Ivato aeroport: Hitarina hoe?

1. rabingogilabanga ( 05/06/2008 17:32)
Tsara sa ratsy? asa tsy mbola fotoana hilazana izany izao, raha vola azo t@ trosa no anamboarana azy, dia andrasontsika aloha na hisy na tsy hisy ny retour sur investissement, ny mpitondra tsy tokony hidedaka, ny mpanohitra tsy tokony handrangitra.

Ny azo lazaina dia na t@ andron'i Deba aza, betsaka ny zavatra nataony t@ trosa, (fiara Karenjy hi-concurrencer ny renault sy ford hono, avion hitsikitsika hi-concureencer-ny mig sy boeing hono, etc...) saingy raha mbola trosa no nahazahoana azy dia aza dedaka andraso ny retour sur investissement;

Ny mpitondra any andafy dia dedaka @ voandalana entiny, satria contrat commercial no voandalana (ex: cotrat ny airbus, na contrat na nucleaire civil ny AREVA ao France...), zavatra concret izany, ary contrat mapidibola ho azy ireo.

I ratsiraka sy ravalo kosa trosa no oentiny, ary ny japoney sy ny koreana tavaratra no nahazo contrat @ fanamboarana ny seranana na ny lalana , na ny hitsikitsika, ry zareo no tokony ho dedaka fa tsy isika

sa ...
novalian'i Jeankely ny 07/06/2008 00:37
2. Jeankely ( 05/06/2008 23:47)
Rehefa avy mivoaka ny solontenam-panjakana dia rariny ny anaovany tatitra izay hitany tany. Mazava hoa azy fa ny filoham-pirenena nandeha dia ara-dalana ny filazany ny vokatry ny diany. Ary raha tsy manao izany izy dia heloka satria manafina ny vaovao ho an'ny vahoaka. Amin'ny maha-politika azy dia mazava fa mipoitra foana ny fitiavana haneho fa misy vokatra ny fandehanana fa tsy nandeha nitsangatsangana araka ny filazan'ny mpanohitra azy. Tsy ao Madagasikara ihany no ahitana izany fa eran'izao tontolo izao.
Ny hoe dedaka kosa dia na ianao manoratra aza ao anatiny ilay TENA DEDAKA satria milaza mahay nohon'ny mpitondra rehetra ary mihevitra fa ao aminao ihany ny atidoha fa tsy nandalo na kely tao antsain'ny mpitondra ilay fisainana.
Ny mpitondra mifandimby dia misy zavatra vao eo amin'ny fitondrana izy no mamorona azy. Misy kosa efa mifampitohy ka manohy fotsiny izy. Ohatra @'izany: Tsy ny fitondrana amin'izao fotoana izao no nanana fitsirian-kevitra ny aham-pikambana an'i Madagasikara @'ireo FIKAMBANANA IRAIZAM-PIRENENA sahalan'ny COMESA, SADC, WTO, UNDP, sns fa ireo zavatra efa vita no tohizana mihatsara. Ny DEDAKA mahay nohon'ny mpitondra.
3. xxx ( 06/06/2008 05:07)
Jeankely:


...Ny hoe dedaka kosa dia na ianao manoratra aza ao anatiny ilay TENA DEDAKA satria milaza mahay nohon'ny mpitondra rehetra ary mihevitra fa ao aminao ihany ny atidoha fa tsy nandalo na kely tao antsain'ny mpitondra ilay fisainana..


...io indray ilay karazam-baliteny fanaon'i Jeanpeti...olona miresak tsotra maneho ny heviny dia lazaina fa DEDAKA. Inona ary ty? Enao ve misy problem e? Tena tsy gaga intsony aho fa ny toerana rehetra misy anao dia ohatran'izao foana no mitranga amin'ny resaka ataonao. Nefa rehefa ataon'ny olona dia mitomany...

=D>
4. Jeankely ( 06/06/2008 07:12)
Araka ny resakareo milaza fa tsy mahay tenim-bazaha aho dia ekeko 100% saingy teny Malagasy io nosoratany ery ambony io. Asa tsy mamaky angamba ilay xxx fa ny hanaraka JK no mahamaika ka averiko: "ny mpitondra tsy tokony hidedaka, ny mpanohitra tsy tokony handrangitra."

Marary maso ve ? iza no nitomany sa marary andoha ka mivadika xxx tampoka eo. Nohon'ny tsy fampiasana xxx dia hita hatrany ilay jeankely fa raha atao xxx sahalanao dia tsy hay hoe iza ity. Tsy menatra maneho ny atao antsaiko izay tsy hindramiko aho raha tsy hainao ary izay no hisehoako fa tsy miafina @'ity xxx. Izaho ve mbola nangataka ny tompon'andraikitry ny serasera sahala anao handinika fa izaho terroriste ? Sao marary saina tokoa ry DEDAKA?
5. fijo ( 06/06/2008 20:27)
midedaka fa nahazo contrat ny mpitondra aty andafy,ie marina izany,fa migrevy ny vahoaka aty sa faly???????valio io aloha
6. Jeankely ( 07/06/2008 00:37)
Omeo azy ny hafatra ry "fijo" fa manimba endrika ny favy mipetraka Frantsa ireto kentrina ireto. Seranana amboarina no asiana resabe. Avy dia Frantsay hanontaniana fa mamaly ara-dalana izy fa ilaina hitarina io. Ry mpisolelaka no be resaka
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1014