaza aho hoe "inona vitan'ny no Diaspora Malagasy andafy saingytsy re satria be no menatra.
Averiko kely amin'ny Jaly sy fahantrana. Amiko tsy misy firenena avy dia mpanana fa lalana tsy maintsy lalovana ny olana. Noho izany izay tsy mahatanty na afaka mivoaka mandeha mivoaka. Izay mahatanty na tsy afaka mivoaka tsy maintsy mijanona ary tsy tokony kiviana.
Ny Malagasy manana "Kamio sy bolidozera" voalazana tena maro saingy mazava koa fa vao mainka tsy manaram-penitra ny fitrandrahana ataon'ny Malagasy ary tena manimba ny tontolo hiainana haingana. Samy mangandingady dia avela eo dia lasa sa tsy izay ny resaka "Safira". Volabe no mihodina nefa tsy hita tena mivoatra ilay tanana. Sa lasa andafy kely ?
8. Solitikabe ( 11/06/2008 16:10)
Ny marina tsy misy manara-penitra izany na ny vahiny mirandraka eto aza. Resaka fotsiny ny hoe etude d'impact environnemental eh.
Ny QMM izao dia eto Taolagnaro no ataony ny separation'ny illimenite amin'ny Monazite sy ny uranium. Ary dia averiny amin'ny fasika tavela ihany ny monazite sy uranium, fa tsy alevina akory na hoe fonosina carbon toy ny tokony atao. Ka dia aleoko indray mahita lavaka toa izay ieo singa roa ireo.
Fitrandrahana nataon'ny vazaha ny ao Analamazaotra raha ny graphite no jerena, na ny Uraium any Tranomaro, na ny Mika eny Amboasary, saingy jereo ny toerana dia aiza ilay hoe manara-penitra?
Fa ampiana ny Gasy, atao izay anarahany fenitra, fa tsy hoe akory rehefa tsy manara-penitra izy dia esorina.
Marina fe betsaka ny orin'asa vahiny miditra any Sina, saingy tsara ho fantatra fa tsy maintsy manome ny 50% ny capital ho an'ny oriasa teratany sinoa ireo. Ny farany teo mikasika ny faneren'ny EU ny Sinoa hividy AirBus ohatra dia tsy nanaiky mihintsy ny sinoa raha tsy any aminy no atao ny toerana fanamboarna ny kojakoja.
FA ny antsika, mahamenatra be fa 2% amin'ny vola-miditra avy amin'ny QMM no an'ny fanjakana Malagasy ary 1% avy amin'ny Sherritt. Tao amin'ny gazety io an.
Ny zone franche raha vao miakatra kely 0.5% fotsiny ny sandan'ny vola gasy dia milaza fa hanakatona varavarana. Dia tsy hitan'ny fanjakana ny atao.
Ireo no tena mbola mila ezaka. Tsara jeren'ny fanjakana mijoro ny hoe tombotsoa maharitra ho an'i MAdagasikara
9. Jeankely ( 11/06/2008 16:42)
Tsara ka omeo ihany ny spapa ry mpanolontsaina a.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0259