FIHATSARAMBELATSIHY

21. endrika01 ( 10/06/2008 10:55)
Raha izaho manokana aloha dia mba velom-panotaniana we:efa voahozona ny hampirafy ve ny nahoritokan-trano rehetra?Asaivo mikarakara tsara ny zaza ilay namanao,rehefa tsy miakina aminy tsony ireo,efa samy manana ny asany avy,dia afaka mitia vhv hafa ndray izy fa tsy hakarina ho vady mariazy,satria efa nanao voady t@le volou be,ny voady mantsy dia tsy azo tononina be fahatany fotsiny,ary tsy kilalao!
22. fahamarinana ( 10/06/2008 11:14)
:arrow: endrika01 :raha tsy azo amin'izao in-3 zao ny tianao ambara dia efa pahana daholo ny mpamaky ato ... :-D :-D (l)
23. tsiafoi1 ( 10/06/2008 12:09)
Mbola tao an-tokantrano ralehilahy no voaroaka, midika zany fa tsapan'ny tompom-bady ny fihetsiny sy ny tsy fitiavany azy, sady nisy fihetsika tsy nahatamana tao, kay moa nazava tato aoriana kely fa nitia vehivavy hafa tany ivelan'ny tokantrano ralehilahy. Angamba "Sendra ny ankanga tsara soratra, ka nanary ny akoho taman-trano".

Voadakan'ilay vehivavy faharoa indray taty aoriana. Tsisy mahagaga fa de tonga @'ilay fitenenana we "Ny tody tsy misy fa ny natao no miverina"

Fehiny tsy tsara ny mitsapatsapa etsy sy eroa, na ny lehilahy na ny vehivavy. Tsisy toy ny vady ihany, tsy aleo ve mifampikarakara sy mifampikolokolo de mifampianampianatra mba hahatamana, fa lany andro mitetitety etsy sy eroa. Koa Akanga Dia (oiseau sauvage) ve hotamana na lahy io na vavy, raha bory ny elany mamitsaka ihany izy, fa rehefa àry ny elany, iny izy no lasa misidina.

KOLOKOLOY NY AN'NY TENA E, izay no fanafodiny.
24. ari.malala ( 11/06/2008 07:41)
Tokony mailo le naman\'i NAritsimba fa mitsy fitenenana hoe jamais 2 sans 3 :°) izany hoe efa nisedra echec in 2dia mandinika tsara alou vao miroboka fa tsy hoe entim-pitiavana ftsn! amiko manokana aloha ny anjaran\'ny olona d izy iany no manamboatra azy e! valin\'ilay fanontaniana faha2, tsy ny vehivavy iany anie no manao anizany e! hoe mody iarahana de refa mahita akanga tsara soratra d avela ny vevavy!! mazàna aza ny naman\'ilay vevavy iany na ny rahavaviny no amadihana azy!! valin\'ilay fahatelo ndray, tsy ny vevavy iany koa anie no miatsravelatsihy e! na ny lehilahy iany koa aza! firifiry akory ny vevavy no madraingiraingy noho ny fiatsarambelatsihin\'ny lelà!! fa eto lelà le voa, lelà le mitantara de otran\'ny hoe mampalaelo be mints le tantara! farany momba ilay hoe rariny raha nangataka fisarahana ilay vadin\'ilay tsy virjiny tsony, raha azo atao no manontany io lelà nangataka fisarahana io hoe firy ny vevavy efa niraisany aranofo, de tokony anontaniana iany kou!!! refa mitaky am vevavy nge ny lelà tokony mitandirna ny tenany e! tsy hoe nareo handavaka etsy sy eroa d ny vevavy nefa tsy ekenareo refa voalavaka!!!! ary firifiry akory moa ny lelà no mahazo virjiny fa mbola mitady any ankafa iany avy eo!!
25. naritsimba ( 12/06/2008 13:07)
ari.malala>> tena avy @ olona ihany ve ny anjara???
tsiafoi1>> tsy dia inoako loatra aloha hoe nitia vehivavy hafa tany ivelan'ny tokantrano ilay lehilahy, asa anefa fa raha ny fahitako azy mba lehilahy manampitiavana ihany.

Raha ity voalaza ao @ Joba 2 ity no jerena dia ahoana moa izany ny fihevitrareo fa amiko dia tsy dia mahari-pahoriana loatra ny vehivavy, fa malaky manome tsiny ny lehilahy.

« Ary hoy ny vadiny taminy: Mbola mitana ny fahamarinanao ihany va ianao? Mahafoiza an'Andriamanitra ianao, dia aoka ho faty. Fa hoy izy taminy: Tahaka ny tenin'ny anankiray amin'ny vehivavy adala ny teninao. Moa ny soa ihany va no horaisintsika avy amin'Andriamanitra, fa tsy ny ratsy koa? Tamin'izany rehetra izany dia tsy nanota tamin'ny molony Joba. » (Joba 2:9-10)

Raha io dia tena anjara avy amin'Andriamanitra ny nahazo ny fianakavian'ny Joba nefa azo raisina @ fiainan-tokantrano ihany koa hoe rehefa tena manam-pinoana na ao anatin'ny mafy aza dia ampisehoan'Andriamanitra ny fitiavany.
Moa ve izany dia tsy maintsy miaritra izay ataon'ny vehivavy ny lehilahy arak'io nanjo an'i Joba io, na inona mitranga na inona vava ataon'ny vady???
26. ari.malala ( 12/06/2008 14:12)
Naritsimba a, fa ny ataon'ny lehilahy amin'ny vevavy mba manao ahoana??? rehefa hisotro toaka sy hamono sy hanitsakitsaka izay ny lelà mba manahoana???? sa tokony hiaritra izay atao anay foooona fooooooona foooona zany zay vevavy fa tsy mba manana ny zonay sy ny fahafahanay mitroatra o??? fa rehefa ny lelà hoa no voa d otran'ny hoe anareo irery ny fahoriana e!! aza mba manao vain-drahalahy tsy marary anie ry Naritsimba azafady a! Tsy mba mahari-pahoriana ny vehivavy hoy ianao, fa mba manao akory ny fijalian'ny vevavy refa miteraka? na refa isarahan'ny lelà? misy aza mitondra kitra no ialan'ilay lelà, fa iaretany eny ny azy!! aterany ny zanany!

Izaho aloha dia miteny hoe avy amin'ny olona ny anjarany e! safidiny no niaraka na nisaraka tamin'ilay olona ko iza no homena ny tsiny?
27. naritsimba ( 13/06/2008 05:03)
ari.malala>>
izaho ange tsy miteny inona eh!
Ny voalaza ao @ Bokin'i Joba no naveriko nolazaina dia izay. tsy mamorona aho akory.
Raha ny ao @ Baiboly ange no jerena dia tsy manome fahefana ny vehivavy no voalaza ao na any am-piangonana aza, izany tsy midika amiko fa tsy misy ilana azy ny vehivavy akory.
Hevitra no hifanakalozana an!
28. ari.malala ( 13/06/2008 07:17)
Izay mantsy no naika teneniko!!! fa izany bokin'i Joba testamenta taloha sa vaovao? tsy efa tonga v i Kristy nanavao?:°) fa raha izany moa no hotazomina mba manao ahoana ny fiainana e! tsy misy fiainana mihemotra re ry naritsimba fa mandroso foana a! aleo ny vevavy mba hanana ny zoany fa tsy hosena lava eo:°)
29. naritsimba ( 16/06/2008 14:02)
ari.malala> efa misy andraikitry ny vehivavy ange voalaza ao @ Soratra Masina eh! Ny fanarahana an'izany ve dia midika fihemorana? sanatria kosa eh!
Fa ny hitako dia ny fandikan'ny olona ny voalaza ao @ Baiboly hifanaraka @ heviny fa tsy ilay hevitra tian'Andrimanitra ampitaina. Dia toy izay koa ny fahatsapako ny momba ny lehilahy sy ny vehivavy, misy vehivavy izay voalaza ao @ Baiboly any @ Testamenta Taloha izay nanaja ny voalaza tao no any @ Testamenta Vaovao no milaza ny fananany Finoana, tsy midika fihemorana mihitsy izany.
jereo ny voalaza ao @ Hebreo 11:31 finoana no tsy nahafaty an-dRahaba janga niaraka tamin'ny tsy nino, satria nandray ny mpisafo-tany tamin'ny fihavanana izy.

vakio daholo ny Hebreo 11
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0548