Sakafo sy torohevitra ho an'ireo be rarin-tsaina(stress)

1. ramistiana ( 30/05/2008 08:40)
Ity mba misy toro-hevitra kely ho anareo be rarin-tsaina na hoe Stress hoy ny vazaha.Fahalalana kely ihany ilay izy fa sao dia mahasoa ny hafa dia mba zaraiko eto.Hitako @ firesaka eto @ serasera fa toa misy ihany ny manana azy io.
Ny sakafo be manezioma dia anisan’ny manala ny « stress »
Ao anatin’izany ny legioma maitso,vary,ny sôkôla mainty,ny akondro…
Ny fihinana ny iray amin’ireo isan’andro dia hanala ny sorisory mahazo anao.
Amin’ny fotoanan’ny hatsiaka dia tsara ny mihinana ranona karaoty sy ny ranona voasary miampy ranona voasary makirana,afangaroy amin’ny sakamalaho voakiky eran’ny sotrokely.Mampahazo aina sy manala ny sorisory izy io mandritra ny tontolo andro .
*Fero ihany ny fisotroana kôka na aza misotro mihintsy raha azo atao,
fa mahatonga sorisory sy tsy mampatory ireny.
*Aza mifoka sigara na misotro toaka araka izay azo atao.
*Aza matory alina loatra :mifohaza maraina be.
*Aoka hilamina ny saina :Film na gazety mampihomehy foana jerena.
Mihainoa mozika evanjelika,aza mihaino hira betsaka sentiment ;indrindra ny hiram-pitiavana.Ny mamaky resaka vetaveta sy tsy misy dikany ary ny fandraisana anjara amin’ireny koa mampitombo ny stress ;koa tandremo ihany.
Aza mamaky gazety na boky na film mampatahotra ,na mitantara loza sy feno herisetra ,fa manimba ny filaminan-tsainanao sy ny fahatokisanao ny hafa ireny.
Kely ihany ilay izy ,fa dia atolotra ampitiavana be fa raha tsy mety moa dia avereno aty amiko ihany .
Misaotra indindra ô

2. fahamarinana ( 30/05/2008 08:47)
:arrow: misaotra nizara e,misy ho dinihana ndray aloha. (l)
3. evasoa ( 30/05/2008 09:27)
kom les viouc dans les mézon de retrète koi
4. mignone ( 30/05/2008 13:23)
:-D :-D fa maninn no oé mozika evanjelista ihany no tsy maintsy henoina ?
n'importe nawaka !
5. ramistiana ( 30/05/2008 13:57)
mignone:
fa maninn no oé mozika evanjelista ihany no tsy maintsy henoina ?..

Tsy hoe tsy maintsy mihaino hira evanjelika ,fa io no tena tsara indrindra manome filaminan-tsaina.Fa rehefa hoe tena tsapanao fa tony tsara ianao dia azonao atao ny mihaino hira hafa amin'izay.
6. ramistiana ( 30/05/2008 14:05)
fahamarinana>
Tsy misy fisaorana ka.Mankasitraka anao koa amin'ny fandraisana anjara e!.
evasoa>vakio tsara ilay izy dia hampiaro sao mba mety aminao.
7. mimi ( 31/05/2008 07:16)
Misaotra amin'ny fifampizarana fa tena tsara hofantatra mihintsy ny sakafo sy torohevitra e!
8. fahamarinana ( 31/05/2008 11:25)
:arrow: ary ity ndray kah,tena ohatran'ny lasa antitra tampoka be zany maheno azy an!!nareo ve mbola miheno ireny hira années 80 ireny na zao aza? fa za manko dia miheno foana,na ny zanako aza mahay azy zao, :-D :-D dia jereo fa mifanaraka eo koa big in japan sns sns e....(l)

http://www.dailymotion.com/relevance/search/alphaville/video/xgk7y_alphaville-forever-young_music
9. fahamarinana ( 31/05/2008 11:26)
:arrow: kay,diso be fa nifamadika ilay dinika,sorry be !!! (l)
10. kiadi ( 31/05/2008 14:04)
fahama> :-D :-D :-D
any @ diniky keliterezy io no tokony andeh
ramista>zah vô maika kizitina be raha vô mihaino hira evangelika ko!!! :-D :-D
11. kiadi ( 31/05/2008 14:38)
nenah aloha mihaino hira genre dire straits na genre santana de miaraka @ conso na whiskyy avec glaçons de tena hafaka ny stress-ko eh!!azo atao ko no manaoa an'ireo lazaiko reo de manao bain mafana tsara !hummm!
tonga de destressé!
azo ampina massage kely ko raha misy afaka manao azy!!ohatra oe i fahamarinana manao massage de sady mihaino santana no miaraka @ vera !hummmm
:-D :-D :-D :-D :-D :wink: :wink: :wink:
12. fahamarinana ( 31/05/2008 15:09)
:arrow: tena somokotra be miheno ilay hira taloha dia nifamadika mbanin'ny dinika,afabaraka am ramistina fa simbako lay dinikany.
kiadi bota trimobe sady kamo mahandro no mampiasa olona.Tokony alefa ary liban ary amizay fay angambany.. :evil:, (l)
13. kiadi ( 31/05/2008 15:13)
andray zany toetra eh!! tsara fanahy sy tia fahamarinana io de manao anah an'izany! :-D :-D :-D
fa misy in hono any liban?andao hiaraka ho any eh :-D :-D :-D
14. Alaina ( 02/06/2008 09:17)
ramistiana:

*Aoka hilamina ny saina :Film na gazety mampihomehy foana jerena.
Mihainoa mozika evanjelika,aza mihaino hira betsaka sentiment ;indrindra ny hiram-pitiavana.


Ka tsy vo maika mampiasa saina ve le mitady an-ze mampe ao am-le film na gazety mapmé reny?
Ny hira evanjelika aza no tena betsaka sentiment sy miresaka fitiavana ndrindrany.
15. ramistiana ( 02/06/2008 15:05)
Alaina:
Ka tsy vo maika mampiasa saina ve le mitady an-ze mampe ao am-le film na gazety mapmé reny?

'zany kosa tsy te hisahirana e!,fa tsy hoe mampiasa saina ny mitady an'izany.
Ny hira evanjelika aza no tena betsaka sentiment sy miresaka fitiavana ndrindrany.

Ny hira evanjelika tsy betsaka sentiment (fihetseham-po) fa misy aim-panahy na mamelombelona ny fanahy reraka.
16. sytl ( 04/06/2008 13:49)
^:^ ^:^ amen amen
17. ramistiana ( 04/06/2008 16:00)
mimi>Tsy misy fisaorana mimi a!,saika adinoko azafady.
18. RANIAINARIMANANA ( 19/07/2008 08:38)
TENA ISAORAKO MANOKANA MIHITSY IANAO RAMISTIANA FA TENA NILAIKO MIHITSY IO TOTOHEVITRAO IO ZA MANTSY TENA MPIJERY RENY HIRAHIRA MAPMALAELO IRENY E, misaotra indrindra an
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.7713