Vehivevy malagasy notaizaina handefitra sy hanompo.

1. xxx ( 26/05/2008 15:10)
Tena misy ny mizaka ny mafy,misy ny mizaka ny tsy eran'ny aina,fa dia manakombona ny vava eny ihany fa izany hono no fahendrena ary raha mbola azo atao ny mitazona ilay tokantrano dia zakaina daholo ity rehetra ity.Izany no fahendrena malagasy hono.Tena maro ireo cas mahatsiravina fa na eto amin'ny forum aza aho dia itako fa tsy mba mamoaka izany fahoriany izany ny vehivavy fa dia komboniny ho azy samirery,dia mitondra takaitra sy aetim-po mandrapahafaty fa efa iny no radrika'ny tena ka tafin-damba foana.Tena maharary aho rehefa sendra olona niaritra amampolon-taonany maro fa sendra ila tsy zaka intsony ny alahelo dia mitantara ka na izaho tantarainy aza tsy mahazaka nefa tsy miaina ilay iainany akory.Ohatra amin'izany:ompa,fanambaniana,fanandevozana moderna ozy ny sasany ,vono,sy ny fampijaliana amin'ny lafiny samihafa izay indraindray tsy voahevitry ny saina hoe hay misy miaina anzany any ho any.Ahoana no mba hevitrareo vehivavy ami'izany?Efa nisy nitrangan'izany ve,indrindra ilay mizaka ny tsy eran'ny aina?
Dia hono ho aho ny vehivavy ve dia tena nateraka hanompo?tsetratsetra tsy aritra.
2. tess ( 26/05/2008 21:05)
pffffffff! asakasaka izay hanakombona ny azy fa azy ny azy rehefa maniky lembenana am rehetra e!
halako ery ireny vevavy soumise manoloana am vadiny anefa aty ambadima mitomany mitaraina tssssss! tsy mampité hiaino mitsiny, otran'ny adalàna lay izy fa tsy fahendrena izany amiko :x
3. kelly13 ( 27/05/2008 07:28)
mety oe menatra kosa nge izy hitatara ny fahoriany e! za kosa klou ra misy an'izany d bye bye my love e! ary ra manana namana ianjeran'izany toe javatra izany za d mba mihaino kosa fa kala tess kosa d masika kely ery! ajanony io sakay io fa tsy mety aminjy :wink:
4. xxx ( 27/05/2008 09:30)
Marina izany ry Kelly13,fa ny tena tiko ambara dia hoe fitaizana hatramin'izay mihitsy izany hoe apandeferina ny vehivavy.Ohatra raha miady mivady ohatra zao ka misy misitaka dia adidin'ny ray amandreny no mananatra ny zanany vavy amin'ny fandeferana.Asa aloha raha tsy izany intsony amin'izao fotoana izao,nefa na amin'izao aza aho dia tsapako fa mbola mitazona izany ny ankabeazan'ny malagasy satria matahotra ny ho afa-baraka angamba.
Mbola miandry hevitra hafa ô
5. kelly13 ( 27/05/2008 13:14)
na lahy na vavy (zay klou ny ao @ fianakavianay) d nampenarina mandefitra! hozy ry zareo olondehibe ao aminay oe "fandeferana tsy midika faharesena"! fa ilay mikitintanana kosa ra ny teboky ny fahitako oe tsy resaka fitaizana fa any @ psikolozika. tsy haiko alou fa fomba fijeriko io! d aveo ndray nefa avy mmaky ny nosoratako za oe ra psikolozika v le izy tsy avy @ fitaizana iany kou anefa? tsy haiko ka! saro-balina b ry xxx le izy
6. Koditra ( 27/05/2008 13:25)
Marina ary zava-misy ireo voalazan'ny xxx ireo.

Ny zavamisy nefa dia ny lhl no manararaotra sy mandray atendrony an'io zvtra io satri ra ny tokony ho izy dia anjaran'ny vhv ny mikara2 sy manaingo ny tokantrano satri matetika tsy ain lhl zany, ny ambiny tokony iaraha-manao, zay tsy hay enarana ary tokony fitiavana daolo no mibaiko anzany retra2 zany (otran le hiran'ny Samoely io eh).

Ny momba ilay ady2 ndray dia ny mpivady tsy mifankati raha tsy miady, olona 2 samy nanana ny fahazarany sy ny nitaizana azy tany aminy tany, ... Eo ampitadiavana ny marimaritra iraisana no hisian'ny ady2 aveo. Ra misy mpivady tsy miady zany mitsy any, ny dikanzay d misy marary fo ao zany, misy miatsaravelatsihy ao zany.
Isika malagasy dia manana lalàna izay mamela ny vhv isitaka (fa tsy maintsy oe any @ Ray amndreny fa tsy oe any@ tess sy kelly13 akory a), ra ny lhl no misitaka d abadon de famille zay no dikany. Ny anton'io lalàna io dia mino aho fa noho io fitaizana ny vhv malagasy voalaza io, tsy maintsy oe mandefitra alo, refa tsy zaka maazo misitaka kely alo na any d tsy hita. :-D :-D :-D
7. tess ( 27/05/2008 15:46)
kelly13:

mety oe menatra kosa nge izy hitatara ny fahoriany e! za kosa klou ra misy an'izany d bye bye my love e! ary ra manana namana ianjeran'izany toe javatra izany za d mba mihaino kosa fa kala tess kosa d masika kely ery! ajanony io sakay io fa tsy mety aminjy :wink:





:-D :-D :-D :-D tsy masika aky zà fa sipa telo be zao no nampivadika ny lohako ny situation-ny soumise totale am vadiny de mitaraina aty amiko de zà manoro manoro hevitra am foko ray manotolo dia eo izy mody hoe ié! ié! fa rehefa avy teo soumise fôna fôna fa tsy mba mi revelote mitsy :-D
leo be anlay blem zà ny farany kou! :-D tsy te hiaino tsotry :^)
8. tess ( 27/05/2008 15:48)
xxx: ekena mila fandeferana ny toka-trano, fa tsy ny vehivavy foana kosa fa ny lahy ihany koa! izany hoe ny tiko lazaina dia mila mifanadanja ny fifampitondràna ao antokatrano ao sinon tsary mety,
io mandefitra io foana dia lasa soumise eo de mampalahelo ery ny mijery azy anefa sarotra hatoro :-D
9. ratonga ( 27/05/2008 23:40)
:-D ary to tena manirikiry an'i tess mintsy zao oul soumise ao zao wa é!! :-D :-D hividiano lobaka vaovao dé aza asena manao soumizo tsony :°) :-D
10. tess ( 28/05/2008 05:43)
tratonga: :-D :-D :-D :-D ka lay oul avy mitaraina aty amiko palelo be de zà ùmanoro sy manome hevitra tsara am foko anefa izy tsy mety hatoro fa enao ndray no wain avy teo! zà tsy mihaino an'ireny tsony fa toa efa natiora otran'ireny izy ireny :-D :-D :-D :-D :-D
11. belakely ( 30/05/2008 01:00)
o ry tess a, ny adin'ny mpivady ange ka tsy azo idirana e: amin'ny atoandro izy miady de rehefa alina miombona ndray :lol: :lol: :lol: :lol:
12. tess ( 30/05/2008 05:07)
ka ilay izy tsy ady anie ! ny maha soumise azy tsy ady, misy ny domination de mitaraina izy dia mba manoro izay azoko atoro kou!
rehefa ottan'ireny ilay olona dia aleo tsy hatao ninin na henoina akory satria itako hoe efa toetra natioranjareo ilay miaritra...
13. sipagasy ( 31/05/2008 16:56)
ka samy manana ny fiainany reh annn!!!! samy manana ny nitaizana azy ihany koa e!!!!
14. euh ( 31/05/2008 17:27)
ny adin'ny mpivady ange ka tsy azo idirana e: amin'ny atoandro izy miady de rehefa alina miombona ndray


io toetsaina no mbola mahataraiky antsika gasy ka tsy mahagaga raha voahitsaka lava. Fototry ny fiainana ny vehivavy, raha mbola voahitsaka izy dia tsy ho tafarina velively ny taranany. Tsy izaho no miteny fa diniho ny zavamisy, aiza ho aiza ny Malagasy na dia oharina fotsiny amin'ireo firenena afrikana eo akaiky aza ?

Amiko ny tsy firaharahana raha toa fantatra ka misy fikasihantanana na fanindriana hafa nefa tsy milaza ny manampahefana no sady tsy miezaka manampy azy mivady, dia non assistance à personne en danger

Saingy notion tsy misy any amintsika io fa any @ firenena mandroso toetsaina ihany, mazava ho azy, na ny fanjakana malagasy aza tsy miraharaha akory. Tsy mba misy zany fiandraiketana io osa mila fanampiana izany na dia misy hitsitra eo aza

Indrisy wa ry galasamy :cry: :cry: :cry: :cry:
15. Veloo ( 13/06/2008 19:43)
efa betsaka kosa ny vavy gasy tsy manaiky lembenana ka za ny volohany hihihihih
16. Ratoa ( 18/07/2008 14:52)
TSY NO TEZAINA HIFOROTRA izany mihitsy ny vehivavy gasy fa nampianarina hangina mba ahafahany mandinika sy mitetika ady;
Ny société malagasy anie ka matriarcale raha fotorana:
ny fitondran frantsay no namorona ny anarandray (patronyme) sa samy manana ny anaranyny zaza
rehfa miteraka dia ato hoe "maman'i Soa"sy "dadan'i Soa" na i "Renisoa" sy "Rainisoa"
atolotra ndravehivavy ny karama iray manontolo, tsy vaky.
Raha tsy izany dia hoe "tsy mitondra vola mody" rangahy
Rahavehivayy no mandidiy ny ao antrano rehetra sy manao "ny économie"
no mitaiza ny ankizy.
Izy no mandova antanàna fa ny antsaha no an'ny zanaka lahy.
Ka raha miforitra izany dia sitrapony na tsy manakerintsaina hihotra (se révolter) izy.
17. RANIAINARIMANANA ( 19/07/2008 08:22)
Ka raha ny cas kosa angamba de tsy hanome tsiny ahy nareo e, zah de tena soumise ny vadiko mihitsy satria io no tenenin'ny mamanay oe manaja vady, tokatrano fihafiana ka n'in n'in de efio eo ihany, tadidiko mihitsy za voaroakam-badiko de lasa nakany @mama de noroahiny ohatran'ny tsy teo, efa safidinao ny nanambady ka iafio ao hoy izy, zahay koa moa olona sahirana satria 14 mianadahy zahay no zanany ka io vadiko io zany mba anisan'ny nanampy sy nanavotra ahy t@fiainana satria zah avy any ambanivohitra no mipetraka no tongany teto tanà, de mba nampianariny nahitany asa de ny teniny matetika moa de raha tsy zah enao tsy ohatran'izao sn sns, de rehefa sendra miady de foretana eo ihany fa ande ho aiza? Zah ihany no tianao hoy izy sns..............., indraindray aloha tena leo ihany fa de ho aiza e? Tsy hitako ze atao ndray2, de ny zvt itako koa de za aza ve hoa tena ratsy sa ahoana fa tsy mba misy lehilahy mijery zany koa ah, na le mikaotikaoty ireny e, de voa mihitsy ny lohako fa na mody alina izy na manome vola kely de iny no atao ze mapety azy eo. Aminareo mpamaky io aza diso ah ve ny manaraka sy manao ze tiny?
18. Noue ( 19/07/2008 09:44)
dia aiza ny zon'ny vehivavy @ zany ? efa mitovy saranga ny lahy sy ny vavy ka tsy tokony hanaiky an'izany intsony !

taona 2008 ve dia mbola hoe ny lahy no mpandidy ary ny vavy mandefitra ? TSIA !
19. haritianah ( 19/07/2008 16:43)
Ny nanazarana antsika malagasy atram zay angamba ny oé ny vehivavy natao handefitra sy anopo talou dia tena nisy io fa ankehitriny kosa efa tratrany fivoharana dia efa mba lefilefy hery izy io.
Nanazarana ny malagasy ny oé ny vady fanaja.
Ny vehivavy mantsy talou dia nozarina mikarakara tokatrano foana fa tao ny tsimba nampianarina mitsy any ka tsy afaka miteny raha vao eo anatrehany vadiny.
Fa taty aorina efa miezaka ny mianatra sy ny miasa doly ny vehivavy dia afaka ny manohitra.Afahafa kokoa ny traitement ny vehivavy miasa mioahatra ny vehivavy tsy miasa @ lehilahy sasany.Nefa mbola ita taratra ihany nefa oé misy lafiny ts azontsika vehivavy ihoarana ihany fa mandefitra sy manompo na vehivavy miasa aza satria efa education maripototra mitsy io.
Ary mbola misy foko malagasy dia mbola tena mitazona izany mitsy.
Misy milaza fa ts mirevy vehv mi soumise anatreny lhl, fa refa sendra enao dia fantatrao ihany ny andefitra satria mieritreritra oé vadiko ity.
Nefa kosa misy ny zvtr azontsika vhv idrikinana koa fa ts oui msé lava foana.
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8984